Mitandroka An'i Rosia ‘Lehibe’ i Georgia ‘Kely’ Miaraka Amin'ny Media Vaovao

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray momba ny  Fifandraisana & Fahatoniana Iraisam-pirenena.

Zeorzia, any atsimon'i Rosia, no tena sary maneho ny atao hoe tena fanjakana kely:  vahoaka faran'izay vitsy no ananany, toekarena an-dalam-pandrosoana, ary ady sisintany amin'i Rosia goavambe mpifanolo-bodirindrina aminy. Tamin'ny Aogositra 2008 rehefa nanani-bohitra fotoana fohy monja tao amin'ity fanjakàna kely ity i Rosia, tsy dia nahagaga ny olona loatra ny tsy nahafahan'i Zeorzia nanohitra io fanehoan-kery io.

Raha ara-pamaritana, ny firenena bitika iray tsy ho afaka hanana tetikasa ara-tafika sy ara-toekarena araka ny tokony ho izy hiatrehana fanozongozonana filaminana toy izany. Koa satria tsy misy an'izany “fahefana matanjaka” izany azon'izy ireo  ianteherana, dia matetika no ‘fahefana malefaka’ no avela ho an'ireo firenena bitika ho hany fitaovana enti-mandresy lahatra ireo mpifanandrina aminy. Ny Fanjakana malefaka dia tonga miaraka aminà laro maro hafa, ary tsy ambaka amin'iireny ny diplaomasiam-panjakana sy ny ronono an-tavy, ireo otrikarena lafo vidy nenti-paharazana. Soa ihany ho an'i Zeorzia, mora kokoa ny mampihatra ilay fahefana malefaka ao anatin'izao tontolon'ny serasera misy ankehitriny izao.

Ho anà fanjakana iray tsy mifankahazo ara-politika amin'i Rosia ( maniry hanatevin-daharana ny OTAN izy ary efa ela no nanohitra ny hidiran'i Rosia ao anatin'ny OMC), mahagaga fa mitàna toerana sy laza tsara eny anivon'ny vahoaka Rosiana i Zeorzia. Amin'ny ampahany, izany dia noho ny fifandraisana ara-tantaran'ilay firenena tamin’ Rosia, ary ny fankafizan'ny Rosiana ny sakafo sy divay Zorziana. Antony iray hafa, na izany aza, dia ny fampiasàn'ny Zeorziana ny vondrom-piarahamonina anaty aterineto hametrahana ny fahefana malefaka.

Image uploaded by Flicker user Summersso CC BY-ND 2.0

Sary nakarin'ilay mpampiasa Flickr Summersso CC BY-ND 2.0

Na dia mamoaka amin'ny teny Zeorziana aza ny ankamaroan'ireo bilaogy Zeorziana, dia misy ihany koa maromaro amin'ny Rosiana no mahay  ny teny Zeorziana ao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy malaza  LiveJournal (LJ) ao Rosia (azo jerena ato [ru] ny lisitra ahitàna biloagera 200 toy izany. Raha toa ka ilaina ny haningana lehilahy iray amin'ireny bilaogera ireny, dia i cyxymu [ru] izay.) Ity  Abkhazian bilaogera ity dia mamela hafatra manodidina ny efapolo isan'nadro, izay mahatonga azy ho ‘endrika’ mahazatra ho an'ireo mpanjohy ny RuNet (Aterineton'i Rosia).

Matetika i cyxymu no mampiditra ireo Rosiana bilaogera ho anaty adihevitra mikasika ny fifandraisana Rosiana-Zeorziana. Ohatra, nitatitra betsaka ny fifandonana tamin'ny 2008 izy, ary vokatr'izay dia toa nanjary nahatonga azy ho ao anaty lasibatry ny hafa. Tamin'ny 2009 ny Twitter sy bilaoginy dia niharan'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny  DDoS,  mitovy tsy misy hafa amin'izay natrehan'ny Rosiana mpikambana ao amin'ny mpanohitra tsy ela akory izay.

Toa nifanindry tamin'izany, mpikambana iray avy amin'ny fanoherana Rosiana no monina sy mibilaogy avy any Zeorzia amin'izao fotoana, Oleg Panfilov [ru] (olegpanfilov2). Ny bilaoginy voalohany dia nojirihan'ilay mpijirika fanta-daza Hell, ary ankehitriny izy dia mamoaka lahatsoratra fito isanandro, ka ao anatin'ireny no anakianany an'i Kremlin, na koa hiderany ny hakanton'ireo Zeorziana mpiara-miaina aminy.

Amin'ny ankapobeny, ireny sy ireo bilaogera hafa dia manome hevitra isan'andro ho an'ny Rosiana momba ny fiainana ao Zeorzia, mazàna miaraka amin'ny sary [ru]. Na dia mety ho manakiana ny governemanta Saakashvilli aza ny sasany amin'izy ireny, mazàna izy ireny no manome fomba fijery manindrahindra ny fanovàna natombony. Ireo Zeorziana bilaogera dia mahatsapa ny fananany Rosiana ho mpamaky, raha ny marina, araka izay nofaritan'ny dinika nanodidina latabatra tamin'ny 14 Jona tao Tbilisi [ru], maro amin'izy ireo no manoratra amin'ny teny Rosiana noho ny antony manokana hampitomboana ny isan'ireo Rosiana hanaraka azy.

Mandritra izany, ny governemanta Zeorziana dia naka fomba fanao hafa mihitsy. Vao haingana, i Rustem Adagamov, Rosiana mpitoraka bilaogy an-tsary dia nahazo fanasàna hitsidika an'i Zeorzia avy amin'ny Ministeran'ny Toekarena. Ireo lahatsoratra maro nosoratany taorian'ny niverenany dia fifangaroanà fitantaràna fitsangantsanganana sy dokambarotra goavana ho an'ny departemantan'ny fitsarana sy ny  mpitandro filaminana ao amin'ny polisy [ru] Zeorziana, izay vao avy navaozina.

Adagamov no ohatra faran'izay akaiky indrindra amin'ireo Rosiana bilaogera nahazo fanasàna ho any Zeorzia avy amin'ireo sampan-draharaha samihafa ao amin'ny governemanta. Ny polisy Zeorziana izay toa lavitry ny kolikoly raha ny fijery azy no isan'ny lohahevitra iray nojerena manokana. Tamin'ny taona lasa, mpitoraka bialogy an-tsary iray hafa, i zyalt, no nanoratra lahatsoratra iray [ru] tena tsy misy hafa amin'izay, izay fitsimponana sy fanambatambarana avy aminà lahatsoratr'ireo mpanoratra tany alohany [ru], izay niteraka fanamelohana hoe fitorahana bilaogy voakarama.

Na dia toa mampiasa tetikady voarindra aza ny governemanta Zeorziana amin'ny fanakaikezana ny vahoaka Rosiana amin'ny fampiasàna am-pahendrena ny media vaovao, tsy mbola mazava na hitondra vokatra haingana izy io na tsia. Izany eo ihany, eo ambanin'ny demaokrasia tsara rafitra no mandeha tsara ny diplaomasiam-panjakana.

ISN logoIty lahatsoratra ity sy ny dikanteny amin'ny fiteny Espaniôla, Arabo ary Frantsay izay  notohanan'ny International Security Network (ISN) dia ampahany amin'ny fiaraha-miasa hikatsahana ny hanomezana toerana ny feon'ireo olon-tsotra momba ny olana erantany eo amin'ny fifandraisana sy fahatoniana iraisam-pirenena. Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny bilaogy ISN, jereo ato ny tantara sasany mifandraika amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.