- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ahmed Shafik Mandà Ny Fanendrena Avy Any UAE, Ao Amin'ny Twitter

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Emirà Arabo Mitambatra, Mediam-bahoaka, Politika

Nirotsaka nampiasa ny Twitter i Ahmed Shafik, Praiminisitra Ejiptiana teo aloha mba hanehoany hevitra momba izay heveriny ho ‘tsaho’ mikasika ny fanendrena azy ho mpanolotsain'ny Filohan'ny Emira Arabo Mitambatra.

Maro ireo mpikirakira aterineto no nibitsika sy namerina nandefa ny bitsika momba ilay tantara vaovao nilaza ny fanendrena an'i Shafik. Shafik [1], izay Praiminisitry ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak, dia niasa teo anelanelan'ny 31 Janoary 2011, sy 3 Martsa 2011, tena tao anatin'ny Revolisiona Ejiptiana mihitsy. Efa isan'ny mpifaninana ho filoha Ejiptiana ihany koa izy teo aloha.

Tao amin'ny Twitter, novalian'i Shafik ireo tsaho milaza hoe [ar]:

ليس صحيحا أبدا ما ذكرته إحدى الصحف أنني مستشار لدولة الإمارات. هذه إشاعة ليس لها أساس من الصحة, فأنا لن أعمل بالسياسة إلا داخل وطني مصر
@ahmedshafikeg [2]: “Tsy marina ny filàzan'ny gazety iray fa hoe mpanolotsain'ny Emira Arabo Mitambatra (UAE) aho. Tsaho tsy mitombina io. Tsy hiasa amin'ny resaka politika any rehetra any ankoatry ny ho an'ny taniko, Ejipta, aho.”

Hatreto dia naverina nalefa im-1.360 ny bitsika nalefany.

Screen shot of Ahmed Shafik's tweet, denying rumours that he has been appointed as an adviser to the President of the UAE [2]

Dika mitovin'ny bitsik'i Ahmed Shafik, nandàvany ireo tsaho milaza azy ho voatendry ho mpanolotsain'ny Filohan'ny Emira Arabo Mitambatra.

Ilay Ejiptiana mpanao gazety, Reem Abdellatif, no nandray voalohany tamim-pisalasalàna ny vaovao momba ny fanendrena an'i Shafik:

@Reem_Adellatif [3]: Araka an'i #Shorouk, ilay mpirotsaka ho filoha #Egyptian teo aloha Ahmed #Shafik dia voatendry ho mpanolotsaina ny filohan'ny Emira Arabo Mitambatra. Dia mety hisy ve izany?

Mohamed Diyaa mivazivazy hoe:

@MohamedDiyaa [4]: Mpanolotsaina hanafoana ny hetsi-panoherana mety hisy any #UAE i Ahmed Shafik

Ary ilay mpanao gazety monina ao Cairo, Bel Trew, miteny hoe :

@Beltrew [5]: Mampahatsiahy ahy amin'ny fomba iray ny [Praiminisitra Britanika teo aloha Tony] Blair ho toy ny iraky ny fandriampahalemana tany Afovoany Atsinanana MT @Omniaaldesoukie: Shorouk: Ahmed #shafik voatendry ho mpanolotsain'ny filohan'ny UAE

Avy ao Qatar, Esraa Al Meftah no maneho hevitra laroina eso :

بس لا يعينون ريئس الوزراء السوري المنشق مستشار الامير عندنا بعد
@esra2qtr [6]: Antenaiko fa tsy hanendry ny Praiminisitra Siriana izay nitsoaka an-daharana teo ho mpanolotsaina ny [mpitondra] aty Amir koa ry zareo.

Niparitaka nivezivezy be ilay vaovao omaly nilaza ny fialàna an-daharan’ [7] ny Praiminisitra Siriana teo aloha, Riad Farid Hijab, nahatonga ny tsikeran'i Al Meftah hoe mety hitady asa any amin'ireo firenena manan-karena solika izy.