Bolgaria: “Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona…”

Mandritra ny fahavaratra mahamay iny, rehefa mifamazivazy ny Bolgara fa fandripahan'olona ny fisiana fiara fitateram-bahoaka tsy manana famerana hafanana, teo anelanelan'ny horohrontany sy ny fiafaran'ny fanadinana eny amin'ny oniversite, dia nisy fanafintohinana nipoaka koa tamin'ny 12 jolay lasa teo satria noroahin'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana ny mpitsara Miroslava Todorova [bg], mpitarika ny sendikàn'ny mpitsara lehibe sy matanjaka indrindra, ny sendikàn'ny mpitsara, ary nahazo fanakianana avy amin'ity Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana.

Nolazain'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana (SJC, Висш съдебен съвет) fa tara tamin'ny fanemorana raharaha i Todorova : antonta-taratasy 20 pejy manamarina ny fanesorana azy tamin'ny lazaina fa in-telo nanemotra fotoana (tara tamin'ny fanomeza-panazavàna) tamina raharaham-pitsarana telo miavaka tsara. Na izany aza tsy izy irery no mpitsara tara tamin'ny fanazavana : efa nanao izany tamina raharaham-pitsarana 43 samihafa izy nefa tsy nisy fanasaziana.

Tato anatin'ny volana vitsy izao dia nokianin'ny Sendikàn'ny Mpitsara (Съюз на съдиите) foana ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana : tamin'ny taon-dasa, ohatra, dia niantso [bg] ny mpikambana rehetra tao amin'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana izy hametra-pialana hamahana ny olana misy eo amin'ny tsy fahatokisan'ny Bolgara intsony ny asam-pitsarana. Nandritra ny kabary nataony tamin'ny fotoana nahazoany [bg] ny loka “Olo-malazan'ny Taona” dia nambaran'ny Mpitsara Todorova mazava tsara fa mampidi-doza ny asam-pitsarana iray manontolo ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana.

Taorian'ny nanambarana ny fandroahana ny mpitsara Torodova, ny Bulgarian Helsinki Committee (Komity Biolgara Helsinki), mpanara-maso ny zon'olombelona any an-toerana sady mpikarakara ny fifaninanana “olo-malazan'ny taona”,  nanao fanambarana tamin'ny gazety [bg] nanamelohany ny “fanapahan-kevitry ny fitondrana manafay tahaka ny ataon'ny mafia”. Mandeha be anefa ny feo sady vaovao azo tamin'ny gazety tsy miankina fa [bg]  resaka politika madiodio [bg] no nanamelohana an'i Torodova.

Nampatahotra sady nahamenatra ny fanehoan-kevitra taorian'ny namoahana ny vaovao fa voaroaka ny mpitsara Torodova. Ao amin'ny bilaoginy “Печатни грешки” (“Typos”), Polina Paunova nanoratra lahatsoratra  [bg] nomeny ny lohateny hoe “Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona…”:

Когато уволниш Човека на годината казваш, че искаш само свои хора. Когато уволниш Човека на годината всичките ти клетви в демократичност са само вкисналата гарнитура към милиционерската подметка, която сервираш като основно ястие в празната чиния на малоумния народ.
[…]
Когато уволниш Човека на годината уволняваш човека. Това е.

Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona, dia lazaina fa tsy mitady afa-tsy ny [tombontsoan'ny] vahoaka ianao. Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona, ny fianiananareo rehetra hiaro ny demokrasia dia famatrarana ny vilian'ny milisy irery ihany izay heverinareo ho ny vilia tsy misy na inona na inona an'ny vahoaka efa trotraka.
[…]
Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona, dia ilay olombelona no roahina. Izay ihany.

Niarakaraka tamin'izay ihany, sady nitovitovy ny fomba firesaka, ilay blaogera Ivan Bedrov — izay anisan'ny mpitsara tamin'ny fifaninanana nanomezana loka an'i Torodova — nanoratra [bg]:

А иначе Мирослава Тодорова била уволнена, защото забавила написването на мотивите по едно дело и заради това то било прекратено. Ако има нарушения, те трябва да бъдат санкционирани според правилата –- справедливо и по еднакъв начин за всички. Не сте чули обаче други съдии или прокурори да са уволнени с подобни мотиви. Не сте чули да има уволнения и за връзки с мафията, и за съмнителни сделки, и за необяснимо богатство. Няма и да има. За разлика от уличните мутри, мутрите с имунитет отстраняват противниците си процедурно.

Noroahina i Torodova satria tara ny naharaisana ny taratasim-panazavana an-tsoratra ary izay no antony nampiatoana azy. Raha nisy tsy fanarahan-dalàna, dia tokony hosaziana mifanaraka amin'izany ny olona iray – ary ampitoviana ny olona rehetra. Kanefa mbola tsy naheno isika fa nisy mpitsara na mpampanoa lalàna noroahina tamin'ny trangan-javatra tahaka izao. Mbola tsy naheno isika fa nisy mpitsara noroahina satria mifandray tendro amin'ny mafia, na mampiasa vola mampiahiahy na tsy mazava ny harenany. Mbola tsy nisy an'izany. Na dia ny jiolahim-boto aza, jiolahim-boto arovan'ny maha mpanao politika azy ka tsy iharan'ny sazy.

Ao amin'ny sorany “Ny zavatra nitranga farany…”, Antoaneta Tsoneva manoratra [bg] mikasika ny fifandraisan'ny sazy tahaka izao amin'ny mpisatra sy ny sehatra politika:

Правителството си направи самоатентат. […]
Властта атакува фронтално демократичните принципи вече три години и няма как да произведе правов ред – произвежда произвол и диктатура. […]
Ако политическите сили не осъзнават, че участват в заговор срещу гражданите, значи стават предатели на интереса на гражданите.

Nanao vy very ny ainy ny fanjakana. […]
Tsy manao afa-tsy ny mamelively ny demokrasia tato anatin'ny 3 taona izao ny olon'ny fitondrana ary tsy mahalamina ny ara-dalàna  — tsy manao afa-tsy ny mitsara miangatra izy ireo dia manao didy jadona… Raha tsy tsapan'ny mpanao politika fa mandray anjara amin'ny tsikombakomba hamotehana ny vahoaka izy ireo, dia manjary mpamadika ny tombotsoa ho an'ny vahoaka izy izany.

Nanomboka avy hatrany ny antso fanoherana ny zoma 13 jolay tao amin'ny Facebook  [bg]. Tonga dia nahazo vahana ny fiantsoana satria ny ankamaroan'ireo mpitsara avy ao andrenivohitra Sofia no hanatevin-daharana ny fanoherana ny zoma hanoheran'izy ireo ny nandroahana ny mpitsara Torodova. Miaraka amin'ny fitokonana koa, sendikà sy fikambanana tsy miankina ONG maro no manohitra ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana [bg].

Ao amin'ny fanambarana iray [bg], dia tsy vitan'ny hoe manameloka ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana ny Sendikàn'ny Mpisolovava fa mampahatsiahy koa amin'ny foto-kevitra ijoroan'ity filan-kevitra ambony ity:

Висшият съдебен съвет е призван да създава условия за проява на професионализма, безпристрастието и необременената правна мисъл на българския съдия. Наместо това с акта на налагането на най-тежкото наказание – уволнение към съдия Мирослава Тодорова, дръзнала да споделя и да се бори за своята независимост – ВСС не само създава предпоставки за никому непомагащите хаос и безпринципност в системата, но и предава – за пореден път – доверието на обществото, което му е възложило мисията да създава условия за предотвратяване на подобни нарушения, а не да налага показни наказания на работещите и мислещи хора от съдебната система.

Tsy maintsy mampiseho ny antoka amin'ny maha matihanina azy ny Filankevitra Faratampon'ny Fitsarana, tsy mitanila ary tsy ahitana fanahiana eo amin'ny tontolon'ny fitsarana any Bolgaria. raha izay anefa no tokony ataony, ny fanapahan-kevitra noraisiny nanomezany ny sazy henjana indrindra – ny fiarovan-tenan'ny mpitsara Torodova niady ho amin'ny fahaleovantenan'ny fitsarana – dia tsy niteraka afa-tsy ny antony mahatonga fikorontanana sy tsy fisian'ny fandehanan-draharaha amin'ny hitsiny ihany, fa niteraka famadiham-pitokisana ihany koa – miverina indray – ny fahatokisan'ny vahoaka, izay antony nametrahana ny Filan-kevitra Ambonin'ny Fitsarana  hiady amin'ny tsy fanarahan-dalàna tahaka izany, fa tsy hoe hanao didy jadona amin'ny fanomezana sazy ho an'ny mpiasa sy ny mpitsara akory.

Tsy namela ny fanjakana hangina ny fisehoan-javatra. Nilaza ny praiministra Boiko Borissov fa ny zavatra ataon'ny mpitsara Torodova dia tsy misy afa-tsy fandrangitana hanoherana ny ezaka goavana ataon'ny fanjakana eo amin'ny fanatsarana ny sarin'i Bolgaria mialohan'ny hamoahan'ny Vaomiera Eoropeana tatitra mikasika ny fandrosoan'i Bolgaria eo amin'ny lafiny fahaleovan-tenan'ny fitsarana. Mba hanadiovana ny fanjakana ho tsy mpiray tsikombakomba amin'ity tantara ity, dia nanamafy ny minisitry ny atitany Tsevan Tsvetanov fa tsy manana fifanolanana tamin'ny mpitsara Torodova mihitsy ny tenany. Tena lainga [bg], fotsiny ny hoe : volana vitsy lasa izay dia nanambara ny minisitry ny atitany fa miray tendro amin'ny mafia i Torodova, izay nitarika ity farany hitory azy noho ny fanalam-baraka .

Themis gets kicked out of the courthouse. Cartoon by Trayko Popov (http://trayko.eu/) published on various outlets and the Facebook group Occupy Bulgaria.

Themis voadaka avy amin'ny fitsarana. Sariitatra nataon'i Trayko Popov (http://trayko.eu/) nivoaka amin'ny vaovao rehetra ao amin'ny facebook Bodoy Bolgaria.

Themis voadaka avy amin'ny fitsarana. Sariitatra nataon'i Trayko Popov nivoaka amin'ny vaovao rehetra ao amin'ny facebook Occupy Bulgaria.

Mitohy ihany ny tantara miaraka amin'ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny fitsarana Diana Kovatcheva, mpikambana tsy mifidy ao amin'ny Filankevitra Ambony izy ary maneho hevitra ny amin'ny nandroahana ny mpitsara Torodova. Ny fanehoan-kevitry ny be sy ny maro no nitarika azy hiova hevitra. Eo amin'ny fiviliana 180°, dia  nanambara [bg] ny ministra Kovatcheva fa tokony hiverenana ny fandinihana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny SJC .

Tsy mampiova zavatra anefa izany fanambarana nataony izany : ny minisitra no nitarika ny fivoriana nanasaziana ny mpitsara Torodova. Ny tena mahaliana, nalefa mivantana ny tenin'ny minisitra tamin'izy niresaka tamin'ny mpitsara Torodova, izay hita amin'ny fomba famaliny fa misy tsy milamina ao, olona misolo tena ny hery mpanatanteraka, miezaka miteny amin'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Fitsarana hamerina handinika ny fanapahan-kevitra noraisiny.

Tamin'ny faran'ny herinandro, ny niafarany, nasiana vavolombelona [bg] . Ny sabotsy, 14 jolay, namoaka fanambarana ny SJC fa ekeny ny hamerenana ny fandinihana ny fanapahan-kevitra noraisin'izy ireo (araka ny fangatahan'ny mpitsara maro nandritra ny fanoherana nataon'izy ireo) amin'ny fotoam-pivoriana fanaony ny herinandro manaraka. tsy nalefa intsony ny fanambarana ny sabotsy alina. Nisy zavatra niseho tampoka anefa, nanambara ny minisitry ny fitsarana tamin'ny alahady maraina tao amin'ny radio nasionaly fa hampiantso fivorian'ny SJC tsy ara-potoana izy ny alatsinainy maraina, handinihana ny fepetra raisina raha misy zavatra mitranga mitovy amin'ny nahazo ny mpitsara Torodova.  Nisy heviny hafa [bg] teo amin'ny tontolon'ny fitsarana io fanambarana nataon'ny ministra io: “mikarakara fitsarana tsy azon'ny vahoaka hatrehana ho an'ny mpitsara Torodova ny minisitra…tsy misy mpifanandrina satria fivorian'ny filankevitra io.”

Ao amin'ny taratasy [bg, .doc] nalefa ho an'ny minisitry ny fitsarana, no nanoratan'ny mpitsara Torodova fa ny adihevitra mahakasika ny fepetran-dalàna raisin'ny SJC dia tsy azon'ny mpikambana avy amin'ny mpanatanteraka raisina satria mifanohitra amin'ny foto-dalàn'ny firenena. Nilaza ny mpitsara Torodova fa hametraka fitoriana amin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny SJC momba azy, izay milaza ny fanapahan-kevitra ho “tsy mpanara-dalàna, mandika ny fitsipika eo amin'ny fitantanana amin'ny fampiasana amin'ny tsy izy ny fahefana, ary mifanohitra amin'ny tanjon'ny lalàna”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.