Nahatratra Vokatra Manatantara i Kolombia Tamin'ny Olaimpika Londra 2012

Vaovao farany (9 Aogositra 2012): Fotoana fohy taorian’ ny namoahana ity lahatsoratra ity, nandrombaka ny medaily faha enina ho an’i Kolombia i Jackeline Rentería tamin’ny lalao Olaimpika ao Londra 2012. Medaily alimo no azon’i Rentería tamin’ny taranja tolona.

Teo amin’ny tantaran’i Kolombia momba ny Lalao Olaimpika, ny lalao tao Londra tamin’ity taona 2012  ity no  taonan’ny Olaimpika nahavitàna ezaka tsara indrindra teo amin’ny firenena. Nihoatra noho ny ezaka vita nandritra ny lalao tany  Munich 1972, izay nahazoan’i Kolombia medaily volafotsy iray sy medaily alimo roa, sy tamin’ny lalao tany Sidney 2000, izay nahazoan’i Kolombia medaily volamena iray tamin’ny alalan’i Maria Isabel Urrutia ny zava-bitan’ireo delegasionina tamin’ity Lalao Olaimpika 2012 ity.

Tamin’ity lalao Olaimpika tao Londra ity, nandefa delegasionina mpanao fanatanjahatena maherin’ny  100 i Kolombia, izay ny delegasionina vehivavy  no nahazo  isan-jato be indrindra tao Amerika (57.8). Hatreto, tamin’ireo delegasionina vehivavy,  Yuri Alvear, mpanao judoka  nahazo medaily alimo  tamin’ny  taranja  judo ary nahazo  medaily volafotsy  kosa ilay atleta vehivavy  Caterine Ibarguen tamin’ny taranja vikina in-telo miantoana [Fanamarihana: Jereo ny vaovao farany eo ambony]. Tamin’ireo delegasionina Kolombiana  lehilahy kosa, medaily alimo no azon’i Oscar Muñoz tamin’ny taranja taekwondo, 58 kilao, ary medaily volafotsy roa : ny iray norombahin’Rigoberto Uran tamin’ny hazakazaka an’arabe, ary ny  iray kosa lasan’i Óscar Figueroa tamin’ny  “fibatana fonjamby” milanja 177 kg.

Ambony ny maoraly amin’ny  fanantenana mety hahazoan’ilay  mpandeha am-bisikileta Mariana Pajón medaily volamena, izay hanavotan'ny  Kolombiana ny toerany eo amin’ny  top 30  [tampony 30] amin’ny tantaran’ny  medaily  izay mety hihoatra lavitra tsy araka ny nampoizina koa aza.

Niteraka fientanam-po teo amin’ny vahoaka ny fahazoana ireo medaily dimy,  ka nahatonga azy ireo nizara ny hafaliany tamin’ny aterineto ho fankalazana ny ezaka lehibe vitan’ireo atletany. Nanampy tamin’ny fitateram-baovao,  ny fizarana sary, sy ny fanehoan-kevitra  ny tambazotra sosialy.

Marisol Ochoa (@marisol8acardon) manome lanja ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fanatanjahatena:

@marisol8acardon: Me enorgullece más que una mujer colombiana gane una medalla en los juegos olímpicos a que gane una corona por su belleza física.

@marisol8acardon: Mahatsiaro afa-po aho hoe medaily no azon’ny vehivavy Kolombiana tamin’ny lalao Olaompika fa tsy fehibory diadema noho ny faharatsaram-batany.

Mampisongadina ny zava-bitan’ireo vehivavy tao anatin’ny delegasionina, María Isabel (‏@Marita1899)  amin’ny maha-vehivavy azy, afa-po tamin’ilay vehivavy mpiray tanindrazana aminy Caterine Ibarguen:

@Marita1899: Caterine Ibarguen… Ejemplo de vida y ORGULLO COLOMBIANO!!

@Marita1899: Caterine Ibarguen… Ohatra eo amin’ny fiainana ary REHAREHAN NY KOLOMBIANA!!!

Nandritra izany, efa  naneho hevitra ilay mpanao gazety  Pablo (@pablodenarvaez7) tamin’ny 1 Aogositra tamin’ny fotoana nanombohan’i Yuri Alvear tamin’ny fifaninanana:

@pablodenarvaez7: La yudoka colombiana Yuri Alvear ya combate en los JJOO. ¡Atención!

@pablodenarvaez7:  Hifaninana amin’ny Lalao Olaimpika ilay Kolombiana  judoka Yuri Alvear. Tandremo!

María Nelly Prada (@marianellyprada),  tao anatin’izany, nankasitraka ny medaily vaovao azon’ilay tanora Oscar Muñoz tamin’ny taranja taekwondo:

@Maríanellyprada:  La imagen del día en los olímpicos para mi fue la de Oscar Muñoz… medalla de bronce, y sin tanta propaganda.

@Maríanellyprada: Oscar Muñoz amiko no tena dadany tamin’ny andron’ny  Olaimpika… medaily alimo, ary tsy dia nisy dokambarotra be loatra ny momba azy.

Mampisongadina ny fandraisan’anjaran’i Oscar Figuera,  mpisera  @HEVERTH5 nanoratra hoe:

@HEVERTH5: La constancia vale plata-La medalla al pesista Oscar Figueroa en los olímpicos de Londres

@HEVERTH5: Volamena no mendrika ho azon’i Oscar Figueroa amin’ny lalao  Olaimpika.

Paola Posso Vergara‏ (@PAOLAGAGAPOSSO) nivavaka ho an’i Rigoberto Urán:

@paolagagaposso: ¡Orgullosa de Rigoberto Urán!

@paolagagaposso: Afa-po tamin’i Rigoberto Uran!

Nametraka fitantarana manokana momba ireo medaily, ny atleta sy ny zava-bitany ny tao amin’ny Facebook sy ny bilaogy. Kanefa, na dia teo aza ireo fientanampo sy hafalindehibe, nisy ireo hafa nanao fampitahana mikasika ny fahasarotan’ny zava-misy atrehin’ny firenena.

Daniel Navia (@Daniel_Navia) nanoratra ity manaraka ity raha nandrombaka ny medaily volafotsy i Kolombia tamin’ny alalan’ilay mpandeha am-bisikileta Rigoverto Urán:

@Daniel_Navia: Colombia ya tiene una medalla de plata. Solo nos falta arreglar el sector salud, educativo y político para ser un país viable.

@Daniel_Navia: Nahazo medaily volafotsy ankehitriny i Kolombia.  Ankehitriny, mila mandamina tsara fotsiny  ny sehatry ny fahasalamana, ny fampianarana ary ny politika isika mba ho firenena  maha-te-honina I Kolombia.

Miller Castañeda D (@millercasta) nankasitraka ny zava-bitan’i Oscar Figueroa:

@Millercasta: Siempre será mejor una medalla de plata y récord olímpico para Colombia en pesas, a una medalla de oro en corrupción. Grande Figueroa.

@Millercasta: Tsara foana ho an’i Kolombia ny medaily volafotsy sy ny zava-bita mahafa-po tamin’ny Olaimpika, noho ny medaily volamena azo tamin’ny kolikoly.  Tsara ny vitan’i Figueroa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.