Kiobà: Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Voadaroka, Voasambotry Ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Fandevenana An'i Payá

Ny 23 Jolay teo, nambaran'ireo mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny haino aman-jery vahiny any Kiobà fa raha iny niverina avy nandevina an'i Oswaldo Pay, mpitarika ny Vinavinan'asa malaza Varela sady nahazo ny loka Skharove an'ny parlemanta eorôpeana ho an'ny fiarovana zon'olombelona sy ny demokrasia ry zareo, dia nisambotra olona eo ho eo amin'ny 50  ny polisim-pirenena kiobàna.

Mpitarika ny fiarovana ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra, ny fahalalahan'ny fikambanana ary ireo zo fototra hafa ao amin'ny nosy i Payá. Fantatra amin'ny fomba fiasany tony sy tsy tia herisetra amin'ny fitadiavana fanavaozana izy. Tamin'ny 22 Jolay tany Bayamo, matin'ny lozam-piarakodia Payá sy ny mpiara-miasa aminy Harold Cepero. Mpandeha roa izay samy mpanao politika nivahiny tany Eorôpa no velona tamin'ilay loza.

Antonio Rodiles, any  Havane. Sary avy amin'i  Tracey Eaton, nalefa niaraka tamin'ny fahazahoan-dàlan'ny mpaka sary.

 

Ireo mafàna fo, isan'izany  Guillermo Fariñas sy Antonio Rodiles, izay mpitarika ny fikambanana mahaleo tena “Estado de SATS” fikaonan-dohan'ny manam-pahaizana ho an'ny fanavaozana ny politika any Kiobà no isan'ireo voasambotra.

Fotoana fohy taorian'ny nahafahany tamin'ny nitazonana azy, niresadresaka tamin'i Rodiles momba ilay tranga i  Ernesto Hernández Busto, teraka tany Kiobà, mpanoratra monina any Barcelone ary mpiserasera amin'ny bilaogy.  Notantarain'i Rodiles  ny fomba nipoiran'ny mpitandro filaminana raha teo ampivoahana ny tempoly indrindra ny mana-manjo, toerana nanaovana ny fotoam-pivavahana tany El Cerro faritra mpifanolo-bodirindrina amin'i La Havane. Nazavainy fa maro ireo naniry hitandrozotra ho any amin'ny fasam-bahiny Colón toerana tokony handevenana an'i Payá, saingy noraràn'ny mpitandro filaminana.

Nitantara ny fifandonana nisy i Rodiles raha nanandrana nisakana ny mpitandro filaminana tsy hisambotra namana iray, Julio Aleago Pesant  :

…[Oigo] un agente [que] le dice a otro: “Ahí va Aleaga Pesant, vamos a arrestarlo” […] [Me] volteo y voy tras ellos; le van arriba y yo los cuestiono y trato de impedir que lo agarren. Uno de ellos me grita, yo le respondo, y entonces siento que varios se me echan encima con violencia. Me defiendo y comienzo también a tirar golpes y patadas. Entre seis o siete me someten y me llevan hacia el carro de la policía…

…[Henoko] mpitandro filaminana iray niteny tamin'ny namany,  “Iny Aleago Pesant, ‘ndao samborina.” […] Nitodika aho ary nanatona azy ireo ; nanatona izy ireo dia nanontaniako sady nandramako nosakanana tsy hibeda azy (Aleago Pesant). Nikiakiaka tamiko ny anankiray tamin-dry zareo dia novaliako ary avy eo tsapako fa maro tamin'izy ireo no nibeda ahy tamin-kerisetra. Niaro tena aho ary nanomboka namely totohondry sy nandaka. Tokony ho  enina na fito tamin'izy ireo no nidina ary nitondra ahy teny amin'ny fiaran'ny mpitandro filaminana…

Nandefa ity lahatsary ity ny vondronà gazety ao Kiobà Hablemos izay azo  handrenesana ny fifamaliana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Amin'ity lahatsary manaraka avy amin'ny Euronews ity, azon'ny mpijery atao ny hahita ny faneren'ny mpitandro filaminana sy ireo lehilahy manao fitafin'olon-tsotra  ireo ny olona ho ao anaty fiarabe iray.

“Kiobà : disidentes detenidos en el funeral de Payá.” Lahatsary avy amin'ny EuroNews.

Nametra-panontaniana ny fianakaviana raha mety ho vokatry ny lalao kidaladala iny loza iny. Teny antenantenan'ny herinandro, Ny Miami Herald dia nitanisa kaonty iray avy amin'ny zanakalahin'i Payá izay nitantara tamin'ny mpanao gazety fa ireo mpandeha velona tamin'ilay loza dia nitantara tamin'ny manampahefana tany Espaina sy Soeda fa nisy fiara lehibe iray nandona ny fiaran'izy ireo ary nitarika azy hivoaka ny làlana. Ilay bilaogera sady manam-pahaizana amin'ny politika Etazonia-Kiobà, Phil Peters, dia nandefa fanambatambarana tatitra an-gazety momba ilay loza, izay mampiseho  tantara samihafa mikasika izay niteraka ny loza.

Nanontanian'i Hernández Busto i Rodiles tamin'ny famaranana ny resadresaka ny amin'ny fiantraikan'io “herisetra ara-batana nihatra nivantana” taminy io amin'ny asany dia novalian'i Rodiles hoe :

Desgraciadamente, estas barreras han pasado a ser parte de las pruebas a vencer en este sistema. Mi plan es seguir trabajando, ahora con una visión más clara de todo el esfuerzo que debemos ponerle a una transición pacífica a la democracia en nuestra tierra.

Mampalahelo, ireo sakana ireo dia manjary ampahany amin'ny  fanamby handresena io rafitra io. Ny fandaminako izao dia manohy miasa, ankehitriny, miaraka amin'ny fijery mazava kokoa ho an'ny ezaka rehetra tsy maintsy apetratsika anatinà tetezamita milamina sy demokratika ato amin'ny tanintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.