Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe

Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Misy fihetsiketsehana isan'andro ao hatramin'ny 10 jolay no mankaty ary nanampy azy ireo ihany koa ny vondron'asa hafa tahaka ny mpamonjy voina (mpamono afo) sy ny mpiasam-panjakana. Efa nilaza ihany ka ny sendikàn'ny polisy sy ny tafika fa misy fetrany ihany koa ny faharetan-dry zareo.

Ny 19 Jolay maro ny fihetsiketseha-panoherana any amin'ny tanàna maro manerana an'i Espaina ho fanoherana ny filazana ny fampihenana nolazain'ny filoha Mariano Rajoy. Toy izany ihany koa ny  “Hetsi-panoheran'ny Tsy an'asa” an'arivony manado diabe manatona an'i Madrid avy any amin'ny tanàna tsy voaisa. Ny 21 jolay no andro ahatongavan-dry zareo ao an-drenivohitra.

Tsy mety tontosa hatrany ny fampihenana tetibola ataon'ny Antokom-bahoaka nandritra ny vanim-potoan'ny demokrasia ao Espaina sy ny fampanantenana nataon'io antoko politika io ihany, ary niteraka fahatezerana sy fidinana an-dalambe tao anatin'ny andro vitsivitsy farany teo ny ompa nataon'ny Parlementera Andrea Fabra ireo tsy an'asa tamin'ny alalan'ny fehezanteny malaza hoe “Que se jodan” [es] (Sokiro ry zareo) (araho ao amin'ny Twitter ny tenifototra #QueSeJodan ). Tsy ampilaminana indraindray ny hetsi-panoherana noho ny hatezeram-bahoaka raha manao famoretana azy ireo ny manampahefana.

Hetsika manohitra ny fampihenana tetibola ao Madrid. Sary Fotogracción.

Mitantara ny zavamisy amin'ny alalan'ny sary ny media sosialy sy ireo milaza tena ho mpampita vaovao mifaninana amin'ny gazety. Nangoninay ny sasany tamin'ireny. (Ny sary rehetra – ankoatra izay marihana manokana – dia nalain'i Fotogracción ary navoaka noho ny fahazoan-dalana CC BY-SA 3.0):

Tonga niaraka tamin'ny fitakiany ny mpihady rehefa avy nandeha an-tongotra 400km:

Mpihady mitondra saina rezionaly afovoan-tanàna Madrid.

Nisy fotoan-tsarotra ihany tao afovoan-tanànan'i Madrid ny andro manaraka ny fahatongavany. Tifirin'ny polisy misahana ny rotaka amin'ny bala fingotra ny mpanao fihetsiketsehana izay mamaly amin'ny hiakiaka hoe “mbà menatra” (12 Jolay). Indreto ny ohatra sasantsasany amin'ny lahatsary nangonin'ny takelaky ny Revolisiona Espaniola.

Sarin'ny hetsi-panoherana ny governemanta tampoka nataon'ny mpiasam-panjakana teo anoloan'ny Kongresy nandritra ny filazana ny fampihenana ny tetibola izay miantraika any amin-dry zareo tamin'ny 15 Jolay.

Mpiasam-panjakana mivory anoloan'ny foiben'ny antoko PP sy PSOE anoloan'ny Kongresy.

Vehivavy nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana.

Sarin'ny mpanao fihetsiketsehana vokatry ny fampihenana ny vola raisina sy ny tenin'ny depiote Andrea Fabra “Sokiro ireo”.

Afisy manamarika ny fikorontanana ara-tsosialy iainan'i Espaina.

Mpamono afo milaza ny tenany ho “may”:

Mpamono afo miditra an-tsehatra manohitra ny fampihenana ihany koa. Saripika @elcomerciodigit.

fiarabe ana mpamono afo miaraka amin ny mpanao fihetsiketsehana.

Lesona Ekonomia eo an-davarangana ambony iray ao Leganés, akaiky an an'i Madrid:

Fitarainana mazava manohitra ny fampihenana ataon'ny filoha Mariano Rajoy navoakn'i @janc1991

Miantso fihetsiketsehana manerana ny firenena ny sendikà ny 19 Jolay:

Afisy miantso hetsi-panoherana.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.