Nizeria: Filohan'ny Loholona Mitaky Sivana Amin'ny Haino Aman-jery Sosialy

Nanome toro-marika vaovao hamehezana ny haino aman-jery sosialy ao amin'ny firenena ny filohan'ny Loholon'i Nizeria David Mark. Mpiserasera maro amin'ny aterineto no nandray io heviny io ho famakiana ady amin'ny tranonkala Nizeriana.

Araka an'i Tuale Naija:

Tamin'ny Alakamisy teo, rehefa nanambara ny fisokafan'ny roa andron'ny fivoriana fandinihan-tenan'ny Mpanao gazetin'ny Loholona tany Umuahia, fanjakan'i Abia dia niteny i Mark fa ilaina ny famehezana satria ampiasain'ny olona hanambaniana ny mpitondra azy ireo ny haino aman-jery. Nampiany fa tsy nisy fotoana nahafahana nisintona ny vaovao  teny amin'ny tontolon'ny haino aman-jery toy ireny.
Mitantara amin'ny fomba fiteniny azy manokana ny Filohan'ny Loholona, Tuale Naija :
 Mila manova ny fombantsika isika amin'ny fitantarantsika ny zava-miseho ato amin'ny firenentsika ary tokony hianatra ireo mpanao gazety vahiny izay tsy mitantara izay zavatra ratsy miseho ao amin'ny fireneny.
David Mark, Senate President of Nigeria (Photo source: amazonaws.com)

David Mark, Filohan'ny Loholona Nizeriana  (Loharanon-tsary : amazonaws.com)

Nahoana no mampiasa saina an'Atoa Mark ny haino aman-jery, ka mahatonga azy hamoaka lalàna fanampenam-bava toy izany : Chinedu Ekeke, bilaogera dia nanao izao tsoa-kevitra manaraka izao :

Mpiserasera amin'ny aterineto : Ny nofy ratsin'ny mpanao politika Nizeriana ?

Voamarina Atoa Mark satria hitanareo, betsaka ny azon'ny vola vidiana ; ary tena mbola feno zavatra betsala lavitra azon'ny vola vidiana. Arakaraky ny ahazoanao volabe tsy nisasarana no tsy iraharahanao ny fandaniana tsy misy dikany. Manakarama ny tenany N600 tapitrisa avy ao amin'ny tahirim-bolan'i Nizeria izy ao anatin'ny taona iray. Tsy taona any an-danitra na ara-baiboly akory izao fa taona ety an-tany araka ny fantatsika ; roa ambin'ny folo volana ny tetiandro, izay handraisan'i Barack Obama, Filohan'ny Etazonia N60 tapitrisa.

Izay  raisin'i  Mr. Mark irery herintaona no karaman'ny filohan'ny Etazonia folo (eny, folo !) taona be izao. Izay entin'ny  olom-pirenena faha telo Nizeriana mody, amin'ny ara-dalàna, ao anatin'ny herintaona, no azon'ny olom-pirenena laharana voalohany amin'ny firenena lehibe ara-toekarena sady ilay hany sisa faran'izay matanjaka, ao anatin'ny folo taona… Hitanareo izao, nahoana izy no tsy maintsy mandemy ny haino aman-jery sosialy ? Tsy afaka hahazo vola be maimaim-poana toy izany ianao, raha tsy hoe tsy miraharaha ny làlana rehetra izay anatsofohan'ny mpanohitra  ny lohany… Noho izany mba hitondrana N600 tapitrisa mody nefa tsy manao na inona na inona, nahoana no tsy hahatsiaro ho  voahorohoron'ny haino aman-jery sosialy i David Mark ?

Nihoa-pefy ny mpiserasera Nizeriana !

Mora taminy ny nividy ny haino aman-jery mahazatra izay maro mpanao gazety mitady valopy sy tonian-dahatsoratra maika handray ny vola mampitaintaina avy amin'ireo izay mitondra an'i Nizeria. Ny kitapo ‘Ghana-must-go'(Ghana tsy maintsy mandeha), dia mora raisin'ny tànana ho an'ireo olon'ny haino aman-jery izay tsy te-hahalala ny anjara andraikitra sarobidin'ny orinasa sy ny asan'izy ireo, natoky azy ireo. Amin'izao fotoana izao, tsy voafehin'i Mark izay miditra ao anatin'ny haino aman-jery vaovao. Tsy voafehiny ny isan'ny olona mamaky bitsika iray fotsiny, na lahatsoratra amin'ny facebook, na lahatsoratra amin'ny bilaogy fotsiny, izay maneho amin'ny antsipirihiny ohatrinona  no raisin'i David Mark isam-bolana avy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana efa ao anaty fahantrana mankarary. Tsy voafehiny izay mamaky na tsia io lahatsoratra io. Tsy afaka manidy io tranonkala io na ireo rohy hafa mifandray amin'io izay hamakian'ny Nizeriana an'arivony na an-tapitrisany io lahatsoratra io izy, izay no antony mampikorontana azy.

Ho an'ilay iray  niteny indray mandeha fa tsy natao ho an'ny mahantra ny finday …

Araky ny nolazain'ny minisitry ny serasera'i Babangida tamin'ireo izay  liana te handre mba hamono eritreritra fanaovana ny finday ho  takatry ny Nizeriana. Nambarany, mazava tsara, fa tsy natao ho an'ny mahantra ny finday. Natao ho an'ny mpanankarena io, ireo mpihinana ny ‘naira’ an-jatony tapitrisa avy amin'ny repoblikan'i Nizeria. Ankehitriny, jeren'ilay loholona na dia ny mpanamboatra fiara eny amoron-dàlana mitàna ny findainy aza, mamaky ny aterineto sy mijery hatraiza no lasa ompa ho azy ireo io governemanta io.  Raha ianao no Mark, mety hikorontana ihany koa ianao.

Miaramila indray mandeha, mandrakariva…

Ny andraikitr'i David Mark tao amin'ny Tafika Nizeriana dia voasongadina ao amin'ny  ‘biographie’ (làlam-piainany) ao anaty aterineto  :

Nanana fahalalàna feno traikefa mahazendana amin'ny naha-tanora  injeniera amin'ny fifandraisan-davitra azy tao anatin'ny Tafika i David Mark ary nisondrotra tsikelikely avy amin'ny toeran'ny manam-boninahitra lefitra ho amin'ny manam-boninahitra ambony…  Taorian'ny nahazahoany  mari-pahaizana avy amin'ny sekoly fanofanana miaramila apex any Nizeria, ny “Command and Staff College” (CSC) any Jaji, Kaduna, dia napetraka tamin'ny toeran'ny komandy mpibaiko ny Corps of signals (Vondrona fanairana) izy… Nandritra ny fanendrena ara-politika an'i David Mark tao amin'ny tafika, izy no tanora indrindra amin'ny mpikambana tao amin'ny ‘Armed Forces Ruling Council’, na Filankevi-pitantanan'ny Tafika Mitam-piadiana (AFRC), izay vondrona faran-tampony amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra tamin'izany. Na dia ny tsikera madinika indrindra amin'ny politika miaramila aza dia nahafantarana fa mpikambana to teny tao amin'ny AFRC i Mark.

Noho izany tsy mahagaga raha tao anatin'io sehatra io, ny Filohan'ny Loholona Nizeriana dia tsy ho tia ny haino aman-jery sosialy mihitsy. Na ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo Nizeriana mpampiasa aterineto, na ny azy dia samy nosintonina maimaika .
Hevitra tao amin'ny Twitter
@WilDeji: Renareo ny olona toa an'i David Mark miresaka momba ny ‘haino aman-jery sosialy’ , dia tsy takatrareo ve fa nisy fivoriana vao haingana tao?
@Doug_E_Styl: Mila mampangiana an'i Richard Branson ihany koa i David Mark, Manome anarana ratsy ny firenena izy….sa tsia ?

@ged: ‘Ndao ataontsika vazivazy zary tenany. Tsy vanim-potoan'ny tafika izao. Raha toa ka tsy mahazaka ny hafanana i David Bonaventure Mark, mahazo miala ny lakozia izy.

@PUREHAIRE: David Mark sha…ny mumu dia miteny sef. indraindray. Rehefa manakaiky ny 2015 dia hihazakazaka hitady ny fanohanan'ny haino aman-jery sosialy izy ireo hanambitamby mpifidy, fa ankehitriny ompaina isika.

@ged:  …na angamba nialona an'i Goodluck Ebelemi Jonathan i David Bonaventure Mark, te-hanana ny anjarany madiodio amin'ny fifantohan'ny haino aman-jery sosialy. Angamba fotsiny.

@Fabiaski: Azafady, tera-tany Nizeriana ve izay mitondra ity anarana ity (David Bonaventure Mark) ? cc @ged @omojuwa @ogundamisi

@Nedu64: Ohatra ny nanao tsinontsinona ity vondrom-piarahamonina ity i David Mark. Ho hitako ny kapoka mandrivorivo!

Ny alina nitomany ny mpamosavy ka nony maraina dia maty ny zaza?

Ny bilaogin'i Chinedu Ekweke (@ekekeee) dia nanjary toy ny aretim-mifindra ho an'ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana. Valin-kafatra tsara ho an'ny fanehoan-kevitr'i David Mark sady nahafinaritra ireo bitsika maro naverina nalefa. Saingy fotoana fohy avy eo, niraradradraka tao amin'ny Twitter ny taraina amin'ny tsy fahafahany miditra ao amin'ny bilaoginy.

@ekekeee: Nampalahelo anay ny fivadihan-javatra tamin'ity maraina ity. Indrisy fa tsy nisokatra ny EkekeeeDOTcom. Miasa hamerina azy ny ekipan'ny teknisianintsika.

@PUREHAIRE: @TKSlam @egbas @ekekeee Tahaka ny tranga amin'ilay hoe ny alina nitomany ny mpamosavy ka nony maraina dia maty ny zaza!. Eo am-piasana ny jiolahimboton'i David Mark.

@PUREHAIRE: @ekekeee. Ahoana ???? Tonga ao amin'ny tranonkalanareo ve izy ? Nolavin'i David Mark sy ny namany ny sakafo telo loha avy amiko …

@thenaijaseer:  Izany ve no mba GEJ tsara indrindra azon'i David Mark sy Doyin Okupe atao? Mitondra ny Boko Haraism an-dry zareo ho ety anaty aterineto?

@egbas: Tsy handresy ny mpijirika,  azo antoka izany. Hanamafy orina kokoa ny ekipan'ny @ekekeee izany. Tsy mbola voafafa eo amin'ny tontolo ny EkekeeeDOTcom.

@zebbook: Voajirika tao anatin'ny 48 ora-n'ny fanambaràn'i David Mark ny tranonkala integritynigeria.com an'ny @PIN2015 sy ny bilaogin'i @ekekeee an'ny ekekeee.com 

@batarhe: @ekekeee zavatra tsara voavakiko io talohan'ny nidinan'ny zanakalahin'i Mark tao amin'ny tranonkala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.