Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana

Ity lahatsoratra ity da ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Fifandraisana & Fandriampahalemana Iraisampirenena.

Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao  Syria – dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery ‘vaovao’ tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo – ny BRICS – amin'ireo hery ‘tranainy’ tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra  (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.

Heads of BRICS states in New Delhi, India for for 4th BRICS Summit March 2012. Photo by Roberto Stuckert Filho/PR. Used with permission.

Ireo mpitarika ny firenena ao anatn'ny  BRICS, tany New Delhi, India nanatrika ny Fihaonambe faha-4 an'ny BRICS, Martsa 2012. Sary avy amin'i Roberto Stuckert Filho/PR. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny kaonferansan'ny BRICS natao tamin'ny Martsa lasa teo no nanome ny lafika niaingan'ny lahatsoratr'i Oliver Stuenkel ao amin'ny The Hindu izay efa naminavina ny fanapahan-kevitr'i Rosia sy Shna hampiasa ny vato tsy azo ivalozana fanintelony indray amin'ny Fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana momba an'i Syria:

…Toa nisy marimaritra niraisana tamin'ny trangan'i Lybia tamin'ny Febroary sy Martsa 2011. Kanefa nandritra ny ady, ny tao amin'ny BRICS dia efa nanohana tamim-pahamarinana sahady fa hoe nihoatra noho izay fahefana nomen'ny Firenena Mikambana ho azy ny tafiky ny OTAN. Ny Fanapahana 1973 dia “hiarovana ny olon-tsotra ary ireo faritra onenan'ny olon-tsotra ary tandindonin'ny fanafihana,” kanefa ny OTAN dia nandray azy io ho fanomezan-dàlana hitondra fiovam-pitondràna. Vokany, miahiahy ny amin'izay vahaolana rehetra atolotra momba an'i Syria ny BRICS.

Ery ampitan'ny latabatra, ny toerana noraisin'ny BRICS dia niteraka fanakianana tsy tambo isaina teny anivon'ireo hery  “tranainy’. Daniel Korski, mpanolotsaina ao amin'ny Solotena Ambonin'ny Fiombonambe Eoropeana momba ny Politikan'ny Raharaham-Bahiny sy ny Fandriampahalemana, dia nanoratra fa efa noheverin'ny olona ny tsy hahitan'izao tontolo izao làlan-kombana ny taona 2012:

Ary na dia nahomby aza ireo mpiara-dia ao amin'ny OTAN tany Lybia, ara-diplaomatika, na ara-tafika, dia vitan'i Shina sy Rosia ny nibahana ny hetsika rehetra hamelezana an'i Syria, na eo aza ny fihetsika feno herisetra hanampenan'ny governemanta ny vavan'ireo mpanao hetsi-panoherana. Momba ny raharaha Iran, olana goavana ho an'ireo mpiara-dia amin'ny OTAN, dia ilaina ihany koa ny faneken'i Shina, Rosia ary India.

Hitsabaka sa tsy hitsabaka?
Samy mahabe resaka daholo ny olan'i Syria sy Libya. Raha ny marina, noporofoin-dry zareo fa manana fomba samihafa enti-miatrika fifandonana ny hery ‘tranainy’ sy ny ‘vaovao’,  ary misy fomba fijery samihafa entina manohana ireny fanapahan-kevitra ireny.  Alex Thurston, manomana doctorat ao amin'ny Departemantan'ny Finoana – Anjerimanontolon'ny Northwestern, Illinois, ao amin'ny blaoginy sahelblog dia mihevitra fa ‘Hadisoana ny Fitsabahan'ny OTAN’  tany Lybia :

Raha tsy jerena ny hoe nitondra faharavàna maro ny ady an-trano, heveriko fa raha tsy nisy fitsabahan'ny Tandrefana, betsaka ny vintana hoe mety ho resin'ny ankolafy Kolonely Muammar Qadhafi ny mpihoko ary mety mbola tavela teo amin'ny fitondrana i Qadhafi, zavatra iray izay mety ho nampihena ny faharavana tao amin'ny faritra no vokany.

Lova avy amin'ny Ady Lehibe faha  II
Ireo firenena manan-tantara amin'ny fomba ntaolo mitsabatsabaka amin'ny raharaham-paritra dia manome tsiny ireo hery ‘vaovao’ ho tsy mihetsika amin'ny anaran'ny zon'olombelona. Ireo hery ‘vaovao’ miteny fa ny fitsabahana dia vao mainka manimba fa tsy manasoa. Amin'ny ankapobeny ny firenena rehetra dia mihetsika ho amin'ny tombontsany. Raha ny misy, tamin'ny taona lasa,  dia nanararaotra nanosika ny toekareny i Shina sy ireo firenena hafa tamin'ny alàlan'ny fifandraisana ara-toekarena ananany, nihoatra ny 700 lavitrisa dolara ho an'ny resaka fiarovana no fandanian'i Etazonia, ny betsaka indrindra taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, araka ny  Time. Ilay Breziliana mpanao gazety, Pepe Escobar, dia misisika miantso ny fitsabahan'ny ‘Andrefana’ ao Syria, “Ny ‘sandan'ny afobe’ amin'ny Ady Masin'ny OTAN” [Pt]:

E, enquanto o “ocidente” flerta com a Guerra Santa, as empresas estatais chinesas compram mercadorias feito doidas, por todo o Oriente Médio, Norte da Áfria e América do Sul – além de ampliar seus estoques de terras raras nas reservas estratégicas…..

Ary raha mitankisinkisina amin'ny resaka “Ady Masina” ny  “Andrefana”, ny fanjakàna Shinoa dia nanana ireo orinasa nividy gaboraraka ny vokatra avy amin'ny faritra Afovoany Atsinanana manontolo, Afrika Avaratra sy Amerika Atsimo – fanampin'ny fanitarany ny loharanon-karena voajanahary sarobidiny anatinà tahiry stratejika….

Ao anatin'ny fifandrindrana misy eo amin'izao tontolo izao ankehitriny – izay nisovohan'ny rafitra marolafy iraisam-pirenena ny rafitra tontolo tsy misy afa-tsy tendro roa nifampizaràn'i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika taloha – dia niova ny anjara toerana misy ny OTAN – manova zavatra araka ny fijerin'i Hans Christof von Sponeck, Sekretera Jeneraly lefitra fahiny tao amin'ny Firenena Mikambana:

Ny iraka (ho an'ny OTAN), voafaritry ny Fifanarahan'i Atlantika Avaratra tamin'ny 1949, tany am-boalohany dia niandraikitra ny fiarovana ireo fanjakàna mpikambana ao anatiny. Tany am-piafaràn'ny Ady Mangatsiaka, tamin'ny 1989, dia hita ho tena feno tanteraka ny iraka nampanaovina azy. Kanefa, ireo mpikambana ao amin'ny  OTAN dia naniry ny hitazona ity fifamatoran'ny Tandrefana ity.  Nitarika ho amin'ny fikatsahana ny anjara andraikitra vaovaon'ny OTAN io.

ISN logoIty lahatsoratra ity sy ny dikanteniny amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay dia fangatahan'ny International Security Network (ISN) tafiditra ao anatin'ny  fiaraha-miasa hikatsahana hamoahana ny feon'ireo olon-tsotra mikasika ny fifandraisana irasam-pirenena sy ny fandriampahalemana eran-tany.  Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'ny ISN ity lahatsoratra ity, jereo eto ny tantara mitovitovy amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.