Arabia Saodita: Iftar Ramadany Hitenenana Hoe Lavina Ny Fitsitokotokoana

Nanapa-kevitra ny andian-dehilahy Saodiana iray fa hanitsaka ny fitsitokotokoana ka nikarakara sakafo maraina Iftar nahitàna niaraka ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonina  Sunni sy Shia.

Ilay fihanonana, teo ambany lohahevitra hoe Lavina ny fitsitokotokoana, dia natao tao Riyadh renivohitra Saodiana. Nakarina teny anaty tambajotra sosialy ireo saripika ahitàna ireo  Saodiana avy amin'ireo sekta roa ireo miara-mijoro mankalaza ilay hetsika.

Hassan Al Ameer mizara ity saipika ity ao amin'ny  Twitter:

Hassan Al Ameer shares this photograph of Sunni and Shia Saudis breaking their fast together in Riyadh

Ao amin'ny Twitter i Hassan Al Ameer no mizara ity saripika ity misy ireo Saodiana Sunni sy Shia miara-mandray ny sakafo marainany taori'ny fifadian-kanina, tao Riyadh

Miatrika iray volana fifadian-kanina izay hifarana afaka folo andro ry zareo Silamo, Ramadany. Mandritra ny Ramadany, mifady ny mihinana sy misotro ry zareo Silamo, manomboka amin'ny fiposahany ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro. Ny Iftar dia ny sakafo hanin-dry zareo rehefa hanapahany ny fifadian-kanina, amin'ny filentehan'ny masoandro.

Ny fahombiazan'ny Iftar tao Riyadh dia mandrisika ireo Saodiana hikarakara hetsika toa azy iny manerana ny Fanjakana. Mibitsika i AngrySaudi :

نبي نسوي ايفنت ‎‫#لا_للطائفية‬‏ في المنطقة الشرقية .. من لها من الرعاة والداعمين والحضور ‎:)‏ ؟ ‎‪#saudi‬‏ ‎‪#dammam‬‏ ‎‪#khobar‬‏ ‎‪#dhahran‬‏ ‎‪#riyadh‬‏ ‎‪#ksa‬‏
@AngrySaudi: Te-hikarakara hetsika ‘Lavina ny fitsitokotokoana’ any amin'ny Faritany Atsinanana izahay. Iza no hamatsy, hanohana ary hanatrika io hetsika io?

In-200 naverina nalefa io bitsika io.

Betsaka sary momba ny Iftar azo jerena eto, ao amin'ny pejy Facebook-n'ilay hetsika .

Voafaritra toy izao ilay tahirin-tsary :

اتفق مجموعة من الشباب السعوديين السنة والشيعة على إقامة إفطار جماعي تحت عنوان “لا للطائفية” وذلك لنبعث رسالة للجميع بأننا كلنا إخوة نجتمع في إنسانيتنا وفي إسلامنا ومواطنتنا، ولنرفض الفرقة وندعم الوحدة.

Andian-dehilahy Saodiana tanora, avy amin'ny sekta Sunni sy Shia, no nanaiky hikarakara Iftar iraisana, eo ambanin'ny lohahevitra hoe Lavina ny fitsitokotokoana. Ny tanjona dia ny handefa hafatra ho an'ny tsirairay hilazana fa hoe isika rehetra dia mpirahalahy ao anatin'ny maha-olona antsika, sy Silamo avy amin'ny firenena rehetra, ary lavintsika ny fizarazaràna, tohanantsika ny firaisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.