Shily: Fisalasalàna Ny Amin'izay Loharano Nipoiran'ny Herisetra Tamin'ny Hetsi-Panoheran'ny Mpianatra

Tamin'ny Alarobia 8 Aogositra 2012 lasa teo, an'arvonyireo mpianatra nanandrana nidina an-dalambe tao amin'ny làlana Alameda ao afovoan-tananan'i Santiago tainà hetsika iray tsy nahazo alàlana. Rehefa nihevitra ny hanomboka hizotra ho any amin'ny Plaza Los Héroes (Heroes Plaza) ry zareo, nanomboka nitifitra rano sy entona mandatsa-dranomaso tany amin'ireo manao fihetsiketsehana ireo Carabineros (polisim-pirenena any Shy) hanakanana an-dry zareo tsy hanohy. Nanapa-kevitra ny hiverina ireo andiam-pianatra mba hisorohana ny fifandonana; kanefa, nisy andian-jiolahimboto nisaron-tava namaly tamin'ny fanafihana fiarabe fiateram-bahoaka niisa telo, nandrahona ny mpandeha sy ny mpamily, nitoraka vato ireo fiarabe, ary taorian'izay dia nandoro ireo fiara.

Ireny fihetsika mahery setra ireny dia nitarika ny governemanta hiampanga [es] ireo mpianatra ho nanome vahana ny korontana tamin'ny hetsi-panoherana nataon-dry zareo, raha ny sasany amin'ny mpanao hetsi-panoherana kosa nanontany tena raha toa ka tetika efa tena voaomana marina ny nisian'ireny jiolahimboto ireny mba hisarihana ny sain'ny vahoaka amin'ny fanekena ny Lalàna Mandràra ny Hetsi-Panoherana na ny Lalàna Hinzpeter izay dinihana ao amin'ny Kaongresy amin'izao fotoana. Ary koa, ny fiampangan'ny Federasionan'ny mpianatry ny Anjerimanontol ao Shily (FECh) nilaza fa notofirin'ny polisy entona mandatsa-dranomaso ny foiben-toeran-dry zareo tamin'iny andro iny, dia nanampy trotraka ny resabe.

Fiarabe fitateram-bahaka nirehitra nandritra ny hetsi-panoheran'ny mpianatra ny 8 Aogositra 2012. Sary an'i Mario_Tellez Tellez, fizakà-manana Demotix

Gabriel Boric (@gabrielboric) [es], filohan'ny FECh , nanontany hoe :

@gabrielboric: Creo q quema d micros es #montaje. ¿Q hace una micro vacía en 1/2 d la calle justo mientras se tramita ley Hinzpeter?http://www.sentidoscomunes.cl/diario/2012/08/miles-de-estudiantes-ya-estan-en-plaza-italia-por-el-8deagosto/ …

@gabrielboric: Heveriko fa #montaje (zava-noforonina) ny fandoroana ireo fiarabe mpitatitra. Tsy hafahafa ve izany hoe fiarabe mpitatitra tsy misy olona nefa eny afovoan'ny arabe ary amin'ny hiresahana indrindra ny lalàna Hinzpeter? http://www.sentidoscomunes.cl/diario/2012/08/miles-de-estudiantes-ya-estan-en-plaza-italia-por-el-8deagosto/ ….

Gonzalo Cid Vega (@gonzalocidv) [es], mpitarika ny Sexual Diversity Movement – Hetsiky ny fahasamihafàna ara-pananahana (MUMS) dia nandeha lavidavitra kokoa ary nanameloka ireo fihetsika ireo :

@gonzalocidv: #Yoapoyoalosestudiantes y condeno los montajes, como queman tantos buses en las narices de carabineros..

@gonzalocidv#Yoapoyoalosestudiantes (Manohana ny mpianatra aho) sy manameloka ny famoromporonana, ahoana koa no handoroan'izy ireo fiarabe maro eo imason'ny polisy.

Amin'ny lafiny iray, Alfonso Henriquez (@alfonsohenri) [es] dia nanondro ny rafi-panabeazana Shliana raha nanoratra momba ireo fiampangàna ny famoronana tetika :

@alfonsohenri: #yoapoyoalosestudiantes porque el peor montaje de todos es el injusto sistema educacional chileno.”

@alfonsohenri#yoapoyoalosestudiantes (Manohana ny mpanatra aho) satria ny famoromporonana ratsy indrindra amin'izy rehetra ireo dia ny rafi-pampianarana Shiliana tsy ara-drariny”

Ny tranonkalan'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra Sentidos Comunes dia nanangna sary sy fanehoam-pijery avy amin'ireo mpikirakira terinet momba ilay hetsi-panoherana ato anatin'ity fampakàra sary ity, izay ahitànatranga-javatra sartra sy mampisalasala maro nasongadina ary nitondràna fanakianana tany anaty tambajotra sosialy isan-karazany tany taty aoriana kely. Ilay mpampiasa Twitter, Movilízate Chile (Mitenena ry Shily) dia nizara ihanykoa itylahatsary iy izay mampiseho fiarairay an'ny polisy mitatitra kodiarana eny akaikin'ny toerana iray izay nambara fa nisy korontana avy eo :

Karol Jesús Lucero V (@Karol_LuceroV) [es], mpanolotra amin'ny TV, dia nanoratra manohitra ny herisetra manamafy izay efa nokianin'ny maro tany anaty tambajotra sosialy tany.

@Karol_LuceroV: #YoApoyoalosEstudiantes pero Jamás a los delincuentes encapuchados que empañan el común denominador del movimiento… Basta de Violencia!

@Karol_LuceroV: #YoApoyoalosEstudiantes (Manohana ny mpianatra aho) fa tsy ireo jiolahimboto nisaron-tava velively akory izay nanimba ny tena anton'ny hetsika…Atsaharo ny herisetra!

Simón Boric Font (@sboric) [es] dia nanohana ilay tsy fanekena sy nanao izao filazana mazava izao :

@sboric: La violencia no le hace bien al movimiento. La FECh, @gabrielboric y Camila han sido enfáticos en ESO. Condenada 1 y mill veces.

@sboric: Tsy tsara ho an'ny hetsika ny herisetra . Hentitra ny FECh, @gabrielboric sy Camila momba IO.  Reprehend (violence) 1 and an thousand times…..@ Sboric : la violence ne sert à rien le mouvement. Fech, @ gabrielboric et Camila ont été emphatique sur les TI. Tohero in-jato amin'arivo (ny herisetra).

Nykaonty ofisialin'ny tarika mpiangaly mozikaIllapu (@illapu) [es] dia nanindry mafy ny andraikitry ny polisy :

@illapu: Sede de la FECH esta sitiada por las FFEE q lanzan bombas lacrimógenas están los dirigentes dentro, si esto no es provocar, que es entonces?

@illapu: Nataon'ny FFEE (Hery Manokana) fahirano ny foiben-toeran'ny FECH, izy ireo izay nitifitra entona mandatsa-dranomaso tamin'ny fotoana naha-tao anatiny ireo mpitarika, ka raha tsy fandranitana izany, dia inona ary e?

Izay novalian'ilay ‘designer’ Jacque Torrejón (@jacque_83) [es] hoe :

@jacque_83: @illapu quemar micros no es provocar? si hay delincuentes en la confech no hay que sacarlos? PFFFF

@jacque_83@illapu tsy fandranitana veny fandoroana fiarabe fitaterana? raha nisy mpanao heloka bevava tao anatin'ny confech, tsy tokony ho navoaka avy ao ve ry zareo? PFFFF

Mandritra izany ny Minisitry ny Atitany, Rodrigo Hinzpeter, tao anatinà tafatafa tamin'ny fahitalavitra, dia nilaza [es] ho  “kidaladala ny filazana fa hoe zavatra efa nomanina ny fandoroana fiarabe fitaterana” ary nanampy  “misy mpitarika vitsivitsy izay raha amin'izao sehatra izao dia sahala amin'ireo mpitarika politika satria lany bàla tsy manana  fandaharan'asa voafaritra mazava intsony ry zareo hatramin'ny niheverana azy rehetra ireo ho mba matotra tao amin'ny Kaongresy”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.