Maoritania: Mandà Ny Fandroahana Azy Ny Lehiben'ny Fitsarana Avo

Niatrika onjanà hetsi-panoherana mitombo izay mitaky ny fandravana ny fitondrana miaramila i Maoritania. Araka ny voalazan'ny mpanohitra[ar], toherin'ny fitondràna miaramila ny fisian'ny fanjakana misy rafitra ho fanampin'ny fikasany hifehy ny fitsarana.

Mandritra izany fotoana izany, nandà ny fanapahan-kevitra fanalàna azy amin'ny toerany alohan'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasàny ny lehiben'ny Fitsarana Avo ao Maoritania, Seyid Ould Ghailani. Ghailani, izay nipetraka teo amin'ny toerany efa roa taona izao, nandray ity didim-panjakana ity ho tetika fandravàna ny fitsarana sy fitsabatsabahana manala baraka ataon'ny fahefana mpanatanteraka anatin'ny raharahan'ny fahefan'ny mpanao lalàna. Namboraka ihany koa i Ghailani fa nanome toerana azy ho Masoivoho any Yemen ny Filohan'i Maoritania, ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz. Nolaviny izany tolotra izany, niaraka tamin'ny fampahafantaran'i Ghailani ny filoha fa hijanona amin'ny toerany izy hatramin'ny fahataperan'ny mandat-ny afaka telo taona.

Nilaza ihany koa izy fa lavina ireo fikasan'ny fahefana mpanatanteraka hitrandraka ny fahefan'ny mpanao lalàna ary tsy mahafeno ny filan'ny vahoaka na ny an'ny fanjakana na ny an'ny fitondrana.

Noraisin'ireo mpisolovava tao amin'ny firenena sy ireo mpanao politika tao Maoritania tamin-katezerana io fanilihana io. Tanatinà tafatafa ho an'ny Mpanao gazety, nilaza ny Kaomity Mpandrindra ny Mpanohitra [ar] hoe:

إن ما أقدم عليه الرئيس الموريتاني محمد ولد عبد العزيز من إقالة لرئيس المحكمة العليا قبل انتهاء مأموريته يعد خرقا سافرا للدستور، وإخلالا بمبدأ فصل السلطات، وحنثا لليمين التي أداها رئيس الدولة”. “إن إقالة رئيس المحكمة العليا رغم رفضه الاستقالة وتمسكه بصيانة القضاء يعد إجهازا حقيقيا من طرف أعلى هرم في السلطة لما تبقى “شكليا من مؤسسات الدولة، وبرهان على أن ادعاء الديمقراطية ادعاء وهمي، وأن حكم الفرد لايزال هو السائد في موريتانيا، ولايزال الاستبداد متحكما ومسيطرا على القرارات”.
Fandikan-dalàna manala-baraka tanteraka manoloana ny lalam-panorenana sady fandikana ny lalàna manasaraka ireo fahefana no koa fandikana ny teny nomen'ny filoha ny nataon'ilay Filoha Maoritaniana Mohamed Ould Abdel Aziz tamin'ny fanalàny ny lehiben'ny fitsarana avo talohan'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasàny. Ny fandroahana ilay lehiben'ny fitsarana avo, na dia teo aza ny fandavany sy ny fiziriziriany hitahiry ny fahefan'ny mpanao lalàna, dia raisina ho famonoana olona avo indrindra eo amin'ny fitondrana izay hany sisa tavela amin'ny rafitra ara-dalàna ary porofo fa teny famitahana fotsiny ihany ny hirahirainy ho demokrasia, mbola manan-danja be ny tenin'olon-tokana any Maoritania ary mbola manjaka amin'ny fanapahan-kevitra rehetra ny tsy refesi-mandidy.

Tamin'ny anjarany, niampanga ny hetsik'ireo manam-pahefana nanakana an'i Ghailani tsy hiditra ny biraony tany Nouakchott sy handray ny anjara asany ny filan-kevi-pirenen'ireo mpisolovava ary mandray izany fanapahan-kevitra izany ho tetika fandravàna ny fitsarana. Tsy io raharaha fandroahana io no tantara voalohany miteraka olana amin'ny resaka lalàna tany Maoritania satria nandroaka  iray amin'ireo mpitsara [ar] ihany koa ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, olana iray izay notsikerain'ny tontolon'ny lalàna sy ny politika.

 صورة من رئيس المحكمة العليا المقال

” Sarin'ilay lehiben'ny fitsarana avo voaroaka, avy ao amin'ny bilaogy ” “May you Wake up on  a nation” Mba hifoha ao anatinà firenena iray ianao تصبحون على وطن

Amin'ny fitsikerany io raharaha io, nilaza ny mpanoratra sady mpitoraka bilaogy Mohammed Al Amin Ould El Vadel:

إن هذا القرار ذكرني تلقائيا، وبتلقائية قد لا تكون بريئة، إن كانت هناك أصلا تلقائية غير بريئة، بقرار إقالة القاضي”افتخار شوردي” رئيس المحكمة في باكستان في عهد الجنرال “برويز مشرف”، والذي أثار قرار إقالته حراكا واسعا في باكستان، أدى في النهاية إلى استقالة الجنرال “برويز مشرف” من رئاسة باكستان، في يوم 18 أغسطس 2008، أي قبل انقلاب “ولد عبد العزيز” بأيام معدودة.
Nampahatsiahy ahy tampotampoka tena tanaty fahatampohana mety tsy ho tsy manan-tsiny tokoa iny fanapahan-kevitra handroaka ny mpitsara Iftikhar Chourdy iny, lehiben'ny fitsarana avo tany Pakistàna nandritra ny fitondran'ny Jeneraly General Pervez Musharraf tany Pakistàna izay nitarika hetsi-panoherana maro avy amin'ny mpanohitra tao amin'ny firenena, araka ny zava-nisy, dia nitarika ny fialàn'ny Jeneraly Musharraf teo amin'ny fitondrana an'i Pakistàna ny 18 Aogositra 2008, izany hoe andro vitsy monja talohan'ny fanonganam-panjakana  Ould Abdel Aziz

Nitoraka bitsika mafonja momba ity olana ity ny mafana fo Maoritaniana iray, Taha Al Hafedh: ‏

@TahaAlhafedhفهم عزيز للديموقراطيه سطحي, فهي تعني مؤسسات وسلطات ثلاث لايحق لهم التدخل في عمل بعضهم وهذا ما لم يفي به عندما أقال ولد الغيلاني!
Manjavozavo ihany ny fahatakaran'i Abdel Aziz ny demokrasia  ho an'ireo rafitry ny fitaovan'ny demokrasia sy ny fahefana telo izay tsy afaka mifampiditra amin'ny anjara asany avy ary zavatra iray tsy najainy izany tamin'ny fandroahany an'i Ould Al Ghailani
@TahaAlhafedhولكن إذا كنا نتحدث عن دولة الجنرال فتصرف من قبيل إقالة رئيس المحكمة العليا يصبح أمر طبيعي وعادي لأننا لا نتحدث عن دولة مؤسسات
Nefa raha miresaka momba ny toe-batan'ny Jeneraly isika dia toa lasa natoraly sy mahazatra ny fihetsika sahala amin'izany satria tsy miresaka ny toerana misy ireo rafitra isika

Ho azy kosa,  nitoraka bitsika koa i Mejd Ahmed:

@mejdmr رئيس المحكمة العليا المعين كان محاميا للسنوسي وحضر اعتصام المحامين للتضامن مع الرئيس “المقال تعسفا” يوم أمس قبل تعيينه في مكانه.
Mpisolovava tao Sennousi ny lzhiben'ny fitsarana avo ary nanatrika ny fitokonan'ireo mpisolovava naneho firaisankina tamin'ilay lehiben'ny fitsarana noroahana tsy an-drariny ny omalin'io talohan'ny nanendrena azy ho eo amin'ny toerany

Nanampy ny mafana fo Ahmed Salem:

‏@Sirius_MR السيد ولد الغيلاني لم يكن يوما محببا من القضاة أو من المحامين … تضامنهم معه نصرة للقانون ولأنفسهم لا لشخص السيد !
Tsy tian'ireo Mpitsara sy ireo mpisolovava mihitsy i Seyid Ould Ghailani hatramin'izay. Fandresena ho an'ny lalàna sy ho azy ireo manokana ny fanehoam-piraisankinan'izy ireo taminy fa tsy noho ny amin'ny tenany manokana.

Tsy afaka nangina ihany koa i Bab Ould tamin'ity raharaha ity. Nitoraka bitsika izy:

‏@babadeye بعد عسكرة المؤسسات التعليمية، الجنرال عزيز يبدأ هذا الصباح بعسكرة المؤسسات القضائية.
Taorian'ny fanaovana ireo rafitra fampianarana haka loko miaramila, efa manomboka mandoko ny fanaovan-dalàna ho ara-miaramila ihany koa ny Jeneraly Aziz tamin'ity maraina ity.

@babadeye الجنرال ‎‫عزيز لم يسلط الله عليه أسوء من نفسه،فهو يخلق المشاكل لنفسه بنفسه كل يوم،لقد حول ‎‫ولد الغيلاني من صديق إلي عدو وجعله بطلا.
Tsy nanome fahavalo ratsy ho an'ny Jeneraly Aziz mihoatra noho ny tenany Andriamanitra. Manangana olana ho an'ny tenany izy isanandro. Namadika an'i Ould Al Ghailani hiala amin'ny maha-namany ho lasa mpifanditra aminy izy ka nahatonga azy ho olo-malaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.