Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth

Nivadika ho nofy ratsy nandritra ny ora 20 ny sidina Air France Parisy-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 ho an'ireo mpandeha tao anatiny, mety ho mbola nampahatahotra kokoa aza ho an'ireo olo-mana-kaja tao anatiny : ny masoivohon'i Frantsa any Libanona, sy ireo olona manana ny toerany tsy mankasitraka ny fitondran'i Bachar al-Assad, izay tsy natao fanta-bahoaka ny lisitra misy azy ireo.

Boeing 747-440 an'ny Air France teo am-pidinana, sary avy amin'i caribb tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND-2.0)

Air France, nilaza izany ho resaka fiarovana – noho ny fihetsiketsehan'ireo Shiita teny amin'ny làlana mankany amin'ny seranam-piaramanidina ao Beyrouth nanoherany ny fakàna an-keriny ny olona avy amin'izy ireo tany Siria – ary efa ho lany solika, taorian'ny ora iray nivenjivenjena, dia namily ny sidiny ho any … Damas.

Tsy filaminana ao Beyrouth, filaminana ao Damas ?

Tao amin'ny Twitter, vetivety dia nivadika ho ahiahy avy hatrany sy fitaintainana ireo hanihany.

@clarissecarnets: Sidina iray an'ny Air France ho any Beyrouth navily ho any Amman http://ht.ly/cZQ7A “Fepetram-pilaminana tsy feno tanteraka ho an'ny làlana mankany amin'ny seranam-piaramanidina”

@FlashPresse: Tratry ny gidraka Siriana koa i Liban : Navily làlana ny fiaramanidina Air France ary mitombo isa ny fakàna an-keriny :… http://bit.ly/RYr54h 

@RimkAbdulJabbar : #LastRT Io karazana #FAIL (tsyfanjariana) iraisan'ny habakabaka io … #Liban #Syrie #Damas#AirFrance

@TibDupont: Mamily fiaramanidina hankany amin'ny tanàna onenan'i  Thierry Meyssan nandritra ny herinandro maro… Kaondrana angaha!

The Price of Peace

Ny vidin'ny fandriampahalemana – Seranam-piaramanidina ao Damas, 2006, an'i fabuleuxfab tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA-2.0)

Manao tsoakevitra ny sasany hoe tsy ratsy manao ahoana kay ny fitondràna Siriana :

@FredericHelbert: Fiaramanidina #AirFrance hiodina kely any #Damas: Raha tamin'ny andron'i #SaddamHussein, dia mety efa lasa takalon'aina daholo izy rehetra! Fo Spaoro ry zareo Siriana tamin'iny !

@kadsak: Ahoana no nahafahan'ny fiaramanidina Air France nipetraka sy niainga avy ao  #Damas, ity helo faritana amintsika rehetra isanandro any anaty fampahalalam-baovao frantsay ity ?#syrie

Any ivelany, tsy an-kitsitsy ireo hanihany, indrindra fa avy amin'ny amerikana  :

@StephaniaSun:@AP@RadioChio: “all right, everyone get out and push…”

@StephaniaSun:@AP@RadioChio: “Izay izany, afaka mivoaka sy miditra ny rehetra”

@nytjim: This is your captain panhandling: Air France pilot asks passengers to chip in for fuel after landing in #Syria http://bit.ly/PiMtz4 

@nytjim: Ny kaomandin'ny fiaramanidinareo ity: ny mpanamory ny Air France dia mangataka ireo mpandeha mba hanome fandraisana anjara avy amin'izy ireo hahafahana mameno solika rehefa tafapetraka tao Syria.

Tezitra ny minisitra, miaro teny ny  Air France.

Nirotsaka an-sehatra ny Quai d'Orsay mba hanakànana ny tsy hisian'ny fiakaran'ny olon-dry zareo Siriana ao anaty fiaramanidina. Ho an'ny minisitry ny Raharaham-Bahiny Frantsay, Laurent Fabius, dia fanapahan-kevitra “tena feno hadalàna iny” :

“Zavatra faran'izay mampidi-doza iny […]. Sarotra be ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny toe-javatra anaty vanim-potoana tahaka ireny, saingy anaty fifandirana, ny fipetrahana any Damas, angamba hiara-miaiky anìmiko ianareo fa tsy iny no fanapahan-kevitra tena tokony noraisina, ary diplaomaty aho”, hoy ny minisitra tamin-katezerana.

Damascus airport

Aéroport de Damas (2005), par plasticshore sur Flickr (CC BY-NC-SA-2.0)

Saina milamina sy tony kosa anefa ny an'i Air France :

Ilaina ve ny mampahatsiahy fa «ny kaomandin'ny fiaramanidina no tompon'ny teny farany aorian'Andramanitra », ary ny voalohany amin'izay ao an-tsainy dia izay hahazoana antoka momba ireo mpandehany? Nipetraka tany Chypre ny fiaramanidina Air France iny alina iny ihany, tsy nisy olana hafa, ary ny ampitson'io niainga ho any Beyrouth, toerana nahatongavan'ny rehetra tsy azon-tsampona…

Nokianin'ny minisitra mafy tokoa, niaro tena ilay kaompania ho nofitahan'ny mpanara-maso ny fifamoivoizana an'habakabaka siriana :

Nisafidy ny hamily ny fiaramanidina ho any Amman any Jordania araka izany ilay mpitatitra, toerana fiantsonana nofinidy raha sanatria misy hamehana ka tsy ahafahana mipetraka ao amin'ny seranam-piaramanidin'ny renivohitra libane, rehefa mandalo ny habakabak'i Syrie.
Saingy tsy nomen'ny mpanara-maso siriana ny zotra nandrasana kosa ireo mpanamory . Nangatahany mihitsy aza izy ireo hifindra amin'ny ‘cap 270° ‘, raha tokony ho fiolahana 90° monja no natao”, hoy ny fanazavan'ny mpitantana ny Air France.

Sady izao koa, tsy nila mihitsy ny famoaham-bola avy any ampaosin'ireo mpandeha  :

Ny lalànan'ny fitaterana dia manome fahafahana (ny mpanamory) hindram-bola amin'ireo mpandeha, amin'ny zavatra toy izany « raha sanatria ka misy fahasarotana amin'ny fanatanterahany ny andraikiny».
Fa tsy nila nanao izany findramam-bola izany ihany izy nony farany, ny lehiben'ny sampana Air France ao Damas nandritra izany fotoana izany dia tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina ary nampiasa ny ‘credit’ amin'ny anarany mba hahazona ny ‘kérosène ‘ nilaina.

Fanontaniana

Be ireo mpaneho hevitra nitrandraka ilay raharaha.

Ilay bilaogera, 2kismokton, dia mametraka fanontaniana roa, ara-tekinika n y iray ary politika ny iray :

1- Ahoana no fiaramanidina iray tonga any amin'ny faran'ny sidina ora 4 no ho lany solika, kanefa raha ny fepetram-piantohana dia tokony manana tahiry antsasa-manila mihoatra amin'ny ilaina izy eo am-pahatongavana? Mbola tokony ho afaka manao sidina ora 2 izy!

2- Nahoana ny mpanara-maso ny fifamoivoizana an'habakabaka (na libane izay) no hamily fiaramanidina sivily any aminà faritra misy ady an-trano? Angaha tsy nisy seranam-piaramanidina hafa tany Tiorkia? Tany Israely? Seranam-piaramanidina afaka nanaovana fipetrahana  «azo antoka » ho an'ilay fiaramanidina, ny mpanamory sy ny mpandeha tao aminy? Hita eto  ny fiantrakany voalohany saika nitera-doza amin'ny politikan'i Israely manao fahirano ireo firenena Arabo. Amin'izay indrindra, tsy hita mihitsy anaty karatry ny habakabaka i Israely!

Avy ao Beyrouth, ireo ‘consultants’ avy amin'ny Middle East Strategic Perspectives, dia mandalina ny antony tsy ahafahana mitana ny Air France ho hany tokana azo tazonina ho tompon'andraikitra tamin'ilay fanapahan-kevitra “kidaladala, tsy ampy fitandremana sy mampidi-doza” ary mamintina hoe :

Raha ny famakiana ny fivoaran'ny toe-draharaha eny an-kianja ao Liban, ary ao Damas, tamin'io andro io, amin'ny fotoana tena iainana azy, dia ratsiratsy ihany, tany Paris, amin'ny sehatra roa, diplaomatika sy ara-piarovana. Tsy resaka hanadiovana ny Air France na hiampangana ireo manampahefana frantsay. Nefa, na tsy azo alan-tsiny noho iny fandraisana fanapahan-kevitra mampalahelo iny aza ilay orinasa frantsay, ohatra hoe ny tsy mba nakany ny hevitr'ireo manampahefana frantsay tamin'ny fotoana nisian'izy iny, ary satria nivandravandra fa nisy tsy nandeha tamin'ny laoniny ny rafitra « fanaraha-masony » ny faritra Proche-Orient, tokony ve nitodika nankany Paris mba hamantarana marina raha nisy mpanamory tao anatin'ilay fiaramanidina tamin'io andron'ny 15/08 io ? Ity Air France ity izay tokony, angamba, nangataka « fanazavana » tamin'ireo manampahefana frantsay…

Ary i Libanona ao anatin'izany rehetra izany ?

Ao Libanona, nivanaka daholo. Ny mpiseho isanandro L'Orient Le Jour dia nilaza, tamin'ny 17 Aogositra, ny fihetsehampony manakaiky ny hagagàna sy valaketraka :

@LOrientLeJour: Vola sa aina, safidy ho an'ireo mpandeha tamin'ny sidina Air France Paris-Beyrouth. Lahatsoratra manàla azy avy amin'i Michel Touma #libanhttp://olj.me/773790

Hoy ny mpamoaka lahatsoratra :

Azo atao ny manontany tena raha toa ka avy any amin'ny planeta hafa ilay komandin'ny fiaramanidina… Eritreritra azo apetraka ihany koa amin'ny fitantanana foibe Air France ao Paris…
Satria ny faminavinàna, ao anaty toe-draharaha mavaivay ao Syria, fa hoe i Damas no azo antoka kokoa miohatra amin'i Beyrouth, dia tsy ahitàna fanazavana afa-tsy ny zava-nitranga (mampalahelo)  hoe ireo izay nandray ilay fanapahan-kevitra hamily ny dia ho any an-drenivohitra Siriana dia tena tsy maharka velively ny zava-misy (ety an-tany) amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.