“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Copyright Sy Fahalalahana Miteny Ao Anaty Atetineto

Fanamarihana: Navoaka tamin'ny teny Espaniola ny lahatsoratra [es] tena izy nosoratan'ny Derechos Digitales, ary nadikan'i Silvia Viñas.

Tsy reraka mihitsy izahay miteny an'ity. Mifandray ny fahalalahana miteny sy ny Aterineto: raha voakitika ny iray, manaraka ny iray hafa. Na izany aza anefa, amin'ireo demokrasia maoderina dia sarotra ny mamantatra ireo rahona mihatra amin'ny fahalalahana miteny.

Araka izany, anatin'ity sehatry ny fanentanana “Aza matahotra ny Aterneto” [es] ity dia hifantoka amin'ny fomba hahatongavan'ireo lalàna sasany momba ny copyright sy ireo fomba fanao hanakivy ny fampiasàna ny Aterineto ho an'ny fanehoan-kevitra. Ireto misy valinteny dimy fampidirana ho an'ny olana iray nampiray ireo mafàna fo eran-tany hiady amin'ny SOPA, ACTA, TPP, sns.

Maninona no zavatra tsara ny copyright?

Ara-potokevitra, mikendry ny hanosika ny famoronan'ny zanak'olombelona amin'ny alalan'ny fanomezana fahavitrihana ho an'ireo siantifika, mpamorona, mpanakanto ary ny olona amin'ny ankapobeny handany ny fotoanany sy ny ezany amin'ny famoronana asa izay mitarika any amin'ny fivoaran'ny siansa, ny kolontsaina ary ny haikanto. Ho valin'izay, manome azy ireo zo manontolo amin'ny zavatra noforoniny ny lalàna.

Maninona ny Aterineto no toerana iray tsara ho an'ireo mpamorona ny fizakà-manana ara-tsaina?

Lasa sehatra afaka ahitàn'ny rehetra ireo asa kanto ny Aterineto, tsy misy sakana mivaingana na ara-potoana izay mametra ny fizarana sy ny fahalalahana hijery ireo asa ireo. Miantefa sy miantraika bebe kokoa any amin'ny vahoaka ny asa navoaka ao anaty Aterineto noho ny asa nozaraina avy amin'ny alalan'ny teknolojia tranainy fotsiny ihany.

Raha manatsara ny asan'ny ara-tsaina ny Aterineto sy ny copyright, maninona ny copyright indraindray no mifanditra amin'ireo mpampiasa Aterineto?

Raha manome ahavonà fanapariahana sy fidirana amin'ny kolontsaina tsy fahita hatrizay ny Aterineto, ary raha ireo teknolojia vaovao kosa manome antsika fahafahana maro hamolavola, hamerina mamoaka hevitra, hanafangaro sy handika ireo asa ara-kolontsaina, ny copyright kosa dia manome ireo tompony zo manontolo amin'ireo asa ara-tsaina noforoniny, tahaka ny zo handika, hamoaka anaty Aterineto, hanova sy handika teny ireo asa ara-kolontsaina.

Araka izany, misy fihenjanana lalandava eo amin'ireo zavatra ataonao ao anaty Atetineto sy ireo zavatra izay voarara noho ny copyright, na raisina ho tsy misy resa-barotra aza ny fampiasàna ny Aterineto amin'ny andavanandro, tahaka ny fizarana zavatra amin'ny namanao, manisy rohy mankaminà lahatsoratra any amin'ireo tambajotra sosialy, sns.

Ahoana ny fomba fiantrakàn'ity fifandirana ity amin'ny fahalalahana miteny? Ohatra telo:

Ny voalohany. Satria mametra ny fahafahana mamorona sy mizara fahalalana. ohatra, raha voaaro amin'ny alalan'ny zo hiteny malalaka ny copyright, misedra fanamby ny fihetsika andavanandro ao anaty Aterineto: rehefa mampakatra lahatsary misy ampahany amin'ireo asa hafa ianao (ohatra hoe lahatsary hafa na hira), raha mampiasa ny fototry ny hira iray ianao hamoronana hira vaovao, na raha mampiakatra dikan'asa hafa ao amin'ny bilaoginao, sns.

Faharoa. Satria misy fahazarana manenjika ireo tranga ireo. Rehefa miatrika ny fampiasàna asa iray voaaron'ny copyright, maro ireo orinasa no mamaly amin'ny alalan'ny fiampangana lafobe araka ny lalàna sy mangataka ny fanesorana ilay asa navoaka tao anaty Aterineto. Izany no nitranga tamin'i Stephanie Lenz, izay nampakatra lahatsarin'ny zanakalahiny nandihy taminà hira nandeha tamin'ny radio, ary nanenjika azy noho ny fandikan-dalàna ny trano firaketana [manana ny copyright amin'ilay hira].

Fahatelo. Satria zara raha misy ny fotoana haneken'ny copyright ireo trangàna fampiasàna tsy misy resa-barotra. Kely ny ezaka ataon'ny lalàna  (sy ny orinasa) haekena fa ny fihetsikao andavanandro ao anaty Aterineto, tahaka ny fitantanana bilaogy na fizarana rohy amin'ireo namana, dia tsy misy resa-barotra. Ary raha tsy manana akory izany fahatokiana izany ny vahoaka, voarahona mafy tokoa ny fahalalahantsika miteny.

Koa inona ary no azontsika atao?

Ny voalohany sady fomba tsotra dia ny fanaraham-baovao. Anatin'ireo lahatsoratra manaraka havoakanay dia hisy ireo paikady sy torolàlana amin'ny fampiasàna, fiarovana, ary fitandrovana ny fahalalahanao miteny ao anaty aterineto. #NoTemasaInternet [es] [Aza matahotra ny Aterineto].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.