Mankalaza Ny Medaly Volafotsy Azon'i Erick Barrondo Tamin'ny Dia An-tongotra i Goatemala

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika ao Londona 2012.

Mankalaza ny fandresena voalohany azony tamin'ny  Lalao Olaimpika fanao rehefa Lohataona tamin'ny Londona 2012 i Goatemala. Ny Sabotsy 4 Aogositra, azon'i Erick Barrondo Garcia ny medaly volafotsy tamin'ny fandehanana an-tongotra 20km ho an'ny Lehilahy. Vao nivoaka ny vaovao, ireo mpampiasa ny media sosialy, isan'izany ireo mpanao politika sy olo-manan-kaja hafa, dia nitehaka sy niarahaba ny fandresena mendrika azon'i Barrondo.

Miarahaba azy amin-kafanam-po ilay Pop-star Ricardo Arjona (@Ricardo_Arjona) [es] :

@Ricardo_Arjona: Erick Barrondo. Que Dios te bendiga. Mas orgulloso que nunca. Nuestra primer medalla gracias a vos. Que viva Guate.

@Ricardo_Arjona [es]: Tahian'Andriamanitra ianao ry Erick Barrondo, Tsy mbola nirehareha tahaka izao aho. Ny medaly voalohany ho antsika, misaotra anao. Ho ela velona i Guate!

Ny filoha lefitra, Roxana Baldetti (@roxanabaldetti) [es], dia manoratra ao amin'ny Twitter hoe:

Erick Barrondo amin'ny Lalao Pan American 2011. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr aula2pl, ampiasàna ny Creative Commons licence (CC BY-NC 2.0)

@roxanabaldetti: Erick Barrondo es ejemplo de esfuerzo y valentía. Dios lo bendiga! La medalla es un sueño hecho realidad!

@roxanabaldetti [es]: Ohatra iray amin'ny ezaka sy ny fahasahiana i Erick Barrondo. Hitahy azy anie Andriamanitra! Nofy lasa tena zava-misy  ny medaly!

Ilay mpitantara fanatanjahantena, Edgar Galindo (@Galindogt), dia mizara sary iray ahitàna ity atleta miavaka ity eny ambony lampihazo,  vonona handray ny medaliny. Toy ny mbola manonofy noho ny fandreseny i  Barrondo .

Erick Barrondo dia teraka tany Aldea Chuyuc, any amin'ny kaominin'i San Cristóbal Verapaz, iray amin'ireo faritra tena mahantra indrindra ao amin'ny firenena izay tena mizaka  manokana ny vokatry ny adin'ny zava-mahadomelina. Nambara fa ny tanànany sy  ny firenena manontolo dia samy niomana ho amin'ilay fankalazana.

Araka ny ambaran'i Opina el Balón (@opinaelbalon) [es], Barrondo dia nandefa ity hafatra manaraka ity ho an'ny fireneny :

@opinaelbalon: Erick Barrondo: “Me voy a sentir tan orgulloso si alguien deja una pistola y la cambia por unos zapatos para ir al estadio a entrenar”

@opinaelbalon [es]: Erick Barrondo: “Fa mbola hirehareha fatratra aho raha toa ny olona hanary ny fitaovam-piadiany ka hanakalo izany aminà kiraro ‘sneakers’ mba handehanana eny amin'ny toerana fanaovna fanatanjahantena sy hanao fanazaran-tena”

Ao anatinà firenena iray izay vaovao miseho isan'andro ny herisetra, ny kolikoly ary ny fahantrana, ity fandresena ity dia noharahabaina sy noraisina ho toy ny anton-javatra tokony hankalazaina ny asa mafy sy ny tohana nataon'ny fianakaviana mba hamadihana nofy iray ho lasa zava-misy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika ao Londona 2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.