Londona: Mihoatra Lavitra Ireo Medaly Ny Fandresen'ny Bangladeshi

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika Any Londona 2012 ity lahatsoratra ity.

Baron Pierre de Coubertin, ilay mpamorona ny Lalao Olaimpika dia nilaza fa tsy ny fandresena no zava-dehibe amin'ny Lalao Olaimpika fa ny fandraisana anjara, tahaka ny hoe tsy ny fahombiazana no zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainana, fa ny fikirizana. Manaraka ny teniny i Bangladesh.

Nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika io firenena ao Azia Atsimo io hatramin'ny 1984. Nefa tahaka ny teo aloha, tsy manam-po ny hahazoan'ny mpifaninana Bangladeshi medaly amin'ny Lalao Olaimpika i Bangladesh.

Tsy afaka nandray anjara mivantana tamin'ireo fanatanjahantena atao anatin'ny hetsika ara-panatanjahantena goavana indrindra eran-tany i Bangladesh. Miaraka amin'ny fanampian'ny rafitra ‘wild card’ [bn] dia tonga any Londona ny ekipan'i Bangladesh handray anjara amin'ny Lalao Olaimpikan-dohataona 2012. Amin'ity indray mitoraka ity dia nahazo “wild card” ho anà lalao dimy i Bangladesh – atletisma, tifitra, lomano, zimnastika ary “tir à l'arc”. Efa-taona lasa izay nandritra ny Lalao Olaimpika tany Pékin, lalao telo ihany no afaka nandraisan'i Bangladesh anjara.

London 2012 Opening Ceremony, Lights and Fireworks Display at Tower Bridge. Image by Jaki North. Copyright Demotix (27/7/2012)

Lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012, Fampisehoana Hazavana sy Afomanga tany Tower Bridge. Sary an'i Jaki North. Copyright Demotix (27/7/2012)

Fantatr'ireo Bangladeshi fa mety tsy hahazo na dia medaly iray aza ny ekipany, nefa manantena ireo mpiandraikitra sy ireo mpilalao fa hanome ny tsara indrindra avy aminy izy ireo mandritra ny Lalao Olaimpika.

Raha mihevitra ianao fa ity no faran'ny nofinofin'i Bangladesh momba ny Lalao Olaimpika, dia diso ianao. Mandritra ny hetsika amin'ity taona ity dia nanao  fahagagana tamin'ny fandraisana anjara avo kokoa, tsy ao anatin'ny kianja fa aty ivelany koa ireo Bangladeshis! Mety hanontany ianao hoe , “inona izany fahagagana izany?”

Namerina namoaka lahatsoratra irao ao amin'ny Facebook mitondra ny lohateny hoe “Before opening, London Olympics bring rare honor to Bangladesh”, na “Talohan'ny fanokafana, nanome voninahitra manokana an'i Bangladesh ny Lalao Olaimpika”, i Rezaul Karim ao amin'ny bilaoginà vondron'olona Somewherein.net. Manoratra izy [bn]:

Mpifindra monina Bangladeshi maro any Angletera no nandray anjara tanatin'ny fikarakarana ireo Lalao Olaimpika tamin'ity taona ity.

Ny Afo Olaimpika eny an-tànan'i Rukshana:

Olona manam-bintana valo arivo no nilanja ny afo Olaimpika manerana an'i Angletera, avy amin'ny toerana iray mankany amin'ny iray hafa. Tsy maintsy olona notsngaina manokana ireo nilanja ilay afo. Mpifindra monina Bangladeshi sivy any Angletera no nilanja ny afo tamin'ity taona ity nanangana tantara, ary iray amin'izy ireo i Rukshana. Ny 21 Jolay, nilanja ny afo Olaimpika izy ary nihazakazaka tany amin'ny faritr'i Greenwich. Tompon-dakan'ny kickboxing Britanika io tovovavy teratany Bangladeshi io.

Saiman Miah, nanao ny endriky ny vola vy an'ny  Lalao Olaimpika:

Nisy vola vy £5 roa fahatsiarovana navoakan'ilay Britanika mpamokatra vola vy, Royal Mint. Ho an'ireo vola vy dia nalaina avy amin'izay nandresy taminà fifaninanan'ireo mpianatra haikanto sy fanaingoana manerana an'i Angletera. Saiman Miah, teratany Britanika-Bangladeshi no nandresy tamin'io fifaninanana io tanatin'ireo fandraisana anjara an'arivony. I Saiman dia mpianatra maritrano any amin'ny Anjerimanontolon'i Birmingham. Efa novidian'ireo mpankafy manerana izao tontolo izao io vola vy fahatsiarovana ny 2012 io.

Sougata priyam, zazakely mpanakanto tamin'ny lanonana fanokafana:

I Sougata Priyam dia zazalahikely miramirana sivy taona. Tsy vitan'i Minkashi Dasy renin'i Sougata, ny mampahalala azy ny halehiben'ny Lalao olaimpika. Nilaza i Sougata, “mpianatra 30 avy ao amin'ny fianaranay no handray anjara anatin'ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika. Manana namana maro aho ankehitriny, ka faly mandray anjara amin'ny famerenana.” Nilaza izy, tamin-toky: “mety mbola faly aho raha afaka hanao izay zavatra tiako.”

Ayesha Qureshi Mamirapiratra:

6 Jolay 2005 tamin'izay. Nihaona tany Singapore ireo Kaomity Mpikarakara ny Lalao laimpika (OCOGs) hanapahan-kevitra mikasika ny tanàna izay hampiantrano ny Lalao Olaimpika 2012. Izany ady nafotaka izany dia teo amin'i Londona sy Parisy. Isan'ireo mpikambana 11 avy ao amin'ny kaomity Olaimpika nanolotra an'i Londona ilay teratany Britanika-Bengali antsoina hoe Ayesha Qureshi.

Namaky ny fahanginana ireo ankizy 33 nipoitra teo amin'ny kianja. Ny zavatra nanamarika tamin'ireo ankizy ireo dia teratany Britanika izy ireo nefa nanana razambe any amin'ireo firenena 33 samy hafa eran-tany. Nampiseho ny tena lokon'i Londona manana kolontsaina maro sy ny karazany, manana teny maro samihafa izy ireo. Nahatalanjona ireo vahiny nanatrika izany lanonana izany io fampisehoana io, ary nahazo tsikim-pandresena i Londona tamin'ny fiodinana farany, nahazoany vato efatra mihoatra noho ny an'i Parisy. Hevitr'i Qureshi ilay fampisehoana ankizy 33 avy amin'ireo firenena samy hafa.

Nampahafantatra [bn] antsika ny mombanà Bengali iray hafa ny bilaogy Sobar, izay hambabo ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika miaraka amin'ny fampisehoany dihy:

Mpanao dihy mirindra amin'ity lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika ity ny teratany Britanika-Bangladeshi Akram khan. Zanakalahinà mpivady mpifindra monina avy any Bangladesh izy. Eo ambany fiadiadiany, mpandihy roa arivo sy iray alina no hampiseho ny talentany mandritra ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika.

Mandritra ny Lalao Olaimpika, hita ihany koa ny tsiron'i Bangladesh. Mitatitra ny gazety ao anaty aterineto Sylherter Alap [bn]:

Ny Sefo nahazo marim-pankasitrahana sady tomponà trano fisakafoanan'i Enam Ali, ny ‘Le Raj’ dia voafantina ho isan'ireo mpamatsy safako ofisialy mandritra ny Lalao Olaimpika. Ny ‘Le Raj’ dia trano fisakafoanana malaza sady mpanome sakafo curry any Epsom Downs, Surrey. Ankoatry ny curry, hikarakara sy hanome Iftar ho an'ireo vahiny Silamo any amin'ny Lalao Olaimpika ny ‘Le Raj’ [fanamarihana: ny Iftar dia sakafo hitsaharan'ireo Silamo amin'ny fifadian-kanina nandritra ny andro lavabe bifadiany hanina tao anatin'ny iray volan'ny Ramadany ho an'ny Silamo].

Tsy handroso sakafo an'ireo mpifaninana fotsiny ihany ny Le raj, fa ho an'ireo mpiasam-panjakana ambony, filohan'ny governemanta, minisitra, mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ireo olo-manan-kaja maro. Hita miaraka amin'ireo sakafo hafa avy any amin'ireo firenena Aziatika ireo ny sakafo malaza any Bangladesh.

Tsy ivelan'ny kianja ihany, hahatratra ny ao an-kianja ihany koa ny dian-tànan'i Bangladesh – ary mifandray amin'ny ezak'ireo mpilalao maro. Mampahafantatra ny Bdnews [bn] fa mandritra ity Lalao Olaimpika ity dia iray amin'ireo firenena mamokatra ny maro amin'ireo fanamiana ho an'ireo mpifaninana i Bangladesh:

Ireo mpamokatra akanjo sy kojakoja ara-panatanjahantena, tahaka ny Adidas, Puma ary Nike no ho mpamatsy akanjo goavana indrindra mandritra ny Lalao Olaimpika. Manamboatra ny akanjony any amin'ireo firenena tahaka an'i Bangladesh, Inde, Sri Lanka ary Indonezia ireo orinasa ireo. Nefa anatin'ity orinasa ity dia ambony noho ireo hafa i Bangladesh.

Adidas, iray amin'ireo mpamokatra ny akanjo ofisialin'ny Lalao Olaimpika, dia mpanohana ihany koa ny tarika Britanika. Mandritra izany dia n y Nike no mpanohana ny tarika avy any Etazonia, Shina, Alemaina ary Rosia. Ankoatry ny fanamboarana ny fanamiana ho an'ireo firenena maro hafa, Puma koa dia mpanohana ilay kintan'ny fanatanjahantena, Usain Bolt. Maro amin'ireo fitafiana hijolorany no namboarin'ireo mpiasa Bangladeshi tany amin'ireo orinasa any Dhaka.

Noho izany raha misy olona mikaroka an'i ‘Bangladesh’ ao anatin'ny fàfan'ny medaly, ho diso fanantenana izy. Nefa raha te-hikaroka ireo olona miezaka ny hahalavorary ny Lalao Olaimpika izy ireo, hamirapiratra eo ny anarain'i Bangladesh.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.