10 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 10 Aogositra 2012

Porto Riko: Nahazo Medaly Alimo i Javier Culson

  10 Aogositra 2012

Nametraka tantara ilay atleta amin’ny Olaimpika Javier Culson (@JavierCulson) tamin’ny nandrombahany ny medaily  sabamena (alimo) tamin’ny taranja hazakazaka 400 metatra misy fefy tamin’ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londres. Ity no medaily Olaimpika voalohany  azon’i  Poerto Riko taminà lalao hafa ankoatra ny  lalao ady totohondry. Tamin’ny medaily azon’I  Culson, efa fito...

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Sary Iray NataoTamin'ny Solosaina

GV Mpisolovava  10 Aogositra 2012

Efa nasehonay anao ny nahaverezan'ny Aterineto ny lanjany rehefa tsy misy fahalalahana miteny; sy ny fitakian'io zo io zavatra tsotra tahaka ny fisafidianana anaran-tsehatra. Izao dia atolotray ny sary iray vaovao vita tamin'ny solosaina avy amin'ny fanentananay #NoTemasaInternet [es] (Aza Matahotra Ny Aterineto) izay tianay hanehoana, amin'ny fomba tsotra sy manabe, ireo zavatra vitsivitsy azonao atao ao anaty Aterineto noho ny zonao amin'ny fahalalahana miteny.

Teny: Ireo Feo Mam Dizitaly Voalohany Indrindra

Rising Voices  10 Aogositra 2012

Any amin’ny Departemantan'i Quetzaltenango any Goatemalà, mbola mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny fiainana ambanivohitra andavanandro ny teny sahala amin’ny K'iche' sy ny Mam. Hitan’ireo Tranombokin'ny Riecken, izay nametraka ny tetikasa Xela Civic Libraries, ny maha zava-dehibe ny fihazonana ireo tenin-janatany ireo. Mirotsaka anatinà sahan’asa hamelombelomana indray ny teny Mam ireo mpikambana ao anatin’ity tetikasa ity, anisan’izany ny fampiasana ny horonam-peo.