Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitray manokana mikasika ny Lalao Olaimpika Ao Londona 2012 .

Herinandro izay no lasa hatramin'ny fiantombohan'ilay Lalao Olaimpika 2012 tao Londona, raha toa iadian'ny  Shina sy ny Amerika mafy ny isan'ny medaly,  i Amerika Afovoany  koa dia mba niaina fotoam-pifaliana sy fotoam-panantenana tamin'ilay  fandresena kely, tanaty fitarainana amin'ny tsy fahampiana tohana sy ny fampitahàna  mivandravandra be an'ireo atleta tsara fiomanana sy ireo sasany miahy tena amin'ny ampahany.

Ireo tambazotra sosialy dia tena nanampy be tokoa tamin'ireo Lalao Olaimpika , izay nahafahan'ny olona rehetra naneho ny heviny , ny fitarainany ary ny nofinofiny ny amin'ny hoe hitondra medaly hody ihany i Amerika Afovoany aorian'ireo Lalao ireo. Indreto ny sasany amin'ireo teboka nasongadina hatramin'izao fotoana izao.

Goatemalà

Miaraka aminà delegasiona iray ahitana Atleta sivy ambiny folo, dia i  Kevin Cordon sy Ana Sofía no solontenan'i  Goatemalà mahay indrindra tamin'ity herinandro ity. Tafakatra tamin'ny dingana manaraka tamin'ny Badminton i Gordon ary tena niady mafy talohan'ny nahavoahilika azy. Naneho ny fahafahampony sy ny reharehany  tamin'ity fandraisany anjara ity ireo mponina ao Goatemalà, araka ny filazan'i Mario Santizo (@mario_santizo) [es], izay nanoratra bitsika mahafinaritra taorian'ilay fandresena voalohany :

(@mario_santizo) Kevin Cordon gano su primer partido Felicidades #OrgulloChapin

(@mario_santizo) [es] Nandresy tamin'ny lalaony voalohany i Kevin Cordon. Arahabaina #OrgulloChapin

Fanampin'izay, ilay “gymnaste” Ana Sofía izay tafakatra amin'ny Famaranana amin'ny  “gymnastiques” , ary na dia voahilika aza izy, dia nanandratra avo ny anaran'i  Goatemalà, araky ny hevitr'ireo olona ampolony maro tao amin'ny Twitter. Roba Mentes (@RobaMentes) [es] nanoratra hoe :

(@RobaMentes) ¡FELICIDADES ANA SOFÍA GÓMEZ! ¡GRACIAS POR PONER A GUATEMALA EN ALTO!

(@RobaMentes) ¡ARAHABAINA ANA SOFIA GOMEZ!  ¡MISAOTRA AMIN'NY  FAMPIAKARANA AVO AN'I GOATEMALA!

Honduras

Honduras dia nahatratra ny teboka fara-tampony tamin'ity herinandro ity  rehefa  naharesy  ilay ekipa matanjaka avy ao Espana tamin'ny baolina kitra ny ekipan'izy ireo. Honduras no hany firenena avy ao Amerika Afovoany izay  mandray anjara amin'ny  fanatanjahantena iraisana . Tafaraka amin'i Maraoka sy Japana i Honduras, voasokajy hiatrika ny lalao manasa-dalana hifanandrinana amin'ny  kalàza iray : Brezila.

Ilay bilaogera Fabricio Estrada dia manoratra momba izany tao amin'ny  bilaoginy Bitácora del Párbulo [es] tamin'ny filazana hoe na dia ao anaty sarotra aza ny firenen-dry zareo, mbola misy fotoana hiorakorahana ny baolina maty sy hankalazana ireo zava-bitany :

Qué días más difíciles en los que nos toca verles triunfar, compitas, y aún así, siempre, siempre, nos detenemos, hacemos pausa para gritar en silencio, con un orgullo extraño, olímpico, imposible de explicar, y una vez que sabemos que somos los mismos hermanos despojados de todo, me sumo al equipo humilde, al que muestra al mundo lo que podemos lograr y celebrar desde la nada impuesta. Arriba los humildes, arriba los pobres del mundo que siempre damos las grandes lecciones!!

Na dia tanaty andro sarotra aza no nahitanay ny fandresenareo, ry rahalahy, ary na dia izany aza, mijanona manohana izahay, ary miato kely mihoraka anaty fahanginana , miaraka amin'ny rehareha hafahafa, Olaimpika, izay tsy hay hazavaina, ary vantany vao fantatray fa isika no ireo mpirahalahy ilay ahilikilika amin'ny zavatra rehetra , dia manatevin-daharana ny ekipa aho, ilay hany sisa mampiseho amin'izao tontolo izao ny zavatra azontsika tratrarina ary mankalaza miainga amin'ny tsy misy terena hiainana. Ho ela velona anie ny olona tsara fanahy, ho ela velona anie ny mahantra avy amin'izao tontolo izao izay manome lesona lehibe mandrakariva!

Nikaragoa

Ny fisongadinan'i  Nikaragoa tamin'ity herinandro ity dia i Osmar Bravo no nitondra azy, izay sambany mihitsy nahazo ny fandresena tamin'ny taranja ady totohondry ho an'ny firenena any Amerika Afovoany. Mbola manohy ny fifanintsanana ilay mpanao ady totohondry ary mety hadisoam-pijery sy hahazo medaly.

Amalia del Cid (@AmaliadelCid) [es] mankalaza ilay tranga ao amin'ny kaontiny Twitter :

(@AmaliadelCid) Osmar Bravo, la primera victoria de#Nicaragua en el boxeo olímpico en los últimos 20 años. #Londres2012 @JJOO

(@AmaliadelCid) [es] Osmar Bravo, fandresena voalohany ho an'i #Nicaragua tamin'ny Ady totohondry  Olaimpika tato anatin'ny 20 taona.#Londres2012 @JJOO

Mbola misy herinandro vitsivitsy no hanatanterahana ny Lalao Olaimpika ary i Amerika Afovoany dia tsy hiraviravy tànana ny amin'ny fanantenana hahazoana medaly iray.  Hanomboka amin'ny faran'ity herinandro ity ny fifaninanana eny ambony kianja sy nyhazakazaka, izay ahitàna delegasiona atleta mafonja avy ao Amerika Afovoany , antenain'ny rehetra amin'izany  i Isthmus.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ilay tatitray manokana mikasika ny Lalao Olaimpika Ao Londona 2012 .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.