- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza Ny Medaly Volafotsy Azon'i Erick Barrondo Tamin'ny Dia An-tongotra i Goatemala

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Lalao Olaimpika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika ao Londona 2012 [1].

Mankalaza ny fandresena voalohany azony tamin'ny  Lalao Olaimpika fanao rehefa Lohataona tamin'ny Londona 2012 [2] i Goatemala. Ny Sabotsy 4 Aogositra, azon'i Erick Barrondo Garcia [3] ny medaly volafotsy [4] tamin'ny fandehanana an-tongotra 20km ho an'ny Lehilahy [5]. Vao nivoaka ny vaovao, ireo mpampiasa ny media sosialy, isan'izany ireo mpanao politika sy olo-manan-kaja hafa, dia nitehaka sy niarahaba ny fandresena mendrika azon'i Barrondo.

Miarahaba azy amin-kafanam-po ilay Pop-star Ricardo Arjona (@Ricardo_Arjona [6]) [es] :

@Ricardo_Arjona [7]: Erick Barrondo. Que Dios te bendiga. Mas orgulloso que nunca. Nuestra primer medalla gracias a vos. Que viva Guate.

@Ricardo_Arjona [7][es]: Tahian'Andriamanitra ianao ry Erick Barrondo, Tsy mbola nirehareha tahaka izao aho. Ny medaly voalohany ho antsika, misaotra anao. Ho ela velona i Guate!

Ny filoha lefitra, Roxana Baldetti (@roxanabaldetti [8]) [es], dia manoratra ao amin'ny Twitter hoe:

[9]

Erick Barrondo amin'ny Lalao Pan American 2011. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr aula2pl, ampiasàna ny Creative Commons licence (CC BY-NC 2.0)

@roxanabaldetti: [10] Erick Barrondo es ejemplo de esfuerzo y valentía. Dios lo bendiga! La medalla es un sueño hecho realidad!

@roxanabaldetti [10][es]: Ohatra iray amin'ny ezaka sy ny fahasahiana i Erick Barrondo. Hitahy azy anie Andriamanitra! Nofy lasa tena zava-misy  ny medaly!

Ilay mpitantara fanatanjahantena, Edgar Galindo (@Galindogt [11]), dia mizara sary iray [12] ahitàna ity atleta miavaka ity eny ambony lampihazo,  vonona handray ny medaliny. Toy ny mbola manonofy noho ny fandreseny i  Barrondo .

Erick Barrondo dia teraka tany Aldea Chuyuc, any amin'ny kaominin'i San Cristóbal Verapaz [13], iray amin'ireo faritra tena mahantra indrindra ao amin'ny firenena izay tena mizaka  manokana ny vokatry ny adin'ny zava-mahadomelina. Nambara fa ny tanànany sy  ny firenena manontolo dia samy niomana ho amin'ilay fankalazana.

Araka ny ambaran'i Opina el Balón (@opinaelbalon) [14][es], Barrondo dia nandefa ity hafatra manaraka ity ho an'ny fireneny :

@opinaelbalon [15]: Erick Barrondo: “Me voy a sentir tan orgulloso si alguien deja una pistola y la cambia por unos zapatos para ir al estadio a entrenar”

@opinaelbalon [15] [es]: Erick Barrondo: “Fa mbola hirehareha fatratra aho raha toa ny olona hanary ny fitaovam-piadiany ka hanakalo izany aminà kiraro ‘sneakers’ mba handehanana eny amin'ny toerana fanaovna fanatanjahantena sy hanao fanazaran-tena”

Ao anatinà firenena iray izay vaovao miseho isan'andro ny herisetra, ny kolikoly ary ny fahantrana, ity fandresena ity dia noharahabaina sy noraisina ho toy ny anton-javatra tokony hankalazaina ny asa mafy sy ny tohana nataon'ny fianakaviana mba hamadihana nofy iray ho lasa zava-misy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika ao Londona 2012 [1].