Fanentanana Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy Syriana

Nivoaka tany amin'ny bilaogy Deeplinks an'ny Electronic Frontier Foundation ny dika voalohan'ity lahatsoratra ity.

Araka ny nambaran'ny lehibe iray avy ao amin'ny Reporters Without Borders (RSF) androany, mitombo isanandro ny isan'ireo olon-tsotra mpampita vaovao maty na voasambotra tany Syria. Raha nisintona ny sain'ny maro teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ireo olona sasany, tahaka an'i Razan Ghazzawi— izay nahazo ny Marim-pankasitrahana Fontline Defenders tamin'ny Fiarovana ny Zon'olombelona Tandindonin-Doza—noho ny raharaha mafana nisy azy ireo, ny maro hafa kosa notsinontsinoavin'ny media.

Misy fanentanana iray vaovao mikasika ilay mpitoraka bilaogy Hussein Ghrer—izay voasambotra niaraka tamin'ireo mpitoraka bilaogy sy mpiara-miasa hafa, isan'izany i Ghazzawi, tanatinà fanaovana bemidina tao amin'ilay foibe Syriana ho an'ny Media sy Fahalalahana Miteny (SCM) tamin'ny Febroary ary mbola any am-ponja foana hatramin'izao.  Io fanentanana io, izay hita amin'ny teny maro, dia mikatsaka ny hampifantohana ny sain'ny olona amin'ny fanambaran'i Ghrer mombanà fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny fotoana tsy voafaritra ho fangatahana ny famoahana azy tsy misy fepetra. Mihoatra ny fetra fitanana an-tranomaizina tsy misy fitsarana ny fitànana an'i Ghrer efa ho dimy volana, izay raha araka ny lalàna Syriana dia 60 andro.

 

Hussein Ghrer
Ilay fanentanana hamoahana an'ilay mpitoraka bilaogy Hussein Ghrer
Na dia mifantoka amin'i Ghrer aza izany fanentanana izany, tsy ela izay dia nanoratra ilay mpitoraka bilaogy Syriana Yazan Badran : “Aza mandiso zavatra, #FreeRazan, #FreeBassel na #FreeHussein, iray ihany no dikan'ireo: Mitaky ny fiverenan'izy ireo isika, ary izy rehetra.”  Eny tokoa, manohy manentana amin'ny hamoahana an'i Bassel Khartabil ireo mpitoraka bilaogy sy mafana fo. (Na dia mbola eo ambany fandrahonana aza i Ghazzawi, efa tsy mifonja intsony izy amin'izao fotoana.)

Ny tanjon'ireo fanentanana ireo dia ny hanaitra ny sain'ny maro, satria ireo mpitoraka bilaogy maro voatana ka navoaka avy any amin'ireo fonja Syriana avy eo dia nitatitra ny finoany fa nanampy azy ireo hiala ny fampijaliana ny fahalinan'ny media tminy-dry zareo. Namorona sarinà fanentanana maro ireo mafana fo ary mamporisika ireo mpampiasa Twitter sy Facebook hampiasa azy ireo ho sary famantarana. Mampiasa ny tenifototra ao amin'ny Twitter, #FreeHussein ihany koa izy ireo.

Ho an'ny rehetra, fianakavian'ireo mpitoraka bilaogy, mpampiasa aterineto, ary ireo mafàna fo amin'ny alalan'ny lahatsary izay namoy ny ainy nandritra ilay fifandonana tao Syria, miara-ory amin'izy ireo ny tenanay: tsy ho adino velively ny feon'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.