Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón

Nahazo ny fon'ny mpiray tanindrazana aminy tamin'ny alalan'ny fandaharana fampielezam-peo na fahitalavitra amoahany amim-pahazotoana ny vina goavana sy ny fahitany lavitra [es] ny andavanandrom-piainan'ny firenena i Jaime Garzón, Kolombiana mpahay lalàna, mpanao gazety, mpisehatra, mpampianatra, mpandala ny fandriampahalemana, mpanadihady ara-politika, mpandalina ara-piarahamonina, mpikatroka ary mpitsikera. Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 i Garzón, izay noheverina ho nataon'ny milisy sy ny manamboninahitra ambony [es] ahitana ny tale teo aloha [es] ao amin'ny Departemanta Ara-pitantanan'ny Fiarovana (DAS). Mahatsiaro azy [es] ny Kolombianan isaky ny andro ahatsiarovana [es] ny namonoana azy.

Farany teo, noho ny firoborobon'ny fitaovam-pifampitambaovaon'olo-tsotra, nalaza tao amin'ny Twitter indray ny anarany [es] , ary nihiaka noho ny fisian'ny tsimatimanota tamin'ny famonoana azy ny bolongana maro – tahaka izay nataon'i La Pastusita ao amin'ny tsanganana “Lo mismo que antes” [es] (Toy ny Taloha ihany).

Lab Social Blog mitsikera ny Kolombiana ho lasa manao vain-drahalahy tsy marary ka taratry [es] ny tsy firaharahiana sy ny fisian'ny tsimatimanota momba ny raharaha famonoana an'i Garzón:

“Sin Olvido Jaime Garzón” (Fahatsiarovana an'i Jaime Garzón). sarin'ny mpisera Flicker Gert Steenssens, alalana Creative Commons

Pasan los días, los años y solo contamos de forma repetitiva en los diarios que ha pasado un año más de impunidad y que aún no se desenmascaran los verdaderos autores de los grandes magnicidios de nuestro país.

Mandalo ny andro sy ny taona ary ny maneho hevitra ao amin'ny gazety amin'ny fiodin'ny taona iray indray izay tsy hanasaziana ny fahafatesan'i Jaime no hany mba ataontsika, ary mbola tsy azo aseho ireo tena namono tamin'ny famonoan'olona manandanja indrindra eto amin'ny firenentsika.

Ao amin'ny bilaoginy “Thinking Without Side-effects,” Rosa Cristina no manome voninahitra an'i Garzón [es] sy mahatsiaro ireo anjara birikiny, ka anisan'izany ny fanairana ny fahazoana firenena tsara kokoa:

Jaime se esforzó al máximo y de todas las formas que tuvo a su alcance, por despertarnos, por puyarnos para que nos moviéramos por impulsarnos a ser conscientes a ser actores de nuestro presente y futuro.

Niezaka indrindra i Jaime ary nanao ny fomba rehetra tratran'ny ainy hanairana antsika, hahatonga antsika hirotsaka an-tsehatra, hitarika antsika hahatsiaro saina sy ho mpikatroky ny aniontsika mbamin'ny ampitsontsika.

Ny mpanoratra ny bilogy Proyecto D, izay niantso ny tenany ho “Zorro del Desierto”, no niantso hananganana ny firenena tsara kokoa [es] amin'ny fanarahana ny lova navelan'i Garzón:

Garzón creía en la vida, creía en las instituciones, en la Constitución del 91, a pesar de todo creía en una nueva Colombia, creía en que esto se podía mejorar. El mejor homenaje que se le puede hacer hoy a Jaime, a todas esas víctimas anónimas, es el de hacer posible esa patria mejor, porque haciendo ese homenaje, a ese personaje que era Garzón en realidad estamos construyendo también Patria, democracia, o como sea que se llamen esas cosas, “tener un país, mínimamente más agradable”.

Nino ny fiainana i Garzón, nino ny rafi-panjakana, nino ny lalampanorenana Kolombiana 1991, na teo aza ny zava-drehetra, nino ny hisian'ny Kolombia vaovao ary nino fa mety hisy ny tsara kokoa. Ny fanatsiarovana tsara indrindra azontsika omena an'i Jaime anio, sy amin'ireo rehetra niharam-bono tsy fantatra anarana rehetra, dia ny hahatonga ity firenena ity ho tsara kokoa araka izay tratra, satria raha manao izany fomba fahatsiarovana izany amin'ilay lehilahy Garzón isika, dia hanangana tokoa ny Firenentsika, ny Demokrasiantsika, na mety antsoinao io hevitra io ho “manana firenena izay manana fahatsarana bitika”.

Manokana fahatsiarovana an'i Garzón ihany koa i Olga Lucía Lozano ao amin'ny La Silla Vacía amin'ny alalan'ny famoahana ny “Garzonpedia” [es] ahitana ny teny notsongaina 13 malaza nataony. Mamarana amin'ny alalan'ny teny notsongaina avy tamin'i Garzón izay nozarain'i Catalina Arbeláez ao amin'ny bilaoginy [es] i Lozano:

“En este país, el Estado existe o no existe. Existe para cobrarle a uno impuestos, IVA, valorización; pero no existe para darme seguridad social, empleo, seguro social, seguro médico, nada. Ahí no existe el Estado”.

“Eto amin'ity firenena ity, na misy na tsy misy ny Fitondrana. Misy izy hampandoa hetra, TVA,  na haba avy amin'ny renivolanao; saingy tsy misy izy hanome ahy fiarovana ara-tsosialy, asa, fitsaboana – tsy misy. Amin'ireo toe-javatra ireo, tsy misy ny Fitondrana.”

Ny hafa indray nahatsiaro an'i Garzón tamin'ny alalan'ny famoahana lahatsoratra indray[es] izay efa navoakan'ny gazety be mpamaky, na misy ireo mizara ny lahatsary ao amin'ny YouTube.

Velona ao am-pon'ireo Kolombiana ireo izay mahatsiahy azy hatrany sy mitaky ny rariny amin'ny raharaha mahazo azy ny fahatsiarovana azy sy ny lova navelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.