Pakistana: Naaton'ny Governemanta Ny Fifandraisandavitra An-tanandehibe Nandritra Ny Eid

Nandritra ny Eid-ul-Fitr, fotoana manamarika ny volana fifadian-kanina ho an'ny Miozolomana izay ankalazaina ho andro tsy fiasana,  notapahan'ny governemantan'i Pakistana ny tambajotram-pifandraisana amin'ny finday ho an'ireo tanàndehibe efatra ao amin'ny firenena – Karachi, Lahore, Multan ary i Quetta.

Mihantona tsy mandeha ny tambajotram-pifandraisana manomboka ny Alahady 19 Aogositra 2012 amin'ny 8 hariva, hatramin'ny Alatsinainy 20 Aogositra amin'ny 11 ora maraina. Araka ny voalazan'ny governemanta, noraisina izany fepetra izany hisorohana ny asa fampihorohoroana mety hiseho.

Fandrahonana tena misy ny fampihorohoroana ao Pakistana, maro ireo naneho hevitra no sady nitsikera. Fepetra mahomby azo hampiharina ho fanakanana izay loza fampihorohoroana mety hitranga mandritra ny fankalazana ny Eid izany hoy ny tohan-kevitra  voalohany, tsy fomba  hamahana ny olana izany hoy kosa ny hafa. Manitsakitsaka ny zon'ny olom-pirenena ny fanakanana faobe ny tambazotram-pifandraisana, hoy koa ny hafa naneho hevitra.

"Well, the iPhone is no good WITHOUT SERVICE." Image uploaded by Flicker User dbrulz123 (CC BY-SA 2.0)

“Eny, tsy tsara ny iPhone RAHA TSY MANDEHA.” Sary avy amin'ilay mpisera Flickr dbrulz123 (CC BY-SA 2.0)

Kashif Aziz nisioka hoe:

 @kashaziz: Inona no antoka fa tsy hamely rahampitso na raha afak'ampitso ny mpampihorohoro? Nahoana no tsy hakatona toy ny mahazatra ny tambajotram-pifandraisana?#Karachi

Taloha, efa naaton'ny governemanta Pakistaney toy izany ny fifandraisana an-telefonina noho ny resaka fiarovana. Manoloana izany fepetra tsy mahazatra sy tsy ilaina izany, zay nanjary fenitra ankehitriny, hoy i Awais Athar naneho hevitra

@awaisathar: Ary toy izao ny fanombohany…http://tribune.com.pk/story/424171/eid-security-cellphone-services-may-be-suspended-in-pakistan/ … Hiova hametraka “couvre-feu” ve isika mandritra ny andro tsy fiasana?”

Misy fiantraikany ho an'ny orinasam-pifandraisana izany fandraràna ny tambajotra izany, iray amin'ireo andro lehibe mety ahazoany tombotsoa be. Maherin'ny 118 tapitra ny olona mampiasa finday ao Pakistan, izay 68.2% ny fitambaran'ny mponina ao amin'ny firenena. Pakistana ihany koa no manana taha ambony amin'ny fidirana finday ao Azia Atsimo.

Tsy misy koa arak'izany ary tsy azo atao ny fifandraisana maika (urgence). Yousaf Malik nanome hafatra ho an'ny Minisiteran'ny Atitany, izay nanome baiko handràra ny fifandraisana ao an-toerana:

@YousafMalik41: #SenRehmanMalik Andriamatoa, ahoana raha misy olona hiantso polisy na sampan-draharaha mpamonjy voina amin'ny findainy?

Naneho hevitra momba ny fomba fiasan'ny sampam-pitsikilovana ihany koa ny sasany noho no tsy fahaizany misahana ny fampihorohoroana mba tsy handraisana izao fepetra mahasosotra toy izao. Bytes For All, fikambanana Pakistaney mpiaro ny zon'olombelona, ni-tweet nandefa hafatra momba ny Minisiteran'ny Atitany:

@bytesforall: Andriamatoa, nihevitra izahay fa hakatona ihany koa ny fitaterana rehetra. Tsia? Mampiasa izany ihany koa ny mpampihorohoro #netfreedom @netfreedom @Liberationtech

Avy eo, nisy ny fanambarana fa ho tapaka ny tambajotra hatramin'ny 11 atoandro. Midika izany fa noraisina ny fanapahan-kevitra mba hisorohana ny loza mandritra ny fotoam-pivavahana Eid izay matetika manomboka eo amin'ny 7 maraina eo sy amin'ny 11 ora atoandro. Ali Ibrahim nandefa fanamarihana tsara:

@aliqizalbash: Ry namana manerantany, miala tsiny aho fa tsy afaka miantso aty #Pakistan ianao amin'izao fotoana noho ny antony momba ny filaminana. Avereno ny antsonao aorian'ny 11 atoandro @SenRehmanMalik #PTA

Na dia izany aza, nisy ireo nankatò ny fanapahan-kevitry ny governemanta amin'ny fanakanana ny fifandraisana. Nilaza izy ireo fa raha tena hanakana izay mety ho loza fampihorohoroana hiseho tokoa ny fepetra noraisina, tsy misy antony tokony hanoherana izany. Mpanao gazety Ayesha Tammy Haq ni-tweet hoe:

@tammyhaq: @faridalvie 🙂 Rahampitso ny Eid. Tapaka ny fifandraisana mandritra izany noho ny antony fiarovana & nisy ny fatiantoka & misaona isika”

Nisy kosa ireo nahita tsirim-panantenana. Samra Muslim nanoratra hoe:

@samramuslim: #Pakistan: midika ny fanapahana ny fifandraisana fa tsy voahelingelina ny ” Somaison'i Mubarak mandritra ny Eid” ‘ izay avy amin'ny nomerao tsy fantatra?!#SilverLining #JustSaying

Sarah Naqvi nanoratra tahaka izany ihany koa:

@sarahnaq: tsy azoko tanteraka hoe inona no olana raha tsy afaka mampiasa finday isika mandritra ny fotoana iarahana amin'ny fianakaviana sy ny namana 🙂 #dependents #PTA

Bolo Bhi, vondrona mpisolovava monina ao Pakistana namoaka fanambarana an-gazety mikasika ny fanapahana ny fifandraisana izay mihatra ao amin'ny faritanin'i Balochistan manomboka amin'ity herinandro 14 Aogositra ity, Andro Fahaleovantenan'i Pakistana:

Manana adidy sy andraikitra amin'ny fihazonana ny lalàna sy ny filaminana ny Fanjakana saingy tsy tokony hanohintohina ny zon'ny olom-pirenena. Ny fanapahana ny fifandraisana dia tsy sokajiana ho toy ny fanitsakitsahana ny zon'ny olom-pirenena ihany fa fomba fanao tsy rariny no manavakavaka.

Tsy azo lavina fa tena zava-misy ny fampihorohoroana ao Pakistana ary vao haingana, nisy ny firoboroboan'ny asa fampihorohorana avy amin'ny Talibana Pakistaney. Na dia izany aza, tsy tokony handray fepetra manohintohina ny zo fototra nomena ny olom-pirenena ny fiarovana eto amin'ny firenena. Ny fanitsakitsaha izany zony izany, na dia mandritra ny adiny iray aza, na andro iray, na amin'ny fotoana hafa dia tsy fahombiazana mivandravandra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.