Tanzania, Etiopia: Meles Zenawi ‘Mibitsika’ Avy Any Am-Pasana

Ny fanambarana ofisialy tamin'ny Alatsinainy ny fahafatesan'ny Praiminisitra Etiopiana , dia niteraka resaka tamin'ny mpampiasa haino aman-jery sosialy tany Tanzania, indrindra fa taorian'ny nanombohan'ny bitsika niseho tao amin'izay noheverin'ny maro ho kaonty Twitter ofisialin'i  Zenawi.

Nanomboka ny zava-drehetra rehefa  nandefa ity bitsika ity Zitto Zuberi Kabwe , mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta Tanzaniana

@zittokabwe: Mamangy amin'ny fahoriana ny vahoakan'ny #Ethiopia aho tamin'ny nahafatesan'ny Piraiminisitra #MelesZenawi  Manantena fivoarana demokratika  Abbysinia

Susan Mashibe ‏dia namaly hoe :

@iMashibe: @zittokabwe Tena marina io  amin'ity indray mitoraka ity ? Cc @SwahiliStreet

Ary nofaranan'i  Swahili Street hoe :

@iMashibe Nolazaina tao amin'ny  ETV. Efa ôfisialy izany @zittokabwe

Nobitsihin'i Chambi Chachage ny lahatsoratra iray tanaty bilaogy, mitondra ny lohateny hoe : ‘Meles Zenawi's Farewell to Young African Leaders‘ Ny Fara Veloma Napetrak'i Meles Zenawi Ho an'ireo Tanota Afrikana Mpitondra, avy amin'ny  United Nations Economic Commission for Africa (UNECA) na Komisiona ara-Toekaren'ny Firenena Mikambana ho an'i Afrika  tamin'ny 16 Novambra 2006, izay naverin'ny sasany nobitsihina.

Ary tampoka teo dia niditra i @PMMelesZenawi, tahàka ny hoe  ‘nibitsika taorian'ny  fahafatesana’ ho an'ilay Tanzaniana Zitto Kbwe mpikambana ao amin'ny Solombavam-bahoaka :

@PMMelesZenawi: @zittokabwe Azafady meteza ho tsaratsara kokoa noho izaho fahiny. Tsy fahafinaretana ny eto Eo am-piomanana  ny handoa ny sarany amin'ny sasany amin'io aho izao http://www.ethiopianreview.net/index/?p=42267

Meles Zenawi ‏@PMMelesZenawi – mibitsika taorian'ny fahafatesana. Loharano : sary avy ao amin'ny Twitter

Ity bitsika ho an'i Zitto Kabwe  izay misy mpanaraka maherin'ny 29.000 ity dia niteraka savorovoro, niteraka honohono – nojirihan'ny mpanohitra ve ny kaonty  @PMMelesZenawi ?

@zittokabwe: @hmgeleka Toa  tsy tena ilay kaontin'i @pmmeleszenawi vao haingana ity

Zitto Zuberi Kabwe dia namarana sady nanohy :

@zittokabwe: @AnnieTANZANIA tsy tena izy ny bitsika avy amin'i @PMMelesZenawi . Tsinontsiniavo izy ireo. Kaonty nojirihan'ireo fahavalony

Omar Ilyas dia nanohana an'io :

@omarilyas: Diso hatrany am-boalohany  ity kaonty ity @PMMelesZenawi  -karazana hala-tàhaka sahala amin'ilay iray an'i @Julius_S_Malema @zittokabwe

Na izany aza, ny adihevitra momba ny lova navelan'i Meles Zenawi dia nitohy,  miainga amin'ny fiderana ny fahaiza-manaon'i Meles ‘manatanteraka ny asa ‘ ka hatramin'ny fahalàlan'ny rehetra fa tsy demokraty Meles :

@Htunga: @zittokabwe Iza marina Meles ? Mahita  Etopiana noana sy andala-pahafatesana ao anaty fiara be aho… tadidiko ihany koa ilay fitifirana tamin'ny 2010.

@zittokabwe: @Htunga moa ve tsy noana sy maty ny Tanzaniana tamin'ny andron'i Nyerere? Nefa nankalazaintsika izy noho ny foto-keviny. Toa izany koa Meles’

@zittokabwe: @PMMelesZenawi raha tsy eritreretina ny hadisoany,#MelesZenawi dia fakan-tahaka amiko. Malalaka ianareo hamerina an'i #TheDerg na Isaias

Ny kaonty diso (heverina ho voajirika)  @PMMelesZenawi, izay nahatonga  io adihevitra eo ambony io, dia niteraka ihany koa ny fanontaniana ny antony tsy nahavitan'ireo mpanao politika maro any Afrika hanana ny kaontiny Twitter voamarina.

Araka ny tatitra, amin'ny tranga maro dia maka fotoana lavabe ny Twitter, na tsy mamaly mihitsy tsotra izao ny fangatahana fanamarinana kaonty.

Tena malaza ho fitaovam-pifanakalozam-pijery sy adihevitra ary vovonana hamakiana ny vaovao farany ny Twitter any Tanzania. Na dia izany aza, ny Twitter dia mora araraotina tahaka ny nitranga tamin'ny @PMMelesZenawi, ary afaka ihany koa miteraka fisavoritahana sy fisalasalàna raha mikasika ny fahamarinana sy ny fahazahoana antoka amin'ny loharanom-baovao.

Ny hadisoana hafa, fijirihana na fangalarana endrika Twitter Afrikana amin'izao fotoana izao dia ny :@Hailemdesalegne, @Julius_S_Malema, @kabwezitto, @alfredmutua ary @MwaiKibaki

Filohan'i Etiopia nanomboka ny 1991 ka hatramin'ny 1995 i Meles Zenawi ary lasa Praiministr'i Etiopia tato aoriana, tamin'ny 1995 taorian'ny fifidianana faobe tamin'io taona io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.