12 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 12 Aogositra 2012

Shily: Fisalasalàna Ny Amin'izay Loharano Nipoiran'ny Herisetra Tamin'ny Hetsi-Panoheran'ny Mpianatra

  12 Aogositra 2012

Tamin'ny Alarobia 8 Aogositra 2012 lasa teo, an'arvonyireo mpianatra nanandrana nidina an-dalambe tao amin'ny làlana Alameda ao afovoan-tananan'i Santiago tainà hetsika iray tsy nahazo alàlana izay niafara tamin'ny fandorana fiarabe fitateram-bahoaka niisa telo. Ireny fihetsika mahery setra ireny dia nitarika ny governemanta hiampanga [es] ireo mpianatra ho nanome vahana ny korontana tamin'ny hetsi-panoherana nataon-dry zareo, raha ny sasany amin'ny mpanao hetsi-panoherana kosa nanontany tena raha toa ka tetika efa tena voaomana marina ny nisian'ireny jiolahimboto ireny.

Arzantina: Fandalinana Vaovao Handinihana Ny Fiantraikan'ny Fampiharana Ny Fanaraha-maso Ny Aterineto Eo Amin'ny Zon'Olombelona

GV Mpisolovava  12 Aogositra 2012

Ny "Online surveillance: What does monitoring and detecting content on the Internet mean? / Inona no dikan'ny fanaraha-maso sy fitsongoana dia ny votoaty ety anaty Aterineto?" dia lahatsoratra vaovao fandinihana vaovao nataon'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Miteny sy ny Fahazoana Vaovao (CELE) ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo, Arzantina

Iran: Raha Mamono Ny Horohorontany, “Mivavaka Ny Fahitalavitra”

.Horohorontany roa mahery vaika no namely ny faritra avaratra andrefan'i Iran, ny faritany Azarbaijan atsinanana tamin'ny Sabotsy (11 Aogositra 2012), nahafaty olona 250 ary naharatràna manodidina ny 1.800. Nibosesika tao amin'ny aterineto ireo Iraniana mba hisaona ireo nafoy sy hiantso fanomezan-drà ary fanampiana. Naneho ny hatezerany ihany koa ry zareo tao amin'ny fahitalavi-pirenena Iraniana, izay nandefa fandaharana ara-pivavahana, raha tokony ho mba nandefa ho hitan'ny mpijery ireo vaovao mikasika ny horohorontany sy ny fomba azo atao hanampiana.

Bahrain: Mibitsika Ireo Fepetra Tsizarizary Ao Amin'ny Fonjaben'i Jaw

Miara-mivondrona ao amin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto Bahraini mba hisarihana ny saina amin'ireo fepetra tsizarizary ao amin'ny fonjaben'i Jaw, izay ahitàna mpanao politika voafonja, ankoatra ireo hafa. Taorian'ny fanampenam-bava ny hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011, dia olona anjatony no voasambotra, notsaraina sy naiditra am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoherana ny governemanta.

Manatanteraka Ny Nofinofy Olaimpikan'i Grenade i Kirani James

  12 Aogositra 2012

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, norombahan'i Kirani James ny medaly volamena tamin'ny hazakazaka 400m lehilahy tamin'ny Lalao Olaimpika , tamin'ny ampaham-potoana 43.94, mametraka azy ho ny olona voalohany avy any Grenade sy ny Fikambanan'ireo Firenena Karibeana Tatsinanana nahazo medaly Olaimpika toy izany. Mankalaza ny faritra.

Paragoay: Niainga Tamin'ny Asa An-tery Vaimanta, Lasa Mpitarika Ny Teratany

Rising Voices  12 Aogositra 2012

Fony mbola dimy taona i Margarita Mbywangi dia nesorina teo anatrehan'ireo ray sy reniny ary namidy im-betsaka ho mpiasa an-trano tsy araka ny sitrapony tany amin'ny tranon'ireo Paragoaiana sangany. Lasa mpitarika nanana ny lanjany ho an'ireo teratany Aché izy sady lasa Kabinetra taminà Minisitera. Mpandray anjara amin'ny tetikasa Rising Voices mba hampiasana ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra hizaràna ny tantarany i Mbywangi amin'izao fotoana .