Mongolia: Mandinika Ireo Zanaka Sakadia An-dranomandry

Vitsy dia vitsy ary sarotra tratrarina ireo sakadia an-dranomandry. Nanao fanadihadiana lava momba ireo sakabe ireo ny vondrona manam-pahaizana avy ao amin'ny Snow Leopard Trust ary amin'izao fotoana izao dia manara-maso sakadia an-dranomandry vavy roa, Anu sy Lasya, ary nitsidika ny fonenan'izy ireo tany Gobi Atsimon'i Mongolia taorian'ny niterahan'izy ireo ny zanany.

Mitatitra ny fandinihan'izy ireo ao amin'ny bilaoginy i Orjan sy ireo mpiara-miasa aminy, Sumbee Tomorsukh avy ao Mongolia, Mattia Colombo avy any Italia, ary ny Dr. Carol Esson avy any Aostralia (mpitsabo biby ara-dalàna):

Ny 21 Jona 2012, nanao fitsidihana goavana tany amin'ireo tany fonenan'i Anu sy Lasya ny ekipanay any an-toerana. Isan'ireo fanadihadiana ekolojika mandritra ny fotoana lava ataonay ireo vavy roa ireo ary manana rojo GPS fanaraha-maso izay manampy anay mamantatra ny alehany. Miaraka amin'io rakitra io, afaka izahay mahazo fahalalana manan-danja be momba ny karazana misy ny sakadia an-dranomandry, ny fitoerany sy ny biby fihazany. Mamela anay hahatakatra bebe kokoa ireo sakadia an-dranomandry sy ny loza atrehan'izy ireo izany, ary hanao izay fara-herinay hiarovana ireo saka tadindonin-doza ireo.

Tamin'ny Mey, nanomboka nametra ny fihetsiny andavanandro anatinà faritra mihakely dia mihakely i Anu sy Lasya, izay noraisin'io ekipa io ho famantarana fa samy niomana hiteraka izy roa ireo. Namakivaky  tendrombohitra mideza sy vatovatoina, nanaraka ireo onjam-pamantarana VHF avy amin'ireo rojo ireo ny ekipa ary nahita ny fitoeran'izy roa ihany tamin'ny farany.

Nampiakatra lahatsary fohy momba ireo zana-tsaka roa mahafatifaty ireo ihany koa ireo manam-pahaizana ireo ao amin'ny YouTube:

Nanome toky izy ireo fa hanavao ny fandinihany ary hamaly ireo fanontanian'ny mpijery anatin'ny faritra ho an'ny tsikera:

Misaotra anareo rehetra namela tsikera, ary zavatra iray manan-danja be ny fanontaniana momba ny fihetseham-pon'ilay reniny noho ny fofon'olombelona. Taorian'ny nankanesanay tany an-toerana, nanara-maso ny toerana misy ilay reny avy amin'ny alalan'ny GPS izahay ary samy niverina tany amin'ny fonenany avy izy roa ary mikarakara tsy tapaka ny zanany, noho izany tsy misy tokony hatahorana ny aminy. 🙂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.