Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’

Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny  tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia.

Voron-dia amidy ho biby fiompy anaty vàla

Vorona maherin'ny 54.000,  boloky sy “cacatoès” ny ankamaroany, no nafarana avy any amin'ireo nosy Solomon teo anelanelan'ny 2000 sy 2010 hatao  ‘biby fiompy anaty vàla’. Ahitàna vorona teratany avy ao amin'ireo Nosy Solomon izy ireny. Kanefa, nanamafy tamin'ny TRAFFIC ireo manampahefana ao an-toerana fa tsy manana foto-drafitr'asa hiompiana an'ireny vorona ireny anaty vàla araka ny tokony ho izy ireo Nosy , ary alohan'ny hanondranan-dry zareo azy, ireo mpiompy vorona voarakitra dia mampiasa ny toeram-ponenany ihany ho toy ny toeram-piompiana ireo vorona nohazaina tsy ara-dalàna.

Thousands of native Solomon Islands birds were exported as captive bred. Image from TRAFFIC.

An'arivony ireo vorona teratany avy ao amin'ireo Nosy Solomon no aondrana ho toy ny fiompy anaty vàla. Sary avy amin'ny TRAFFIC.

Ny Fikambanan'ireo Mpanjifa ao Penang, Malezia dia namaritra ny fomba nisamborana ireny vorona ireny :

Fomba fisamborana maro samihafa no nampiasaina ; ny iray dia ny fampiasàna ho jono ny vorona iray karazana amin'ilay kendrena, izay fatorana aminà tsatoka iray amin'ny tany ny tongony, ary notapahana ny tendron'ny elany mba hisorohana ny fandosirany.  Fomba iray hafa ny dity ; hosorana zavatra madity vita avy amin'ny voankazo sy tantely ny sampan-kazo. Ny vorona azo amin'ity fomba ity dia matin-karerahana noho izy ireo mikirazorazo mandrtra ny ora maro. Ny tena be mpampiasa dia ny harato. Ireo harato velarina manandrify ny zotra falehan'ireo vorona misidina dia matetika no efa fotoana elabe no nihantonany teo, mitarika fahafatesana miandalana […]
Dontoina amin'ny phenobarbitol na valium ireo vorona, dia afatratra aty fantsona lavabe vita plastika na vy namboarina mba hahafahan'ny rivotra mivezivezy sy mora entina tànana. Avy eo ry zareo entina anaty sidina ara-dalàna ho aminà toerana fandalovana toa an'i Singapore na Thailand na ireo firenena hivantanany farany.

Ny làlana izoran'ny varotra voron-dia

vladi0361 , mpampiasa YouTube, dia nizara ny fanadihadian'ny Environmental Investigation Agency momba ny varotra tsy ara-dalàna atao an'ireo boloky nosamborina tany an'ala tao Afrika sy Amerika Atsimo [Tandremo: misy sary mety hanohina ity lahatsary ity] :

Maro amin'ireo vorona voatanisa ao anatin'ny tatitry ny TRAFFIC no tafiditra anaty lisitry ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Varotra Karaza-Biby amam-Borona Atahorana ho lany taranaka, na ny “Convention on International Trade in Endangered Species of Wild Flora and Fauna (CITES)”, izay mamepetra ny famarotana ireo biby dia nosamborina. Kanefa, ireo mpanao bizina vorona dia nitrandraka sy nampiasa ny fomba filaza hoe ‘ompiana anaty vàla’ mba hialàna amin'ny fameperana iraisam-pirenena. Ny tatitry ny TRAFFIC dia nanositsoritra ny làlana izoran'ny varotra voron-dia :

Nandritra ny folo taona farany,  Singapore sy Malezia mitambatra no nanome ny 93% amin'ny vorona rehetra nafarana avy any amin'ireo Nosy Solomon, izay mbola ahitàna ny isa ambony ihany koa amin'ny fanondranana azy ireny indray avy eo, indrindra fa mankany Taïwan.

Na dia manana lalàna anatiny manakana ny varotra tsy ara-dalàna an'ireo voron-dia aza ireo firenena telo voatanisa etsy ambony, tsy mihatra araka ny tokony ho izy ny lalàna. Fa inona loatra àry izany ny olana any amin'ireo firenena ireo ?

Singapore: Tsy mahasakana ny bizina voron-dia ny lalàna henjana

Isan'ireo nanao sonia ny CITES tamin'ny  1986 i Singapore. Eo ambany lalànan'ny Karazana Tandindonin-doza (Fanafarana sy Fanondranana), dia fandikàn-dalàna ny fanafàrana na fanondranana karazana tandindonin-doza nefa tsy anànana fahazoan-dàlana. Na iza na iza olona na orinasa tratra mandika lalàna dia ho entina eny amin'ny Fitsarana ary hampandoavina sazy henjana na ampidirina am-ponja.

Ny Animal Concerns Research & Education Society (ACRE) dia nanipika fa na eo aza ireny lalàna henjana ireny, dia mbola toerana tena fandalovan'ny varotra biby sy zava-maniry dia tsy ara-dalàna hatrany no andraisana an'i Singapore :

Mbola hita mitohy hatrany ny dokambarotra anaty aterineto mikasika ireo biby dia amidy ho toy ny fanànana an-tokantrano any Singapore, izay fandikàna lalàna ihany koa any.

Malezia: Ilaina ny fanohanan'ny ao an-toerana amin'ny fampiharana ny CITES

Na dia niezaka ny hampiato ny fanafàrana tsy ara-dalàna voron-dia aza ny governemanta Maleziana tamin'ny fitakiana tamin'ireo mpanao ity varotra ity hanao fanambaràna ny  toerana niavian’ ireo vorona rehetra nafàrana, dia inoan'ny  Penang Fikambanan'ireo Mpanjifa fa ny governemanta dia tokony handray andraikitra bebe kokoa amin'ny fampiharana ny CITES.

Ny Convention on International Trade in Endangered Species of Wild Flora and Fauna (CITES) dia tsy ampy hery hiarovana ireo karazana ireo amin'ny varotra tsy ara-dalàna. Fifanarahana fotsiny ihany iny fa tsy sampan-draharaha afaka hanao lalàna hanery ireo nanao sonia azy hampihatra izay voarakitra ao anatin'ilay fifanarahana amin'ny alàlan'ny lalàna sy sampan-draharaha misy any aminy [..] Ny fanambiny dia ny hamondronana ireo tohana ara-politika ilaina mba hametrahana ho anaty fandaharanasam-pirenena ny resaka varotra an-tsokosoko zava-manan'aina avy any anty ala, sady hanosehana ny tomponandraikitra amin'ny fampiharana ny lalàna mba hanao asa mivaingana. Tokony ho laharam-pahamehan'ny governemanta ny ady atao amin'ireo mpanondrana an-tsokosoko.

Niantso ireo mpanjifa handray andraikitra sy hanakana ilay varotra an-tsokosoko ihany koa ilay fikambanana.

Taiwan: Tondraky ny varotra voron-dia ny tsena

Lahatsoratra iray [zh] tao amin'ny seha-piresahana iray Taiwanese ho an'ireo mpitia boloky no nanoritsoritra ny famarotana ireny vorona ireny an-tsokosoko.

台灣的販賣野生鸚鵡幾乎已到氾濫的地步,販賣野生鸚鵡的鳥店比比皆是,那些野生鸚鵡通常在走私至出口國時因殘忍的走私運送死傷慘重,到了出口國經過神不知鬼不覺手段依然可以合法的出口,所以這是許多販賣野生鸚鵡的鳥店都經合法進口過程,也有合法文件的原因…對於合法進口的野生鳥經合法程序有合法文件根本無從抓起,販賣走私鸚鵡的暴利是很少鳥店不賺的,因為國外進口的人工繁殖鳥的價錢往往大大地遠高於野生鳥價錢.

Tondraky ny boloky amidy tsy ara-dalàna i Taiwan. Hitanao eny rehetra eny ireo toeram-pivarotana vorona izay mivarotra ireny boloky avy any an'àla ireny. Avoaka an-tsokosoko avy any amin'ny firenena hafa ho any Taiwan ireny boloky dia ireny, amin'ny fomba tena mahatsiravina, ary maro no tsy mivoaka velona amin'izany dingana izany. Amin'ny alàlanà fantsona maro samihafa, vitan'ireo mpanao varotra an-tsokosoko ireo ny mampanao taratasy ara-dalàna ary manafatra “ara-dalàna” azy ireny ho ao Taiwan [..] Tsy misy làlana azo hanenjehana ireny mpivarotra tsy ara-dalàna ireny intsony vantany vao mahazo taratasy ara-dalàna ho an'ireo vorony ry zareo. Toeram-pivarotana vitsivitsy ihany no tsy nanohy intsony ny fakàna tombontsoa amin'ny famoahana an-tsokosoko ireo boloky dia, satria matetika no lafo kokoa ireo vorona tena nompiana tanaty vàla miohatra amin'ireo teny nosamborina tany an'àla.

Amin'ny lafiny iray, manafatra voron-dia i Taiwan, saingy araka ny tatitra iray avy amin'ny Fahitalavi-Panjakana ao Taiwan [zh], dia faritra mpanondrana boloky ihany koa ilay nosy :

目前的寵物鳥市場,鸚鵡就佔了七成,鸚鵡外銷年產值高達七十億,但是國內市場卻沒有人統計。…究竟台灣有多少繁殖場?有多少販售據點?有多少鸚鵡在市場上流通?沒有人知道。…目前大型繁殖場所產出的鸚鵡,大多銷往韓國、日本、中東、 美國以及大陸。

Ao anatin'ny tsenam-borona fiompy anaty vàla amin'izao  fotoana, 70% amin'ireo vorona no boloky. Ny sandan'ny fanondranana boloky isan-taona dia manodidina ny fito tapitrisa  Dolara Taiwan (manodidina ny  232 tapitrisa Dolara Amerikana). Kanefa, tsy misy ny antontan'isa mikasika ny tsena anatiny [..] Firy no isan'ireo toerana fiompiana boloky ao Taiwan? Firy no toeram-pivarotana mivarotra boloky? Boloky firy no mameno ny tsena? Tsy misy mahalala [..] Ny ankamaroan'ireo boloky avy amin'ireo toeram-piompiana lehibe no amidy any  Korea, Afovoany Atsinanana, Etazonia, ary any amin'ny Tanibe Shina.

Io tatitra io koa dia manazava fa mba hanavahana ny vorona ompiana ara-dalàna ao Taiwan sy ny biby naondrana an-tsokosoko, hatramin'ny Aprily 2011, dia tsy maintsy nametraka mari-pamantarana manokana ho an'ny boloky tsirairay ny governemanta ao Taiwan.

Niaraha-namoaka tamin'i Jane Ellis koa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.