Indonezia: Mpilalao Diso Fotoana Tamin'ny Fanombohany Ny Lalao Olaimpka

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny lalao Olaimpika 2012 atao any Londona ity.

Amin'ny mponina miisa 220 tapitrisa, mpifaninana 22 fotsiny no nalefan'ny Indonezia hifaninana amin'ny taranja ara-panatanjahantena fito atao amin'ny lalao Olaimpika any Londona 2012 . Voatsikera ny isan'io solontena  io rehefa nambara fa mpiandraikitra ara-panatanjahantena 54 koa, izay avo roa heny amin'ny isan'ny mpilalao, no manatrika ireo lalao.

Diaz Kusumawardani, 16 taona, iray amin'ireo mpilalao Indoneziana tanora indrindra no hifaninana amin'ny  tifitra 10 metatra sokajy vehivavy.  Nahazo ny karatra ho any amin'ny lalao Olaimpika i Diaz rehefa nahatratra ny isa 388 fetra ilaina tamin'ny fiadiana ny ho tompondakan'i Azia amin'ny tifitra tany Doha, Qatar, ny volana Janoary teo, ary noheverina ho efa vonona ny hiatrika ny lalao Olaimpika ataony voalohany any Londona  izy.

Niala aloha tamin'ny filaharana nandritra ny lanonam-panokafana aza izy noho ny fotoan-dehibeny.

Atleta Indoneziana Diaz Kusumawardani. Sary avy amin'ny pejin'ny twitter  an'i Diaz

Nefa rava ilay fiomanany ny ampitso maraina, araka ny bitsika  tao amin'ny kaontiny manokana amin'ny Twitter. Toa  hoe, ny mpanazatra azy no niteny taminy fa manomboka amin'ny 9 ora maraina ny fifaninanana. Rehefa tonga teny an-toerana, Royal Artillery Barracks, izy ireo dia nahita fa efa nanomboka tamin'ny 8 ora sy 15mn maraina ny fifaninanana ary ny atleta sasany efa manomana ny fitaovany sahady.

Hazavainy ao amin'ny kaontiny amin'ny Twitter ilay rotoroto vao maraina : [Id]

@diazdkw Great ya, datang telat hasil tak maksimal.

@diazdkw: Goavana, diso fotoana ary tsy nahatratra ny vokatra farany ambony tokony ho tratrarina.

@diazdkw Yang bilang tanding jam 9 itu siapa ya? Uhuk ga ikut TM sir

@diazdkw: Iza no niteny fa manomboka amin'ny 9 maraina ny fifaninanana?  Nanatrika ny fivoriana ara-teknika ve ianareo ?

@diazdkw Jangan sampe kesalahan tolol ini terjadi lagi ya, atlet dan pelatih harus tau tanding jam berapa. Jangan sampr misscom dan lebih profesional

@diazdkw: Amin'ny manaraka, mba ialao azafady io hadisoana adaladala io.Tsy maintsy mahalala ny ora marina hahatongavany eny amin'ny toerana hanaovana ny fifaninanana ny mpanazatra sy ny mpifaninana. Tandremo ny tsy fahazoan-dresaka ary mba manaova zavatra matihanina kokoa .

Amin'ny mpifaninana 56, Diaz no alohan'ny farany. Ny tsikerany sy ilay olana dia nanjary resa-be teo amin'ny haino aman-jery mahazatra sy media sosialy.

@zenrs Dg jumlah official 2 kali lipat lebih banyak dr jumlah atlet, masih ada cerita atlet datang mepet ke arena. Ngapain aja di sana official?

@zenrs: Amin'ny fisian'ny mpiandraikitra betsaka noho ny mpilalao, dia tahaka izao ny toerantsika, diso fidirana ao amin'ny toerana hanaovana ny fifaninanana ny mpilalao. Inona no ataonareo ao ry mpiandraikitra ?

@AyuWidy Diaz Kusuma satu2 nya atlit tembak Indonesia di Olimpiade telat dateng ke venue. Bener2 konsisten bawa budaya ngaret. Anda luar biasa!

@AyuWidy: Diaz Kusuma no hany mpilalao Indoneziana amin'ny tifitra,  nefa diso fidirana tao amin'ny toerana hifaninanana izy. Dia tena mifandray marina amin'ny famoahana ny kolontsaintsika amin'ny famehezana ny fotoana. Mahatalanjona ianareo!

@ayshardzn Diaz Kusuma, Indoneziana voalohany mifaninana any Londona (Tifitra) tara adiny iray ny fahatongavany tao amin'ny toerana filalaovana. Faha 55 amin'ny 56. Tara adiny iray ! #London2012

@khalidolit Atlet cabang nembak, Diaz Kusuma telat sejam ke venue. Karena telat adalah budaya bangsa.

@khalidolit: Diaz Kusuma, mpilalao amin'ny tifitra, tara ora iray tao amin'ny toerana hifaninanana. Satria ny hadisoam-potoana dia kolontsain'ny firenentsika.

Ny alatsinainy teo, nampiasain'i Diaz  indray ny twitter hanazavany fa tsy adin'ny iray taorian'ny fifaninanana izy vao tonga fa vao hanomboka ny fifaninanana no tonga izy.

@diazdkw konfirmasi ya, saya tidak telat sejam ke RAB. tolong dong jangan terlalu membesar2kan.

@diazdkw: Tiako hamafisina, tsy tonga adin'ny iray taoriana tany amin'ny RAB [ny toerana hanaovana ny fifaninanana] aho. Miangavy aza ankalazaina izany.

@diazdkw saya tidak pernah marah atau menyalahkan siapapun tentang hasil saya kemarin, saya minta kepada semuanya jangan membesar2kan ini.

@diazdkw: Tsy tezitra na manameloka na iza na iza aho ny amin'izay vitako omaly fa miangavy ny olona mba tsy hankalaza izany.

Medaly volamena enina no voaangon'i Indonezia teo amin'ny tantaran'ny lalao Olaimpika, izay avy amin'ny taranja badminton avokoa.

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay amin'ny lalao Olaimpika 2012 atao any Londona ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.