29 Jolay 2012

Tantara tamin'ny 29 Jolay 2012

Manantena Ny Fandresen'ireo Atleta Valo Solontenany i Panama

  29 Jolay 2012

 Efa vonona i Panama handray anjara amin'ny lalao Olaimpika ao Londres miaraka amin'ireo atleta fito hifaninana amin'ny taranja atletisma, ady totohondry, judo, lomano ary taekwondo. Vitsivitsy ihany ny solontena saingy na dia izany aza, manana fanantenana ny Panamaniana izay mametra ny fahatokisany amin'i Irving Saladino, tompon-daka tamin'ny vikin-davitra (saut en longueur) nandritra...

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana

  Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana  ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra  tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka...

Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra

  29 Jolay 2012

Tandindonin-doza ny fiainan'ireo zaza bodo 240.000 noho ny fandraràna,vao haingana, ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritry ny FATA. Ireo mpikomy dia mihevitra fa hetsika fitsikilovana io fanentanana ho fanfefitry ny lefakozatra io, ary manohana azy ireo amin'izany ny filohan'ny foko.

Maneran-tany: Hazakazaka Handikàna teny ny Fahalalahan'ny Aterineto

  29 Jolay 2012

Hanomboka ny Lalao Olaimpika atsy Londona, nefa mientanentana amina hazakazaka hafa ihany koa ireo mpandika tenin'ny Global Voices Lingua: ny Internet Freedom Translathon,hazakazaka handikàna teny ny Fanambaràna ny Fahalalahan'ny Aterineto amin'ny tenim-pirenena sy tenim-paritra maro araka izay vita ao anatin'ny 24 ora. Ny tetikasa Global Voices Lingua dia ny fandikanteny fitandroana ny tenim-pirenena: tsy voatery ho atletan'ny Lalao Olaimpika ianao na mpandika teny be traikefa vao afaka miaraka aminay!

“Don't Fear the Internet”: Fijoroana Vavolombelona Momba Ireo Anaran-tsehatra Sy Ny Fahalalahana Miteny

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Lasa toeram-piadiana anaran-tsehatra momba ny fahalalahana miteny any Shily. Anatin'ity lahatsary iray vaovao avy amin'ny tetikasa “Don’t Fear the Internet”, manazava raharaha roa ny ONG 'Derechos Digitales' highlights : ny elmercuriomiente.cl sy ny estafadoscorfo.cl. Samy ohatry ny fikasan'ny fiadiana anaran-tsehatra mba hampangiana ny fitenenana ireo raharaha roa ireo.