Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.
Ilaina ny manamarika fa tsy io no tranga voalohany amin'ny fandoroana tena tany Maoritania. Roa taona lasa izay, taorian'ny fandoroana tena nataon'i Bouazizi, Yacoub Ould Dahoud [ar], olom-pirenana Maoritaniana, dia nandoro tena ho fanoherana ny tsy rariny, taorian'ny namelany hafatra tao amin'ny bilaoginy nanakianany ny toe-javatra misy ao Maoritania.
Nitatitra irny loharanom-pampahalalam-baovao fa tezitra ilay diplaomaty satria ny fitondràna Maoritaniana dia nandrara azy tsy hamonjy ny toeram-piasàny, ary nanolo [ar] azy taminà diplaomaty hafa izay tsy manana mari-pahaizana na fahaiza-manao akory. Kanefa, ny loharano sasany, hoy ny tatitry ny fianakavian'ilay diplaomaty dia nilaza fa nandalo fikorontanan-tsaina [ar] tena sarotra izy.
Mandritra izany, naneho ny hatairany ny vondronà diplaomaty Maoritaniana iray mikasika ny volavolan-dalàna iray momba ny rafitra diplaomasia tsy miankina amin'ny fanjakana, izay eritreretina hapetraka tsy ho ela. Ampangain-dry zareo ny fanilikilihana, ary ny fanaovana an-jorom-bala ny mpiasan'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, sy ny làlana diso arahan'ny ministera. Ampangain-dry zareo ihany koa ny manampahefana ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ho manao ‘kolikoly sy kiantranoantrano’ rehefa manendry mpiasan'ny ministera.
Ilay tranganà fandoroana tena dia nisarika ny sain'ireo Maoritaniana mpamiasa Twitter, izay nasiatsiaka tamin'ny fanehoan-keviny mikasika azy io.
Majdi Ahmed nanoratra hoe [ar]:
@mejdmr شياب تويتر الليلة أفطرو علي إشعال ديبلوماسي للنار في نفسه وبعض فضائح الحكومة التي لاتنتهي… الحمد لله الذي هداهم فصامو ورزقهم فأفطرو
@mejdmr رغم الزيادة المتواصلة في أسعار المحروقات، إلا أن ذالك لم يمنع بعض المواطنين من إضرام النار في أنفسهم !!
Nanao sarinteny amin'ny kabary iray ihany koa izy, izay nilazan'ny Filoha Maoritaniana, Mohamed Ould Abdel Aziz, fa vonona ny hanome solika ho an'izay tanora tsirairay maniry handoro ny tenany izy.
@mejdmr ولد عبد العزيز كان قد قطع وعدا علي نفسه بتوفير المواد المشتعلة اللازمة لأي مواطن يرغب في إشعال نفسه!
Ny Hetsiky ny 25 Febroary dia niady hevitra momba ny tranganà fandoroana tena ao Maoritania:
@m25fev وفاة موريتاني أحرق نفسه في مسلسل الاحتراق الذاتي جراء البؤس أو اليأس أو هما معا رجاءا أحرقوا الظالمين بدل احراق انفسكم
Mohamed Ould Sid'Ahmed dia nangataka mba tsy hararaotina ho lasa politika ilay trangan-javatra :
@med_sidahmed اذا كان الرجل اضرم النار في نفسه نتيجة اضطرابات نفسية فالمرجو احترام شعور عائلته بعدم توظيف الحادثة سياسيا. انا لله وانا اليه راجعون.
Sidi Ould Mohamed, mfaàna fo iray, dia niteny fa tsy nino ny maha-tratry ny fikorontanan-tsaina an'ilay diplaomaty izy :
@sidimedlemin لا أثق أن ولد آبيه بالأمس لم يكن في كامل قواه العقلية.. لقد وجدت شابا كلمه قبل قليل من إضرام النار في نفسه