Vonjeo Ireo Toerana Lova Tandindonin-doza Ao Syria

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12.

Etsy ankilan'ny fitomboan'isan'ny maty, misy famonoana iray atao an'ireo lova ao Syria koa izao. Kely no mba resaka atao  mikasika io olana io, na any anaty fampahalalam-baovao mahazatra na anatin'ireo media sosialy.

Fantatrao ve ohatra fa tanàna enina ao amin'io firenena io no ao anaty Lisitry ny UNESCO  mitahiry ny Vakoka Iraisam-pirenena ? Ny Tanàna Tranainy ao Aleppo, ny ao Bosra, ny ao Damaskaosy, ny ao Avaratr'i Syria, Crac des Chevaliers sy ny Faritr'i Palmyra ao Qal’at Salah El-Din. Ary koa, faritra 12 manan-tantara no tafiditra anatin'ny lisitra fiandry.

Hatramin'ny 30 Marsta 2012, nanao antso ny UNESCO ho an'izao tontolo izao mba hamonjena ireo rakitra manan-tantara ao Syria. Irina Bokova, hoy ny nambaran'ny talen'ny UNESCO :

Ny fahapotehan'ireo tahirim-bakok'io firenena io dia fahapotehan'ny fanahin'ny mponiny sy ny maha-izy azy.

Ny tanànan'i Aleppo, manokana, dia tafiditra teo anelanelan'ny fifampitifiran'ny mpanohitra sy ny tafi-panjakana. Io no nahatonga indray ny Firenena Mikambana sy ny sampany, ny Kaomitim-Bakoka Erantany hampaneno anjomara fanairana.

Fanimbàna, fandrobàna, famotehana ary fanaovana fanondrànana tsy ara-dalàna … izany no manjo ireo tahiry sarobidy izay nitety taonarivo maro ireo.

Mba ho firaketana ireo fahapotehana manjo ny tantaran'i Syria, nisy pejy Facebook iray sy kaonty YouTube noforonina eo ambanin'ny lohateny hoe  ‘Ny lova arkeolojika Siriana tandindonin-doza’, miaraka aminà fampahafantarana amin'ny teny Arabo, Frantsay, Anglisy ary Espaniola.

Tsy misy fampahalalàna azo raisina mikasika ireo tena ao ambadik'izany pejy izany saingy sahala amin'ny hoe vondrona Siriana na arkeolojista mpila ravinahitra izy ireo, izay niasa tao amin'ity firenena ity.

Ao anatin'ny iray amin'ireo taratasy ireo dia azontsika vakiana ity kabarim-piarovana ity :

Tsy dia misy zavatra betsaka loatra azontsika atao hamoahana an-dry zareo amin'ity toe-draharaha ity, afa-tsy ny fandefasana ny firariantsika lalina avy ao am-po mba hisian'ny fandriampahalemana. Kanefa, misy zavatra azontsika atao ihany. Atrehan'ireo Siriana maso ny fahapotehana manjo ny lova ara-kolontsain-dry zareo. Ampahany iray amin'ny harena ara-kolontsaina iraisan-dry zareo no mety ho very amin'ny fomba tsy azo avotana. Izao no azontsika atao ho fandraisana anjara amin'ny ezaka fiarovana io lova io: Nalefanay rehetra any amin'ny tranombakoka any an-toerana ireo fitaovana arkeolojika avy amin'ny fitrandrahana/fikarohanay, na navelanay any amin'ireo trano namitànay iraka. Maro amin'ireny fitaovana ireny no mety hanjavona noho ny zava-misy  tsy azo antoka any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena. Noho izany, ry namana mpiara-miasa isany, ataovy vonona an-tànana ny tahirin-kevitsika, ny fitànana an-tsoratra sy ireo katalaogy, mba hanampy amin'ny fanarahan-dia ny fitaovana, raha sanatria ka manjavona ilay izy. Rehefa tonga ny fotoana, hanampy amin'ny famoahana tsara ny zava-misy mikasika ireny fitaovana fikarohana ny ambanin'ny tany ireny talohan'ny korontana io hetsika io.

Ity ohatra ny iray amin'ireo karazana famotehana nanjo ny distrika manan-tantaran'i Bab Al Dreib tao Homs :

Ny distrika manan-tantaran'i Bab Al Dreib rava tao an-tanànan'i  Homs

 

Ity no Bab al Turkman tao Homs :

Faritra iray manan-tantara rava tao Homs

Ary ity ny Tilikambo malazan'i Aleppo , taloha sy taoriana :

Ilay tilikambo tena malaza tao Aleppo

Antontam-bato, izao no niafaran'ilay tilikambo malaza Aleppo

Ny ‘souk’ tranainy ao Midan dia nizaka ihany koa ny faharavàna :

Izao no niafaran'ilay ‘souk’ tranainy ao amin'ny distrikan'i  Midanao  Damaskaosy

Ao amin'ny YouTube, lahatsary maromaro no maneho ny haben'ny fahapotehan'ireo toerana manan-tantara. Ity no santionany :

Ity no Maoske tao Abu Ubeida al Jarrah any Tell Bysse voadaroka baomba :

Ny toetry ny tanàna fahinin'i  Aleppo.

Monasterin'i Saidnaya niantefan'ny baomba :

Daroka baomba nahazo ny Lapan'i Qalaat Al Madiq Bombing-Apamea :

Misy fanangonan-tsonia iray hiarovana ireo lova ara-kolontsain'i Syria koa azo jerena ao amin'ny Avaaz.

Fanamarihana : Ny sary rehetra dia nalaina avy amin'ny pejy Facebook  ‘Ny lova arkeolojika Siriana Tandindonin-doza’ na  YouTube

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.