Mpanao Sariitatra Politika Toniziana _Z_: ‘Tsy Nisy Zavatra Tena Niova’

Nampiasa ny bilaoginy manokana debatunisie.com hanambarany ny heviny hatramin'ny 2007  ny mpanao sariitatra politika tsy fantatra anarana ‘_Z_’. Hita ho tsy mahafaly ny Islamista ao Tonizia ihany koa ny sariritatra tsy nahafaly ny mpitondra ‘samirery’ teo aloha Zeine el-Abidin Ben Ali.

Niteny i _Z_ fa roa ihany ny tsipika mena tsy hihoarany mihitsy: “Fiampangana lainga sy fanavakavaham-bolonkoditra.” Ho azy tsy tokony ho zavatra tsy azo resahina (kianina) ny fivavahana, ary zany no nahatonga ny mpisera aterineto sasany ‘nitory’ ny pejiny Facebook amin'ireo sariitatra isan-karazany heverin-dry zareo ho manompa ny Islam. Tamin'ny 7 aogositra 2011 i _Z_ no nanoratra:

En réponse à leurs protestations les robots de Zuckerberg m'interdisent durant 30 jours de publier sur mon profil(…)La guerre contre les “bonnes mœurs”, la morale religieuse, la bigoterie, doit être absolue. En ce qui me concerne, il est évident que je serai bientôt hors-la loi à partir du moment que la constituante validera la loi sur l'atteinte au sacré.

Ho setrin'ny fanoheran-dry zareo dia nandrara ahy tsy hamoaka na inona na inona mandritra ny 30 andro eo amin'ny rindriko ny raboton'i Zuckerberg (…) Tsy maintsy tsy azo ivalozana ny ady amin'ny “fomba tsara”, ny maoralim-pivavahana ary ny fanaovana toka-maso. Ho ahy moa, miharihary fa ho jiolahy aho vantany eken'ny antenimieram-panorenana ny lalàna momba ny fitenenan-dratsy ny zava-masina

Nitafatafa tamiin'i _Z_ tamin'ny alalan'ny imailaka momba ny sariitatra, ny tsy fitononona ny anarany, ny fivavahana ary ny fahafaha-miteny ao Tonizia aho.

Global Voices (GV): Oviana ary nahoana ianao no nanapa-kevitra ny hampiasa ny tontolom-bilaogy hamoahanao ny sariitatrao?

_Z_: Nanangana ny bolongako aho tamin'ny 28 Aogositra 2007. Efa nivandravandra tamiko hatramin'ny voalohany fa ny kendreko dia ny fitondran'i Ben Ali. Tamin'ny voalohany aho lahatsoratra fotsiny no navoakako. Avy eo aho nanan-kevitra ny hampiaraka ny soratro tamin'ny sarisary. Izay no nampanivaka ny bolongako ary nahazoana mpamaky betsaka.

Na dia marina aza ny fomba fiteny hoe “mahalaza maro noho ny kabary lava ny sary”, dia zava-dehibe amiko ny manasongadina ny soratra noho ny asam-pikatrohako, manome toerana voalohany ny ara-politika sy ny ara-pisainana, zavatra tsy voalaza tsara ao amin'ny sariitatra.

GV: Fantatra amin'ny solon'anarana _Z_ ianao. Efa ho 19 volana aty aorian'ny nihonganan'ny fitondrana Ben Ali, mbola manafin'endrika hatrany ianao. Nahoana?

_Z_: Tsy maintsy nitandrina dia nitandrina indrindra aho amin'ny famoahana ny anarako noho ny toerana misy ahy manoloana ny fitondran'i Ben Ali. Tsy maintsy niaro ny tenako tanteraka aho mba tsy ho tratran'ny famaizana. Nianjera ny jadona 19 volana lasa izay, fa tsy mbola nisy famotorana matotra momba ny fanaraha-maso ny tranonkala [nandritra ny fitondran'i Ben Ali]. Io fitaovana, natsoinay hoe Ammar 404, io izay nampiasaina ampihorohoroana ny aterineto Toniziana(sivana, fisamborana, fandrahonana…), dia mbola mety hiasa indray amin'ity mason'andro anio ity raha misy ny baiko ho amin'izany. Noho izany, tsy nisy loatra ny zava-niova na dia eo aza ny seho ivelany ary izany ny antony mbola hanafenako anarana.

"The Tunisia National Theater presents (for the fifth time) the electoral comedy". Cartoon published on the occasion of the 2009 Tunisia presidential and legislative elections

“Ny teatra nasionaly manolotra anao  (fanindiminy izao) ny tantara mampihomehin'ny fifidianana”. Sariitatra navoaka nandritra ny fifidianana filoha sy depiote tamin'ny  2009

GV: Tsy nisy nahasahy nanesoeso an'i Ben Ali sy ny fitondrany tahaka ny nataonao. Tsy nahavita nahalala ny momba anao izy. Ahoana ny fomba nataonao tsy nahfantarana ny momba anao? Misy toro-hevitra azonao omena ireo mpanohitra an-tserasera te-hanafina ny momba azy ve?

_Z_: Mba hiarovan-dry zareo ny tenany, dia manavaka ny fiainany amin'ny maha-mpanohitra azy sy ny fiainany andavanandro izy ireo. Mampiasa imailaka samihafa sy proxies samihafa. Fa ny tena zava-dehibe, tsy milaza na inona na inona mihitsy ary miresaka izay nosoratana eny fa na dia amin'ny namana tena akaiky indrindra aza. Ny fialana amin'izany na dia kely aza no ahafahana misambotra ireo mpanohitra an-tserasera ary izany no nahazo an'i  Zouhaier Yahyaoui. [mpanohitra an-tserasera toniziana voalohany voaheloka sy nigadra]

GV: Tsy misy ny tsipika mena ho anao. Rehefa tafakatra eo amin'ny fitondrana ny Islamista dia tsy vitan'ny nitsikera azy ireo ianao fa nanomboka nanao sary ny mari-pamantarana islamika ihany koa (Andriamanitra, mpaminany…). Izay no nanery ny Islamista hitsipaka ny pejy facebook-nao Debatunisie. Mety hamohana ny fady ve ny fihantsiana?

_Z_: Ny fanasoketana, ny fanompana manavakava-bolonkoditra ihany no heveriko ho tsipika mena. Ankoatra izay tsy misy zavatra tokony hamarinina hosivanina. Na dia fantatro aza fa mety mandratra ny fihetseham-pon'ny sasany aza, mino aho fa tsy maintsy asandratra ambonin'ny fahamasinam-pivavahana (eny fa na dia ao amin'izany aza ny maro an'isa) ny fahafahana ka manaiky ilay fomba fiteny malaza manao hoe “Tsy ekeko ny zavatra lazainao, saingy arovako mihatra aman'aina kosa fa manan-jò hiteny izany ianao”.

Ho ahy ny demokrasia tsy voatery hanaraka izay hevitra manjaka amin'ny maro (izay mitarika mankamin'ny jadon'ny maro an'isa), fa ny fahafahana mampiseho ampahibemaso ny hevitra rehetra, na an'ny vitsy an'isa izany na mety hanelingelina, raha mbola tsy lainga fanalam-baraka na manavakava-bolonkoditra ihany koa.

Ho ahy ny fahafahana hanana konsiansy malalaka izany (andininy fahadimy amin'ny lalampanorenana) izay tsy mametraka ho tsy azo ivalozana ny zava-masina. Noho izany, ao anatin'ny rafi-pivavahana ihany no misy ny fitenenan-dratsy ny zava-masina, fa tsy anatin'ny rafitra mizaka ny fahafaha-misaina malalaka. Na dia mbola misy hatramin'izao aza ny andininy fahadimy, tsy fantatra kosa izy eo amin'ny fampiharana. Nitory ny Nessma TV ry zareo noho ny famoahana sarimiaina manome endrika an'Andriamanitra. Nanameloka mpiserasera iray higadra fito taona sy tapany ry zareo noho ny famoahana sariitatra manimbazimba zava-masina. Noho izany mazava tsara eo amin'ny fampiharana fa ny fadinm-pivavahana no ambony kokoa noho ny fahafaha-misaina malalaka, izany hoe ambonin'ny fahalalahana rehetra

A woman writes "freedom, justice and dignity" on the floor. She is surrounded by the Islamic Shahada in the shape of cement walls. Via this caricature published on June, 10 _Z_ criticizes <a href="https://globalvoicesonline.org/2012/06/18/tunisia-final-draft-of-new-constitution-preamble-causes-controversy/">final draft of the new constitution</a> preamble which he says "stinks with an identity obsession".

Vehivavy manoratra  “fahafahana, rariny sy fahamendrehana” eo amin'ny tany. Hodidinin'ny rindrim-bato fanehoam-pinoana islamika (Shahada) izy. Amin'ny alalan'io saiitatra nivoaka 10 jona io no itsikeran'i _Z_ ny  teny fampidirana voavolavola farany ao amin'ny lalampanorenana vaovao izay ilazany fa  “maimbon'ny tsy fahitana afa-tsy fiavahana”.

GV: Vao namolavola lalàna manenjika ny fitenenan-dratsy (ny zava-masina) ny antoko Islamista Ennahdha vao tsy ela izay. Manahy ve ianao, raha eken'ny Antenimieram-Panorenam-Pirenena (NCA) ny volavolan-dalàna, fa ho voasivana tsy ho ela ny sariitatrao?

_Z_: Taorian'ny tolona natao ho amin'ny fahafahana, tsy tokony handoko ny sarintanin'ny fahafahantsika amin'ny alalan'ny fady sy ny fanilihana ataon'ny fivavahana isika. Sahala amin'ny hoe manomboka amin'ny fanaovana fefy rehefa hanao sary zaridaina. Izay no ataon'ny Islamista, ary izany no hanoherako ny politikan-dry zareo. Mbola holalaoviko ihany ny karatry ny fihantsiana na dia tsy ankasitrahan'ny mpamakiko maro aza izany, na rehefa mametraka ahy ho jiolahy izany satria mety ho eken'ny NCA mihitsy io lalàna mifanohitra amin'ny revolisiona io

GV: Ny fihonganan'ny fitondrana Ben Ali no nahitana ireo mpanan-talenta Toniziana amin'ny fanaovana sariitatra. Ahoana ny eritreritrao amin'ireo manan-talenta vaovao ireo?

_Z_: Mivandravandra izany ary tsara. Efa misy ny mitsiriritra ny tsy fahafantarana ahy. Fanamarihana izany fa misy tsy milamina ao ary mampiseho ny fiverenan'ny tahotra sy ny sivana. Na eo aza izany rehetra izany, manaiky aho fa mbola misitraka fahafahana tsy azo oharina tamin'izay efa niainantsika tamin'ny fitondrana Ben Ali isika.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.