GlobalVoices anaty

Makedonia: Topi-maso Ho An'ny Fankalazàna Iraisam-pirenena Ny Tononkalo Fanao Efa Am-polotaonany

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

русский · Македония: десятилетия международного фестиваля поэзии
Português · Macedônia: Festival Internacional de Poesia em Foco
বাংলা · মেসিডোনিয়া: দশক পুরনো আন্তর্জাতিক কবিতা উৎসব আলোচনায়
македонски · Македонија: Фокус на поетскиот фестивал со децениска традиција
Svenska · Makedonien: Poesifestival femtio år
Français · Macédoine : Un festival international de poésie vieux d'un demi-siècle
日本語 · マケドニア:数十年の歴史ある詩の祭典に注目を
Ελληνικά · ΠΓΔΜ: Στο επίκεντρο το Διεθνές Φεστιβάλ Ποίησης
繁體中文 · 馬其頓:聚焦國際詩歌節
简体中文 · 马其顿:聚焦国际诗歌节
Español · Macedonia: Un Festival Internacional de Poesía con décadas de antigüedad
polski · Macedonia: Międzynarodowy Festiwal Poezji o wieloletniej tradycji w centrum uwagi
English · Macedonia: Decades-Old International Poetry Festival in Focus

Ilay Portiogey mpamokatra sarimihetsika, André Soares, dia namoaka lahatsary fanadihadiana fohy momba ny Harivan'ny Tononkalo any Struga, hetsika iraisam-pirenena ho an'ny tononkalo izay tanterahana isan-taona efa ho 50 taona izao, nanomboka tamin'ny 1962, any an-tanànan'i Struga, Makedonia (ny vohikala ofisialy).

Izany lahatsary izany dia manasongadina ny fanambaràna nataon'ireo poeta Vladimir Martinovski avy any Makedonia, ilay Sinoa an-sesitany Bei Ling, Rati Saxena avy any India, Corey Marks avy any Etazonia, Siim Kera avy any Estonia, Mimoza Sali avy any Albania…izany niresaka ihany koa momba ny tononkalo maneran-tany ary namaky ny sanganasan-dry zareo tamin'ny tenim-pirenena samihafa.

Raha manazava ny naha-voatery azy nifidy tamin'ny fonja sy ny sesitany noho ny fifandirana tamin'ny fitondràna, milaza i Bei Ling fa tsy Shina intsony no tanindrazany, fa ny tenim-pirenena Sinoa. Mahagaga, ny iray amin'ireo teny malaza indrindra notenenin'ilay poeta Makedoniana malaza sady manampahaizana momba ny teny, Blaže Koneski (1921-1993), voasoratra eo amin'ny  tsangambatony [mk] vao nitsangana tsy ela, dia ny hoe “ny tenin-drazantsika no tanindrazantsika.”

Io fetibe io dia iray amin'ireo zava-dehibe amin'ny kolotsaina ofisialy tohanan'ny firenena, ary ny fanokafana azy matetika dia atrehan'ireo mpanao politika matanjaka, toy ny Ministry ny Kolotsaina, ny Praiministra ary/na ny Filoha. Noho izany dia tsy voaporofo fa hoe nahomby tamin'ny fampivoarana ny fisaraham-bazana anatiny, araka ny voalazan'ity lahatsoratra mitsikera ity [mk] tamin'ny andiany tamin'ny 2009, nosoratan'ilay mpitoraka blaogy mafana fo sady poeta Vnukot. Tamin'ny taona 2011, niverina [mk] izy mba hamaky an-kalamanjàna ny tononkalony momba ny famonoana an'i Martin Neshkovski, tranga izay nitarika ny tolom-bahoaka manohitra ny herisetran'ny mpitandro filaminana herintaona lasa izay.

Rrhefa nandeha ny taona dia niresaka momba ny fankalazàna ireo mpitoraka blaogy Makedoniana tamin'ny fandikàna ny angon'ny Wikipedia ary tamin'ny fanombohana adihevitra momba ireo poeta any an-toerana tahaka an-dry Koneski, Mateja Matevski na Jovan Koteski (1932-2001), izay nanatrika tamin”ny 1964 sy 1981, na tamin'ny famoahana dikanteny Makedoniana ny sanganasan'ireo vahiny mpandray anjara, tahaka ilay Japoney Shuntaro Tanikawa, ilay Frantsay Pierre Béarn, ary ilay Rosiana Vadim Fedorovič Terehin (Ru.wikipedia).

I Vasko Markovski, mpanao gazety dia nampiasa ny blaoginy hamoahana fanadihadiana [mk] momba ny kianjan'ny tononkalo any Struga, toerana izay hanirian'ireo hazo nambolen'ireo poeta malaza maneran-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny