- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Makedonia: Topi-maso Ho An'ny Fankalazàna Iraisam-pirenena Ny Tononkalo Fanao Efa Am-polotaonany

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Estonia, Frantsa, India, Japana, Makedonia, Paortiogaly, Rosia, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Ilay Portiogey mpamokatra sarimihetsika, André Soares, dia namoaka lahatsary fanadihadiana fohy [1] momba ny Harivan'ny Tononkalo any Struga [2], hetsika iraisam-pirenena ho an'ny tononkalo izay tanterahana isan-taona efa ho 50 taona izao, nanomboka tamin'ny 1962, any an-tanànan'i Struga [3], Makedonia (ny vohikala ofisialy [4]).

Izany lahatsary izany dia manasongadina ny fanambaràna nataon'ireo poeta Vladimir Martinovski [5] avy any Makedonia, ilay Sinoa an-sesitany Bei Ling [6], Rati Saxena [7] avy any India, Corey Marks [8] avy any Etazonia, Siim Kera [9] avy any Estonia, Mimoza Sali [10] avy any Albania…izany niresaka ihany koa momba ny tononkalo maneran-tany ary namaky ny sanganasan-dry zareo tamin'ny tenim-pirenena samihafa.

Raha manazava ny naha-voatery azy nifidy tamin'ny fonja sy ny sesitany noho ny fifandirana tamin'ny fitondràna, milaza i Bei Ling fa tsy Shina intsony no tanindrazany, fa ny tenim-pirenena Sinoa. Mahagaga, ny iray amin'ireo teny malaza indrindra notenenin'ilay poeta Makedoniana malaza sady manampahaizana momba ny teny, Blaže Koneski [11] (1921-1993), voasoratra eo amin'ny  tsangambatony [12] [mk] vao nitsangana tsy ela, dia ny hoe “ny tenin-drazantsika no tanindrazantsika.”

Io fetibe io dia iray amin'ireo zava-dehibe amin'ny kolotsaina ofisialy tohanan'ny firenena, ary ny fanokafana azy matetika dia atrehan'ireo mpanao politika matanjaka, toy ny Ministry ny Kolotsaina, ny Praiministra ary/na ny Filoha. Noho izany dia tsy voaporofo fa hoe nahomby tamin'ny fampivoarana ny fisaraham-bazana anatiny, araka ny voalazan'ity lahatsoratra mitsikera [13] ity [mk] tamin'ny andiany tamin'ny 2009, nosoratan'ilay mpitoraka blaogy mafana fo sady poeta Vnukot [14]. Tamin'ny taona 2011, niverina [15] [mk] izy mba hamaky an-kalamanjàna ny tononkalony [16] momba ny famonoana an'i Martin Neshkovski, tranga izay nitarika ny tolom-bahoaka manohitra ny herisetran'ny mpitandro filaminana [17] herintaona lasa izay.

Rrhefa nandeha ny taona dia niresaka momba ny fankalazàna ireo mpitoraka blaogy Makedoniana tamin'ny fandikàna ny angon'ny Wikipedia ary tamin'ny fanombohana adihevitra momba ireo poeta any an-toerana tahaka an-dry Koneski [18], Mateja Matevski [19] na Jovan Koteski (1932-2001), izay nanatrika tamin”ny 1964 [20] sy 1981 [21], na tamin'ny famoahana dikanteny Makedoniana ny sanganasan'ireo vahiny mpandray anjara, tahaka ilay Japoney Shuntaro Tanikawa [22], ilay Frantsay Pierre Béarn [23], ary ilay Rosiana Vadim Fedorovič Terehin [24] (Ru.wikipedia [25]).

I Vasko Markovski, mpanao gazety dia nampiasa ny blaoginy hamoahana fanadihadiana [26] [mk] momba ny kianjan'ny tononkalo any Struga, toerana izay hanirian'ireo hazo nambolen'ireo poeta malaza maneran-tany.