Hong Kong: Voatafika Ny Biraon'ny Fanaovan-Gazetin'Olon-tsotra

Ny 8 Aogositra 2012, lehilahy  4 nisaron-tava no niditra amboletra tao amin'ny biraon'ny vondron'ireo miaro ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra ary namotika ireo solosaina fitaovam-piasàna tao [Fampahafantarana: mpikambana ao amin'izany ny mpanoratra ity lahatsoratra ity amin'ny teny Anglisy]

Ny Hong Kong In-Media ilay fikambanana, fikambanana tsy mitady tombontsoa ary mikendry ny hampiroboroboana ny fampahalalam-baovao avy amin'olon-tsotra tsy miankina ao Hong Kong. Hatramin'ny 2005, nanohana tetikasam-pampahalalam-baovaon'olon-tsotra isan-karazany tao an-toerana ilay fikambanana, isan'ireny ny tranonkalam-baovao tsy miankina : inmediahk.net, izay andianà mpamoaka lahatsoratra, mpanangom-baobao sy mpanoratra  mirotsaka an-tsitrapo no manodina azy. Lahatsoratra feno kiana mahery vaika atao amin'ny governemanta sy ireo eo amin'ny fitondrana no ao anatin'ireo tranonkala.

Ny tolakandro tokony ho tamin'ny 1 ora 20mn no niseho ilay fanafihana, teo imason'ireo vehivavy roa mpitantana ao, mpianatra miana-draharaha ny iray tamin'izy ireo. Samy nivarahontsana izy roa. Raisin'ny polisy ao an-toerana ho toy ny fanimbàna miharo heloka bevava ny zava-mitranga.

Araka ny ambaran'ny iray amin'ireo mpitantana, naharay antso izy tokony ho tamin'ny 11 ora antoandro, lehilahy iray milaza te-hitsidika ny birao sy hanolotra fanomezana. Teo amin'ny manodidina ny 1 ora sy 20mn, tolakandro, naneno ny lakolosin'ny birao ary lehilahy iray nitondra saron-tava fiarovana amin'ny gripa no nijoro teo ivelan'ny birao. Nihevitra izy fa narary ilay lehilahy ary dia nosokafany ny birao, teo dia lehilahy telo hafa no nitsambikina avy any amin'ny tohatry ny trano nisy ilay birao ary nihazakazaka niditra, samy nisaron-tava sy nitondra aron-tanana avokoa, miaraka amin'ny maritoa vy eny an-tanany. Nofaritany tsara ho jiolahim-boto “matianina” ireo satria tao anatin'ny telo minitra latsaka monja no namotehan-dry zareo ny ireo solosaina sy nialany ny toerana araka izay haingana indrindra. Solosaina telo no vitambaran'ny simban-dry zareo miampi fahitalavitra LED TV iray tao amin'ny birao.

Namoaka  fanambaràna iray [zh] ilay fikambanana, manameloka ny herisetra atao amin'ny fikambanana mpampahalala vaovao :

本社團相信,這次強行入屋破壞的行為,是有計劃及針對公民媒體的行為。該四名戴口罩及手套的歹徒,在短短幾分鐘內,針對破壞辦公室內的電腦,明顯是要以暴力行為,恐嚇香港的獨立及公民媒體。
我們譴責這種惡勢力,同時,亦憂慮更多黑手伸向香港的媒體,扼殺港人的言論自由。我們呼籲市民站出來,投入更多人力及物力,支持所有獨立於政府與財團的公民媒體!

Ny fikamabananay dia mino fa hetsika efa voaomana tsara ny herisetra nitranga atao amin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra ao an-toerana. Tao anatin'ny roa na telo minitra monja no namoterahan'ireo lehilahy efatra nisaron-tava ny solosainay. Ny tanjon-dry zareo dia ny hamboly tahotra eny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ireo olon-tsotra tsy miankina manao gazety.
Melohinay ny herin-devoly sy mazina tahaka izany ary ahianay mety mbola hanitatra ny ataony any amin'ireo fikambanana hafa mpampahalala vaovao eto Hong Kong izay olona tao ambadik'iny, hanimba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy maneho hevitra eto Hong Kong. Entaninay hijoro ny olom-pirenena ary hanohana ny fampahalalam-baovao tsy miankina amin'ny alàlan'ny fanolorana vola, fitaovana sy handray anjara mavitrika amin'ny fampiharana ny maha-olon-tsotra mpanao gazety izay tsy miankina mihitsy amin'ny fanaraha-mason'ny governemanta sy ireo orinasa goavana.

Solosaina finday “macbook” nopotehan'ireo jiolahim-boto tao amin'ny Biraon'ny Hong Kong In-Media

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.