Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

MENA : Mandray Ny Ramadany

Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny  tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny  masoandro ka hatramin'ny filentehany,  mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary  Hankalazana ny  fahasoavany.

Manerana izao tontolo izao,  ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary  maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana  sosialy isan-karazany .

Observing Crescent in Malaysia

Berita Harian (@bharianmy) dia nizara sarinà fanarahamaso ny tsinam-bolana ao Malaysia

Ny Tetiandron'ireo Silamo, dia miompana  amin'ny Volana (zavaboarin'Andriamanitra) sy ireo  volana (anaty tetiandro) izay tsy miankina amin'ny fomba fanisàna ny ‘astres'. Midika izany fa ny  Ramadany  dia mety haharitra hatramin'ny  29 na 30 andro, ary ny fiandohan'ny volana tsirairay dia faritana amin'ny fijerena ny tsinam-bolana vaovao eny amin'ny lanitra amin'ny alina. Ny firenena Silamo rehetra  dia samy mitazona ny fijereny ny volana vaovao isam-bolana avy, ary izany no mahatonga ny  Ramadany tsy manomboka amin'ny andro mitovy isaky ny Firenena Silamo.

Ingrid Mattson (@IngridMattson) dia nampakatra bitsika iray :

“Ny zava-misin'ny Ramadany : ireo fomba isan-karazany entina hanoritana ny fanombohan'ny volana araka ny fihodin'ny volana (mois lunaire) dia midika fa  manomboka mifady hanina ireo Silamo sasany amin'ny andro iray, ny hafa, ny andro manaraka iny”.

Indraindray na ny politika aza dia manana anjara amin'ny fanoritana ny fanombohan'ny volana.

Raha mifady hanina ao anaty Ramadany, dia mifehy tena ireo Silamo amin'ny  tsy fihinanana sakafo, fisotroana ary ny fanaovana firaisana  hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka mandra-pilentiny.

Fasting Hours across the Globe

Sarintany nozaraina tao amin'ny pejy Facebook an'ireo mpankafy ny ” Faculty of Science” mampiseho ny fotoana fifadian-kanina isan-karazany manerana izao tontolo izao. Tamim-paharisihana no nanehoan'ireo mpampiasa Facebook ny heviny manoloana ny fifadian-kanina ataon'ny  Silamo ao Argentina izay andeha hanao fifadian-kanina mandritra ny ora 9 sasany monja, ary naneho fiombonam-panahy tamin'ireo avy any Denmark izy ireo.

Ramadan Lanterns

Harendrina amin'ny Ramadany nozarain'i Omar Shoeb

Ny fombafomba fitondrana harendrina amin'ny Ramadany  (Fanous Ramadan) koa dia isna'ny mahoraka  any amin'ny faritra sasany maneran-tany. Nanomboka efa an-jato taonanay  izany tao Ejipta tamin'ny andron'ny  Fatimid, tamin'ny fotoana niarahaban'ny vahoaka nitàna harendrina ilay ‘Kalifa’ Al-Muizz Lideenillah mba hankalazàna ny fiakarany, izay nifanandrify tamin'ny Ramadany. Ankehitriny ny harendrina dia lasa  Famantarana ny  Ramadany sy ahantona eny amin'ireo kianjam-bahoaka, sy mamakivaky ny làlana eny an-tanàna, milahatra amin'ireo haingo sy ny jiro hanamarihana ny fankalazàna amin'izany volana izany. Ao Ejipta, amin'izao fotoana izao ny harendrina dia vita ao an-toerana na afarana avy any Shina.

Nadia Kady dia nizara Sarin'ilay Fanoos vaovaony, raha toa i  Laila El Shafie ka nandefa bitsika manao hoe :

“Sarotra ny maka sary ny Ramadany tsy misy ny Renibeko mividy harendrina ho ahy. Handry am-piadanana anie ny fanahiny, izao no Ramadany natrehiko voalohany tsy misy azy”.

Nada Rostom, tetsy ankilany, dia nizara ny eritreriny mikasika ny harendrina nafarana avy any ivelany, ny endriny vaovao, raha oharina amin'ireo nentindrazana . Hoy izy nanoratra :

“Harendrina Bob l'éponge !” Nopotehin-dry zareo tanteraka ny endrik'ilay  “fanoos” tany am-piandohany! Tiako ilay” ne7as” iray misy labozia (na bulb 3shan mat7ere2sh)

Harendrina Bob l'éponge ! Nopotehin-dry zareo tanteraka ny endrik'ilay  harendrina tany am-piandohany ! Tiako ilay iray vita varahina misy labozia (na ireo misy takamoa kely, amin'izay tsy ho may ilay izy )
Guns of Ramadan

Bahraini Patriot dia nizara sarinà tafondro  taloha  napoaka tao amin'ny làla-mihodina any Lulu,   Bahrain

Famantarana iray ny  Ramadany any amin'ny faritra sasany ao amin'ny Tontolon'i Arabo koa ny tifitra basy. Tany aloha tany, ny basy no napoaka amin'ny misandratr'andro ary rehefa milentika ny masoandro hilazàna amin'ny olona ny fotoana hanombohany sy hampiatoany ny fifadian-kaniny. Ankehitriny efa misy ny tetiandro isan-karazany ary koa na ny “rindrambaiko anaty finday aza”  izay milaza ny fotoana marina, na dia mbola velona aza ny fanao taloha, ary hita matetika anaty karatra fiarahabana Ramadany ny basy sy ny tafondro milahatra amin'ny arendrina sy ny tsinam-bolana.

Maged Saleh – izay hita fa tezitra amin'izao  – nandefa bitsika maniry ny hanapoahan'izy ireo basy alohaloha nohon'ny tsy fitandremana .

Rehefa milentika iny ny masoandro, dia arefotra ny basy sy ny tafondro, avy eo manomboka misakafo sy misotro ny olona, ary hatramin'izay ny fahatongavan'ny sakafo avy hatrany aorian'ny fifadian-kanina dia manome dikany be ny nahatnga azy hantsoina hoe sakafo maraina (breakfast=famaranana ny fifadiana), na Iftar amin'ny fiteny Arabo. Ireo  havana sy namana dia mifanasa any an-trano ary maro no  manao larontsakafo vaovao sy isan-karazany. Mizara sary maro momba ny sakafo  ireo mponina anaty aterineto:

Katayef

Salma Hegab, avy ao Ejipta, nizara sarinà  Qatayef eo am-panamboarana. Karazana feta fahandro any amin'ny fanaovana mofomamy, izay vidian'ny olona, sesehana “creme” na voan-javatra, endasina, avy eo fonosina “sirop”.

Mohamed Ahnin dia nizara sarin'ny  sakafo marainany farany talohan'ny Ramadany. Serkan Balbal dia nizara ny sarin'ny  sakafo Tiorka. Rym Rymma dia nampakatra  sary avy amin'ny tsindrin-tsakafo hafa Ejiptiana . Ary ny hafa   avy ao Frantsa sy avy ao  Bosnia:

Halava from Bosnia

Emina Aganovic avy ao Bosnia ,nampakatra sarinà Halava, karazana tsindrin-tsakafo

Ireto sarinà sakafo be ireto ve, ny olona anefa noana “, hoy Kae Kurd mamoaka ity fampitandremana ity ho an'ny mpampiasa Instagram .

Aorian'ny sakafo maraina, maro ireo olona ao amin'ny Tontolo Arabo no mamelona ny  TV ary dia manomboka ny fotoanana'ny andian-tantara amin'ny Ramadany. Kanefa ao Syria, hafa ny toe-draharaha tamin'ity taona ity.

Bashar Soap Opera

Nampakatra ity sary ity i Meshal Alnami avy any  Syria izay manao hoe : “Araho isan'andro izahay amin'ny Ramadany, ilay andian-tantara Fanjerana an'i Bashar”

Ary ao  Bahrain, ZuzuBH nandefa bitsika  [Ar] nanontany tena momba ny fianakavian'ireo maritiora ao Bahrain, ‘Inona no mety ho fihetsehampon'izy ireo amin’ ny Ramadany amin'ity taona ity  tsy miaraka amin'ny fianakaviany  izay efa tsy eto intsony?’

Farany, ny  Ramadany amin'ity taona ity dia hifanandrify amin'ny  Lalao Olympika Fanao Isan-dohantaona ao Londona, ka noho izany, ilay bilaogera  Turkish Mommy dia nampakatra ity fandinihana manaraka ity mikasika ireo Hetsika roa ireo . Mivaky toy izao ny trakta momba ny Ramadany 2012 avy aminy:

Ilay hetsika Fanao isan-dohantaona , mampifandray izao tontolo izao; Tsy misy medaly zaraina ho an'ireo  Mpifady hanina  izay mivondrona anaty ekipa iray ; be loatra ireo mpandray anjara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny