- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Atsimo: Fihaonam-be Voalohany Momba Ny Media Sosialy i Pakistana Sy i India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Pakistana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia-aterineto

Mafana tanteraka ny  andron’ny Zoma sy Asabotsy  tao Karachi nandritra ny fihaonam-be Pakistana-India SOCMM12. Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ary nitohy hatramin'ny 5:00 hariva ny fandahara-potoana, nisy ny adiny iray natokana amin'ny fanalàna hetaheta sy ny vavaka, niady hevitra, nifanakalo hevitra ary nandray lesona tamin'ireo mpandrindra ny adihevitra ny mpandray anjara. Somary betsaka ihany ny mpandray anjara miampy ireo fanasana hanatrika ny fihaonambe satria nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hosokafana  ny fidirana mandritra ny atoandro, ny andro voalohany. Na dia izany aza, tsy ilaozan’olana ny fikarakarana, anisan’ny olana lehibe tamin’izany ny fahazoana “visa” ho an’ny delegasiona Indiana

Beena sarwar [1] ao amin'ny Journeys to democracy (Dia lavitra ho amin'ny Demokrasia) nanoratra hoe:

Mitantara ireo olana mikasika ny  fahazoana “visa”,  Sabeen Mahmud [2] avy ao amin’ny Peaceniche [3], fikambanana mpanao asa soa anisan’ny mpikarakara ny fihaonam-be,  nanolotra fisaorana ho an’ny mpiasan’ny Komisiona Ambony Pakistana ao New Delhi  izay voatery niasa hatramin’ny  10 ora alina noho ny fandaminana ny antontan-taratasy mahakasika ny fahazoana visa, toy izany ihany koa ny mpanolotsaina ny Minisiteran’ny Atitany Rehman Malik, izay nanafaingana ny fahazoana visa.

Bina shah [4] naneho hevitra mikasika izany zava-nitranga izany:

Ny zava-dehibe tamin’ io faran’ny herinandro io dia ny fihaonana tamin’ireo vahiny nasaina avy any India, ka afaka nanatrika ny hetsika noho ny fanampiana manokana avy amin’ilay Senatora teo aloha Rehman Malik tamin’ny fanomezana visa ho azy ireo. Nihaona taminà mpanoratra malaza, mpanao gazety ary mpampianatra aho. Efa namaky ny tantara nosoratako ny iray tamin’izy ireo. Nataonay fampitahana ny fanamarihana momba an’i Karachi sy Bombay. Araka ny filazan’izy ireo, tsy misy sisin-tany na visa ny fampahalalam-baovao sosialy, saingy tsy azo ampitahàna aminà zavatra hafa ny fihaonana amin’ny mpifanolo-bodirindrina akaiky antsika.

Nahazo ny fanakianana avy amin’ireo bilaogera ao Pakistana ny fihaonambe, nisafidy ny tsy hanatrika ity fivoriambe izy ireo noho ny antony maro samihafa, anisan’izany ohatra araka ny filazan’ireo ny fanohanan’ny Ambasady Amerikana ny hetsika sy ny fanasana ireo vahiny avy amin’ny saranga manokana iray.

Kashif Aziz nanoratra lahatsoratra tao amin’ny Chowrangi [5] mitondra ny lohateny hoe “trolls liberals and wannabes”:

Hita miharihary ny fanohanan’ny mpiandraikitra ny departemanta an’ny Ambasady Amerikana ny fihaonambe Fampahalalam-baovao Sosialy Mela (aka SOCMM12) hikendrena ny fo sy ny sain’ny mpanao Media Sosialy Pakistaney. Na dia izany aza, tsy misolo tena ny Media Sosialy Pakistaney ny ankamaroan’ireo vondrona tonga nanatrika ny fihaonana. Mahatratra ireo mpiteny anglisy ao Pakistan tokoa ireo lazaina ho manana ny lazany fa ao anaty isan-jato bitika koa.

Casim Butt [6] nisioka momba izany zava-nitranga izany:

@casimbutt [7]: fantaro hoe ahoana? ny #USCG Lahore sy Karachi no nampiantrano ny  SOCMM12=) nilaza taminao fa tsy afaka miserasera intsony amin’ireo hafa ao #Pakistan, Asa tsara=)

Na dia teo aza ireo tsikera, niezaka nanasa tsy ny vahoakan’i India ihany ny ny fihaonambe momba ny fampahalalam-baovao sosialy fa nanasa indrindra ihany koa ny manodidina avy ao Lahore sy Karachi

.Sajshirazi nanoratra tao amin'ny bilaoginy nanasongadina ny media sosialy [8]:

Tamin'ity taona ity, notontosaina tao Karachi ihany ny (Vovonana) Media Sosialy Mela (#SOCMM12). Bilaogera mafonja mpifanolo-bodirindrina avy ao Lahore, mpisera Twitter, mpanoratra ary mpikatroka no tonga nanatrika ny fihaonambe (anisan’izany I Ali Aftab Saeed, Ali Dayan Hasan, Amin Shah Gillani, Ammar Aziz, Assad Zulfiqar Khan, Faheem Zafar, Faiza Sultan Khan, Khurram Siddiqi, Mehmal Sarfraz, Mehreen Kasana, Mira Hashmi, Nabiha Meher Shaikh, Nighat Dad, Nuzhat Saadia Siddiqi, Raza Rumi, Saba Gul, Shehryar Khalid, Syed Muneeb Ali, Taimur Rahman, Tuba Mehmood, Yasser Latif Hamdani, Rub Nawaz, Hasan, Abdul Majeed Abid sy ny mpanoratra namanao). Olona mavitrika avokoa izy ireo izay ao anatin’ny fikambanana, ka herim-po sy tanjona iombonana no iraisan’arahin’izy ireo. Sa tsy izany?

Anisan'ny taza-maso saiky manerana ny gazety lehibe ao amin'ity firenena ity ny lazan'ny melas satria nomena pejy  malalaka hitantarana ny fihaonambe izy.

Express tribune's coverage

Fitantarana manokana

Tsara ihany koa ny manamarika fa nisy ny fampisehoana mozika nalefa  nandritra ny fampahalalam-baovao sosialy mela, niarahana tamin'i qawalli (mozika netim-paharazana sufi) ny harivan'ny andro voalohany ary koa ny mozikan'i Laal ny harivan'ny andro faharoa. http://youtu.be/VcIVQxIi4aQ Fehiny, hita mazava tokoa fa nifaly havanja ny olona rehetra tonga tamin'ny fihaonamben'ny firaisan-tsaina ary  nankafy ny  soa sy ny zavatra rehetra azo natolotra azy araka izay betsaka. Niverina matetika nandritra ny fivoriana ny lohahevitra momba ny fandriampahalemana ka nisy ny antso nataon'ireo bilaogera ho amin'ny fitsipi-pitondratena (code d'éthique) ho an'ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny vahaolana mahomby amin'ny fandraisana andraikitra. Azonao jerena ao amin'ny  kaonty Flickr [9] ireo sary nandritra ny fihaonambe. Hahita fandriampahalemana ve ny firenen'i India sy Pakistan amin'ny alalan'izao fizotry ny fihaonambe izao? Mazava ho azy fa tsia, mitaky vahaolana ara-politika izany, saingy tokony misokatra hatrany kosa ny fifandraisana ary misy ny fomba tsara ahafahana manatanteraka izany mba hifaneraserana sy hitambaran'ireo mpiserasera ao amin'ny firenena roa tonta tamin'ny alalan'ny lesona  nomena azy ireo. Tanterak'ireo mpandray anjara tamin'ny SOCMM12 izany. Ellia khan, mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny SOCMM12, nilaza hoe:

‏@elliak: [10] Nahafinaritra ny andro faha-2 tamin'ny ‪#socmm12 [11]! Mahatsiaro ireo adalana!

Venkat Ananth, mpanao gazety mpanao fanadihadiana (chroniqueur) ao amin'ny yahoo nitsidika nanomboka tao Inde nilaza momba an'i Karachi tao amin'ny twitter:

@venkatananth: [12] @beenasarwar @IamOnir @karunajohn @Raheelk @imsabbah Definitely. Tanàna akaikin'i Bombay ato an-tsaina (stresy!) ary koa ny kolontsaina. Hatrany hatrany.

Onir, mpanao gazety mpaka sary tsy miankina nitsidika ny SOCMM12, ni-tweet hoe:

@IamOnir: [13] Taorina ny konferansa naharitra telo andro. #SOCMM12, ny faniriana iombonana dia ny “fanamorana ny fahazoana visa eo amin'ny roa tonta ary hamela ireo vahoaka hifanerasera”