11 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 11 Aogositra 2012

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

  11 Aogositra 2012

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Indonezia: Mpilalao Diso Fotoana Tamin'ny Fanombohany Ny Lalao Olaimpka

  11 Aogositra 2012

Ilay Indoneziana vao handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona dia nanjary adihevitra be satria diso fotoana ilay mpilalao tamin'ny fifaninanana tifitra. Notantarain'ilay mpilalao tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter io . Naneho ny hasorenany sy ny hazendanany tamin'io tranga io ireo mpiserasera anaty aterineto.

Ejipta: Maizina Ao Kairo

Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy amin’ny manampahefana, fantatry ny olona ihany anefa hoe noho ny fampihenana ny  vesatry ny milina mpamokatra herinaratra no anton’ny  fahatapahan’ny...

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Fanonganam-panjakana Voalohany Nataon'ny Miaramila Teo Amin'ny Firenena

Manamarika ny faha34 taonan'ny fanonganam-panjakana voalohany nataon'ny miaramila tany Maoritania ny 10 Jolay 2012, raha nanongana ny Filoha Moktar Ould Daddah ny miaramila. Mahatsiaro ny tsingerintaonan'ny fanonganana tamin'ny 1978 ireo mafana fo Maoritaniana, amin'ny alalan'ny fitorahana bilaogy sy bitsika mikasika izany, ary ny fanakianana ny lalàna miaramila any Maoritania.