Iran: Raha Mamono Ny Horohorontany, “Mivavaka Ny Fahitalavitra”

Horohorontany roa mahery vaika no namely ny faritra avaratra andrefan'i Iran, ny faritany Azarbaijan atsinanana tamin'ny Sabotsy (11 Aogositra 2012), nahafaty olona 250 ary naharatràna manodidina ny 1.800. Ireo horohorontany ireo dia nanana tanjaka 6.4 sy  6.3, namela takaitram-paharavàna sy hirifiry. Nibosesika tao amin'ny aterineto ireo Iraniana mba hisaona ireo nafoy sy hiantso fanomezan-drà ary fanampiana. Naneho ny hatezerany ihany koa ry zareo tao amin'ny fahitalavi-pirenena Iraniana, izay nandefa fandaharana ara-pivavahana, raha tokony ho mba nandefa ho hitan'ny mpijery  ireo vaovao mikasika ny horohorontany sy ny fomba azo atao hanampiana.

Loharano: Fanentanana Iraisam-pirenena Momba ny Zon'Olombelona tao  Iran

Damavandiyeh manoratra hoe [fa]:

Mbola marobe ireo olona tavela any ambany korontana any amin'ny tanàna samihafa any. Ireo fantsom-pahitalavi-panjakana rehetra [tsy misy fantsona tsy mainkina izany any ] dia samy nandefa fandaharana ara-pinoana avokoa, fa tsy mba niantso ny olona hanampy. Ny solontenan'ny Mpitondra Ambony Iraniana any Azarbaijan atsinanana niteny hoe iny horohorontany iny dia fampahatsiahivana antsika ny “Andron'ny Fitsaràna Farany’.

Green City manampy hoe [fa]:

Any ambany korontany any mila vonjy ny olona, nefa ny fantsom-pahitalavitra Iraniana mandefa fandaharana ara-pinoana [Dua'a Jawshan Al Kabir] ary ny iray tamin-dry zareo ireo dia nanindrahindra ny “Arodano i Etazonia’ [teny fanentanana]…

Aandishe misaintsaina ny amin'ilay loza, manontany tena ny amin'ny tsy mba nakàna lesona tamin'ny tsy nety efa niainana :

Ny tsirairay amin-tsika dia mety ho eo amin'izany toerana izany… nahoana isika no tsy naka lesona avy amin'ireo horohorontany nisy tany aloha… henatra ho an'ireo izay niseho fahitalavitra sy niresaka mikasika ny zava-bitany ho fampitomboana ny hamafin'ireo tranobe mba hiatrehana ny horohorontany eto Iran.

Bidad mizara[fa] fahatsapana mitovy amin'izay :

Tapaka daholo ny fifandraisana amin'ny telefôna, rava ny antsasaky ny faritany ary ny resaka rehetra anaty fahitalavitra dia resa-pinoana toy ny fifadian-kanina fa tsy mba nampahafantatra ny vahoaka mikasika ilay horohorontany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.