Ny Rafitr'Anaran-Tokana Ao Myanmar

Raha misy olom-pirenena Myanmar milaza fa tsy manana anaram-pianakaviana izy, manontany foana matetika ny vahiny hoe nahoana. Angamba iray amin'ireo firenena vitsy manerantany na farafahakeliny 90 isan-jaton'ny mponina ao Myanmar no tsy manana anaram-pianakaviana. Mety samy manana anarana samihafa ny fianakaviana iray ary samihafa tanteraka ihany koa ny halavan'ny anarana.

WhatIsMyanmar nanoratra ny fampiasana rafitra anarana tokana ao Myanmar:

Saingy ho anay, Myanmar, teny fotsiny ihany avy amin'ny tantara nosoratana tamin'ny teny anglisy ny anaram-pianakaviana. Tsy mampino nefa tena marina! Tsy manana anaram-pianakaviana mihitsy izahay. Ary tsy misy toeran-kafa hanoratana anarana fanampiny amin'ny taratasy fenoina na fisoratana anarana AO MYANMAR.

Mpivarotra ranom-boakazo fary ao Myanmar. Sary tao amin'ny pejy Flickr an'i Michael Foley, CC License

Ary nanazava ny fomba famenoan'ny olona  avy ao Myanmar ny taratasy fisoratana anarana ahitana anarana sy fanampin'anarana:

Rehefa mameno taratasy fisoratana anarana amin'ny aterineto, tsy manan-tsafidy afatsy ny mameno ny toerana hanoratana ny anaram-pianakaviana izahay, izay tsy maintsy fenoina. Ka inona ary no soratanay? Ho ahy manokana, teny roa voalohany amin'ny anarako aloha no soratako eo amin'ny anarana voalohany ary avy ny ambiny apetrako eo amin'ny anarana farany. Hafahafa? Amin'izany, mety manontany ianao hoe firy ny litera isaky ny anarana? Ny valin-teniko mazava dia hoe “arakaraka”. Eny, arakaraky ny anarana nomen-dray aman-dreny na ny olona nisafidy ilay anarana.

Twobmad nilaza ny olana hatrehin'i Birmania any ivelany:

Sahirana foana aho rehefa tsy maintsy mameno ny anarana sy ny fanampin'anarana. Mipoitra ihany koa izany olana izany rehefa misy namana manontany ny anarana fiantso ahy. Sahirana kely ihany koa anefa izy ireo. Satria rehefa miantso ahy amin'ny “fanampin'anarako izy”, tsy toy izany ny fiantson'ny fianakaviako ahy na ny fiarahamonina manodidina ahy, izay miantso ahy amin'ny fanampin'anarako, hafahafa amiko kosa rehefa miantso ahy amin'ny anarana izay tsy mba fandreko sy mahazatra ahy ny namako

Ba Kaung nanoratra lahatsoratra bilaogy momba ny fanomezana anarana ao Myanmar, izay mifandraika amin'ny finoana ara-panandroana :

Taona vitsy lasa izay,  rehefa nahita ireo fanao ara-kolontsaina samihafa manerana izao tontolo izao aho, dia nahatsikaritra fa hafa mihitsy no sady tokana ny fomba amam-panao Birmana amin'ny fanomezana anarana tokana. Manamarika ny fikambanan'ny mampiavaka ilay olona sy ny kajikajy fanandroana amin'ny andro nahaterahan'ilay olona, andro amin'ny alimanaka birmana ny anarana .

Nitantara momba ny tovona birmana “U” (tononina hoe òu) amin'ny  “U Thant” ihany koa izy izay zava-dehibe ho an'ny Birmana saingy afangaron'ny vahiny matetika. Fanampin'izany, misedra olana lehibe ihany koa matetika ireo olona tsy manana anarana afatsy litera iray toy ny hoe “U”, “Ma”, “Daw”, sy ny sisa amin'ny fitadiavana anaram-pianakaviana, izay tsy tena anarany rehefa tononina:

Anisan'ny zava-dehibe ihany koa ny fanajana  rehefa miantso ny anaran'ny mponina ao Myanmar. Alohan'ny hanononana ny anaran'olona iray, miarahaba aloha ho mariky ny fanajana, izay fiarahabana arakaraky ny taonan'ilay olona, ny fifaneraserana misy eo amin'ny roa tonta miresaka, sy ny karazana ( lahy sa vavy). Sokajiana ho toy ny tsy fahalalam-pomba ny tonga dia miantso ny anaran'olona iray.

Rehefa miresaka amin'ny olona mbola tanora na mitovy taona aminao, ireto no ampiasaina alohan'ny hanononana ny anarany,
“Ko” ampiasana amin'ny lahy.
“Ma” ampiasana amin'ny vavy izay fiteny fahalalam-pomba.

“Maung” kosa no ampiasana amin'ny lahy izay fiteny mahalala fomba ihany koa.

Rehefa miresaka amin'ny olon-dehibe kosa indray dia ireto no ampiasaina alohan'ny hanononana ny anarany,
“U” na “Oo” amin'ny lahy izay fiteny mahalala fomba.
“Daw” amin'ny vavy izay fiteny mahalala fomba.

Satria tsy manana anaram-pianakaviana ny olom-pirenena ao Myanmar, tsy mila manova ny anarany ihany koa ny vehivavy rehefa manambady, Dharana nanoratra hoe:

Ny fanononana tsara ny anaran'ireo mpiara miasa amiko no tanjoko fahatelo. Miankina amin'ny andro anatin'ny andro izay nahaterahana  ny anaran'ny olona Birmana ka izany no antony tsy isian'ny anaram-pianakaviana. Midika izany fa tazomin'nyvehivavy hatrany ny anarany feno na aoriana ny fanambadiana aza– zavatra iray tena mahafa-po ireo mpiara-miasa amiko vehivavy izany

Etsy andaniny, manaraka ny fomba fametahana anaram-pianakaviana kosa ny foko sasany ao Myanmar , ary ny taranaka Indiana sy ny Kristianina. Lionslayer nanazava fa manana anaram-pianakaviana ny olona vitsivitsy ao Myanmar:

Misy ireo olona sasany tia mitondra ny anaran-drainy araka ny rafitra Britanika. Aung San Suu Kyi ohatra zanaka vavin'i Aung San ary i Hayma Nay Win kosa zanaka vavin'i Nay Win. Mety mahita izany toe-javatra miavaka izany ianao. Efa te-hanome anarana ny zaza voateraka arakaraky ny fanandroana ny mponina Birmana fa tsy anaran'olo-kafa intsony. Manana anaram-pianakaviana ny foko sasany ao Myanmar. Mitondra ny anaran-drainy na ny anaran-draibeny kosa ny Miozolomana sy ny Kristianina sasany

Nofeheziny hoe tokony hametraka rejistra na bokim-pianakaviana ny governemanta ao Myamnar satria sarotra ny mamantatra ny tetiarana:

Misy lafy ratsiny ihany ny tsy fananana anaram-pianakaviana. Satria sarotra ny mamantatra ny taranaka tany aoriana efa mihoatra ny taranaka 5. Tsy dia olana lehibe izany raha manana rejistra momba ny fahaterahana i Myanmar. Antenaiko fa hametraka izany fanamby sy sampan-draharaha-pitadiavana [tetiarana] izany ny governemanta. Na dia izany aza, Tsy irery eto ambonin'ny tany isika amin'ny tsy fananana anaram-pianakaviana. Satria vao avy nahare aho fa maro amin'ny fokoAziatika sasany ihany koa no tsy manana anaram-pianakaviana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.