Iran : Nogadraina Ilay Mpitoraka Bilaogy Mpomba an’i Ahmadinejad

Nizara ho mpomba an'i Ahmadineja na mpomba an'i Khamenei ireo mpitoraka bilaogy islamista herintaona lasa izay. Ankehitriny kosa, nisedra ny zavatra nahazo ireo mpitoraka bilaogy taloha tamin'ny herintaona lasa ireo mpitoraka bilaogy maro mpomba an'i Ahmadinejad: fanagadrana, fanivanana na fiakarana fitsarana.

Raha ny voalazan'ireo Mpanao gazety Tsy voafetran-tsisintany (Reporters Without Borders), efa maro ny mpitoraka bilaogy mpomba ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad lasibatry ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao Tehran noho ny fitsikerana ny mpiray ombon’antoka amin’i Ayatollah Ali Khamenei hatramin’ny nanombohan’ny taom-baovao Iraniana (ny 21 martsa).

Mpitoraka bilaogy iray tahaka izany i Ahmad Shariat, mpandrindra ny bilaogy atao hoe : Nedai az Daron (Làlana Anatiny). Nogadraina izy ny 22 Jolay rehefa namaly ny taratasy fiantsoana hanao tatitra tany amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao Tehran. Notanana am-ponja izy rehefa tsy nahaloa ny onitra mitentina 100 tapitrisa tomans (75.000 euros)

Maro ireo mpitoraka bilaogy islamista no namoaka lahatsoratra hanohanana azy. Tanatin'ny ankamaroan'izy ireo, dia nahitàna ny sarin’I Ahmad Shariat manao T-shirt misy ny sarin’I Imad Mughniyeh. Tamin'ny ankapobeny dia nanakiana ny fitsarana Iraniana ireo mpitoraka bilaogy ireo, ary nanoratra mikasika ny tetika hamerina ny fiaraha-monina Iraniana ho tahaka ny tany alohan’ny fandresen’i Ahamdinejad tamin’ny 2005.

Nanohana an'i Ahmadinejad i Ahmad Shariat tao anatin'ireo lahatsorany ary namely ireo nihizingizina ho mpomba ny fitondrana teo aloha (Oosoolgaras). Nanoratra izy tao anatin’ilay lahatsoratra fa nanandrana handrava an'i Ahmadinejad ny Oosoolgaras ary hamerina ny fiainan’ny firenena ho toy ny tamin’ny fito taona (talohan’ny nandresen’i Ahmadinejad tamin’ny fifidianana filoham-pirenena)…saingy tsy nahomby izany satria hitan’ny olona fa tsy mitombina ny fiampangana an'i Ahamdinejad… Taorian'ny nanambaran'ireo mpanohana an'i Ahamadinejad ny fahaleovantenan'izy ireo manoloana ireo mpomba ny fitondrana teo aloha, very ny fifantohan'ny media tamin'izy ireo.

Nilaza i  Seyast Nevesht nilaza [fa]:

Nahiditra am-ponja ny rahalahinay Ahmad Shariat. Tsy fantatra hoe nahoana? Nefa araka ny voalazan'i Bakeri (maritiora tamin’ny ady Iran-Iraka) hoe na dia iray aza sisa no velona amin’ny andiana miaramila 300, dia tokony hiady hatrany izy. Ity andian-tafika ity dia ilay tamin’ny 2005 ( fandresen’i Ahmadinejad tamin’ny fifidianana filoham-pirenena) ary sahala amin'ny vy i Ahmad

Manoratra i Ummat Hezbollah [fa]:

Inona ary ity tontolo sy fitsarana misy antsika ity, nosamborina i Ahmad satria nanoratra sy nanohana ny filoham-pireneny. Milaza izy ireo [ ireo nisambotra an'i Sharyat] fa manohintohina ny fandriampahalemana ny bilaogikelinareo, maninona izany no tsy takatrareo?… Tsy miaro ny zavatra soratany ao anatin'ny lahatsorany aho na miaro olona fa miaro mpitoraka bilaogy.

Manoratra i Zamirkhodagah [fa]:

Eo anilanao ny fonay sy ny peninay Atoa Sharyat. Nilaza ny zavatra nahatonga an'i Shariat iharan'io raharaha io ilay mpitoraka bilaogy, ary miaro ny olona iharan’ny famoretana i Shariat. Namafy lainga mikasika an'i Ahmadinejad sy Mashai nandritra ny herintaona ilay antsoina hoe mediam-panovàna ary nangina ny fitsarana. Hamela fahanginana tahaka izany ve ny hoavy?

Manoratra [fa] i Mohammad Fatemipour, mpitondra fivavahana iray, ao anatin'ny vohikalany manokana:

Mpandinika sady mpanadihady mahatalanjona i Ahmad Shariat. Mazava ny tiana ambara tamin’ny fisamborana azy: ampitomboina ny famoretana ho an’ny mpanohana an’i Ahamdinejad sy ireo izay mino ny fandresen’i Masahi  [Lehiben'ny Mpiasan'i Ahmadinejad miteraka resabe] amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena manaraka. Nefa miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra, hanova ity trangan-javatra ity ny tanora mpitondra fanovàna amin'ity taona ity. Midika io onitranà 100 tapitrisa tomans io fa ny fikarohana ny marina dia tahaka ny famonoana olona tsy misy paikady.

Nandritra ireo taona maro, nangina tanteraka ireo mpitoraka bilaogy ireo fara-faharatsiny rehefa nisy mpitoraka bilaogy mpomba ny demokrasia niatrika ny fonja sy ny fitsarana. Mety tsy misy afaka manazava ny toerana misy ireo mpitoraka bilaogy mpomba an'i Ahmadinejad tsara mihoatra noho ity fanambarana ity, izay matetika dia ambara ho an'i Martin Niemöller:

Tamin'ny voalohany tonga ho an'ireo kaomionista izy ireo,
ary tsy niteny aho satria aho tsy kaomionista.

Avy eo tonga ho an'ireo sendikalista izy ireo,
ary tsy niteny aho satria aho tsy sendikalista.

Avy eo tonga ho an'ireo Jiosy izy ireo,
ary tsy niteny aho satria tsy Jiosy.

Avy eo tonga ho ahy izy ireo
ary tsy nisy na iray aza tavela nijoro ho ahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.