Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika

Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya.

Ny Mau Mau dia vondrona mpanohitra ny voanjo ary notarihan'i Dedan Kimathi, izay tafiditra tamin'ny fifandonana ara-tafika iray nanoherana ny Britanika teo anelanelan'ny 1952 sy 1960.

Sarivongan'ny mpitarika ny Mau Mau, Dedan Kimathi, ao Nairobi, Kenya. Sary navoaka ho an'ny sehatry ny daholobe avy amin'i Murungaru ,mpampiasa Wikipedia.

Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha, eo ambanin'ny tenifototra #MauMau:

@hellenotii: Araho ny #MauMau mandritra fanavaozam-baovaon'ny andro faha-2 amin'ny fitsaràna. Kenyana 3 mpitory (1 efa maty) miampanga fanitsakitsahana zon'olombelona #humanrights nataon'ny tafika Britanika. #ajstream #kenya

@CapitalFM_kenya: #Raila miteny fa hamatsy vola ireo bekotro maroholatra #MauMau ny govt amin'ny raharaha ifanolanany amin'ny Royaume-Uni. Nanomboka ny Alatsinainy ny fitsarana tao amin'ny Royal Courts of Justice ao Londona.

@rowenanews: “Bravo” ho an'ireo Kenyana manery ny Royaume-Uni hiatrika ny heloka vitany tamin'ny fanandevozana #maumau http://www.independent.co.uk/news/world/africa/in-a-british-court-after-60-years–the-elderly-kenyans-asking-for-justice-at-last-7946671.html (‘manoloana ny fitsarana britanika 60 taona aty aoriana angatahan'ireo zokiolona Kenyana ny rariny’)

@fatimamanji: Dia mampivanàka ny mahita ny fomba fandrakofan'ny gazety Britanika ny raharaha #MauMau ary ny fanehoan-kevitra teraka avy amin'izany.

@LindseyAGerman: Firaisankina amin'ireo Kenyana #MauMau mikatsaka ny rariny ao amin'ny Fitsarana Ambony noho ny habibiana nataon'ny Britanika tany amin'ny taona 50. Antenainy ny mba handresen'izy ireo taorian'izay taona maro izay.

@JeromeTaylor avy amin'ny gazety ‘TheIndependent’ mibitsika mivantana avy ao an'efitrano fitsarana:

@JeromeTaylor: Manara-maso akaiky ny raharaha Mau Mau ny Kenyana. Matetika no mampianatra zon'olombelona an'i Afrika i Grande Bretagne no sady mody tsy mahalala ny zava-tafahoatra vitany tamin'ny lasa.

@JeromeTaylor: Noteren'ny ‘administratera voanjo’ tamin'izany fotoana, Mr Whitehouse, hiantso azy hoe “The God of Lodwar”, na ‘Ny Andriamanitr'i Lodwar’  ireo mpifonja tao amin'ny fonjan'i Lodwar hoy i Mr Nyingi #MauMau

@JeromeTaylor: Mr Nyingi milaza fa “mbola ratsy kokoa” ny fitondra ireo  #MauMau taorian'ny fahaleovantena. “Toy ny mbola migadra hatrany izahay…tsy navela hiteny an-kalalahana velively izahay”

@JeromeTaylor: Mr Nyingi dia nosamborina ny Desambra '52 & notànana nandritra ny 9 taona. “Nodarohan'ireo Afrikana natao hiambina azy sy ireo miaramila Eoropeana” izy #MauMau

@JeromeTaylor: Ao anatin'ny fanambaràny amin'ny maha-vavolombelona azy dia miteny Ing. Nzili fa novosirina tao amin'ny toby fihazonana tao Embakasi izy. Hitany koa ireo hafa novosirina toa azy. #MauMau

@JeromeTaylor: Ao anatin'ny fanambaràny amin'ny maha-vavolombelona azy, i  Jane Muthoni Mara dia niharan'ny habibiana sy fanolanana tany amin'ny Foibe Fitiliana any Gatithi #MauMau

@TandemLaw mibitsika mivantana :

@TandemLaw: Nisintaka mba hisakafo ny fitsaràna. Niverina tamin'ny 2:00 tolakandro GMT. ‪#HumanRights‬ ‪#Kenya‬ Araho MIVANTANA ny bitsika avy ao amin'ny Fitsarana Ambony momba ny raharaha #MauMau‬

@TandemLaw: GM – Tsy mandà ny hirifiry nahazo ireo mpitory & ny fomba ratsy nitondràna azy ireo nandritra ny fanandevozana ny governemanta britanika ‪#MauMau‬ ‪#Kenya

@TandemLaw: Hatreto i Guy Mansfield avy amin'ny fiarovana fa tsy mbola voaresaka ny ratra nanjo ary tsy mbola nanontaniana mikasika izany ireo mpitory.

Araho ny bitsika Twitter mivantana, fanavaozam-baovao ampiasàna ny tenifototra #MauMau.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.