07 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 07 Aogositra 2012

Horonantsary: Nofinofy Amin'ny Olaimpika ao Kolombia

  07 Aogositra 2012

Mampiseho  nofinofy feno fanantenana amin'ny fifaninanana Olaimpika ilay horonantsary fohy “Speed” “Haingana” notontosain'ilay mpianatra Esteban Barros avy ao Barranquilla, Kolombia. Ampy ve ny fiezahana mafy, vokatra tsara, sy ny faharetana mba handresena amin'ny fifaninanana? Jerevo ny horonantsary izay maharitra roa minitra.

Tetikasa “Namana ao Januária” ao Brezila : Fanadihadiana Momba ny Fahasalamam-bahoaka Sy Ny Fiarovana

Rising Voices  07 Aogositra 2012

Manohy ny asany amin’ny fanaraha-maso ireo ekipa monisipaly ao amin’ny tanànan’i Januària, ao amin’ny faritra Minas Grais ao Brezily ireo mpandray anjara amin’ny tetikasa fanaovan-gazety  an’olo-tsotra Amigos de Januária. Ity tetikasa izay  tohanan’ny Rising Voices  ity dia manome fiofanana ho an’ireo tanora, fiofanana maharitra fito herinandro izay mikasika ny asa fanaovan-gazety...

Ejipta: Ahmed Shafik Mandà Ny Fanendrena Avy Any UAE, Ao Amin'ny Twitter

Nirotsaka nampiasa ny Twitter i Ahmed Shafik, Praiminisitra Ejiptiana teo aloha mba hanehoany hevitra momba izay heveriny ho 'tsaho' mikasika ny fanendrena azy ho mpanolotsain'ny Filohan'ny Emira Arabo Mitambatra. Maro ireo mpikirakira aterineto no nibitsika sy namerina nandefa ny bitsika momba ilay tantara vaovao nilaza ny fanendrena an'i Shafik. Shafik, izay Praiminisitry ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak, dia niasa teo anelanelan'ny 31 Janoary 2011, sy 3 Martsa 2011, tena tao anatin'ny Revolisiona Ejiptiana mihitsy. Efa isan'ny mpifaninana ho filoha Ejiptiana ihany koa izy teo aloha.

Lahatsary: ‘Zon'Olombelona Tsy Misy Hatak'andro!’ Fanentanana Natomboka Ao Costa Rica

  07 Aogositra 2012

Tamin'ny Zoma 3 Aogositra lasa teo, ny vondrona Citizens for Human Rights [es] (Olom-pirenena Miaro ny Zon'Olombelona) dia nanomboka fanentanana "Human Rights Now!" (Zon'olombelona Tsy misy hatak'andro!), ka tanatin'izany no nanaovan'ireo olo-malaza samihafa avo ao Costa Rica antso ny amin'ny filàna ny fiantohan'ny fanjakàna ny zon'olombeona ho an'ny olon-drehetra. Ilay lahatsary fampahafantarana dia miresaka ireo olana toy ny fifanambadian'ny olona mitovy, zo ara-piraisana sy ara-pananahana ho an'ny vehivavy.