Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Tondradrano Nandrava An'i Krymsk Anaty Aterineto Sy Mivantana Ireo Mpampiasa Aterineto

Tamin'ny 6-7 Jolay, maherin'ny 170 ireo olona maty ary 35 000 no naratra na tsy manan-kialofana [ru] noho ny tondra-drano tany amin'ny faritr'i Krasnodar (sary sy lahatsary ato amin'ireto tatitra PublicPost ireto [ru] – Andro 1, Andro 2, Andro 3). Toa  mbola hitombo ny isan'ny fahafatesana, satria manohy ny asany ireo mpamonjy voina sy mpitsabo any amin'ireo faritra tratran'izany. Ny tanàna tena voa mafy dia any Krymsk: nisondrotra 3 metatra ny haavon'ny rano tao anatin'ny minitra vitsy ny alina, raha mbola tanaty torimaso daholo ny olona ka tsy nanam-potoana handosirana.

Ao amin'ny tontolon'ny blaogy sy any an-toerana, tsy mifanaraka ny hevitra amin'ny antony nahatonga ny loza tany Krymsk. Ny sasany milaza fa loza voajanahary iny; ny hafa indray dia nino fa natondraka tao Krymsk ny rano tao amin'ny siniben-dranon'i Neberdzhayevskoye mba hiarovana ny tanàna amorontsirak'i Novorossiysk tsy ho tondraka; ary teo ihany koa ireo nanilika izany tamin'ny fisesisesen'ny fiovaovan'ny toetrandro (orana efa-bolana [ru] no nirotsaka tanatin'ny iray andro), ny teotry ny siniben-drano tsy mahafa-po, ny fahalemen'ny tanàna noho izy eo am-pototry ny tendrombohitra sy voahodidinà renirano maro, ary ny tsy nahavitàn'ireo manampahefana nampandre sy namindra ireo mponina.

Misy ambadika politika ihany koa ny ankamaroan'ireo adihevitra amin'ny aterineto: ireo bilaogera mihevitra fa tsy noho ny olombelona no nahatonga ny loza, dia mifandona amin'ireo manameloka ny manampahefana any an-toerana noho ny tsy firaharahiana sy fanahy niniana izay niteraka fahasimbàna goavana sy ratra maro, raha ny hevitr'izy ireo.

Mifanohitra ireo fanambaràna ofisialy, ary maro ireo olona, na amin'ny aterineto na any amin'ny faritra voa, no tsy resy lahatra amin'ireo hafatra tian'ireo manampahefàna ampitaina.

Tsy dia azo antoka loatra koa anefa ny vaovao tamin'ny tontolon'ny blaogy: maro ireo mpitoraka blaogy no nanangana ny heviny tamina vaovao izay tsy marina akory. Ny siniben-dranon'ny Neberdzhayevskoye, ohatra, dia tsy manana famoahan-drano, ka tsy ho afaka namaha izany hamoahana ny rano ireo manampahefana; misy tandavan-tendrombohitra manasaraka an'i Novorossiysk amin'ny siniben-dranon'ny Neberdzhayevskoye, ka tsy ho afaka nitobaka tany an-tanàna ny rano; ilay sinibe iray hafa, Varnavinskoye, voatonona tanatin'ireo lahatsoratra blaogy tetsy aloha taorian'ny loza fa mety ho niavian'ny rano nanondraka an'i Krymsk, dia amin'ny toerana ambanin'i Krymsk no misy azy, fa tsy amboniny.

Manampy izany koa ny fikorontanana amin'ny ankapobeny ka vao maika mahasaro-takarina ny tena nitranga  tany Krymsk. Araka ny nosoratan'i Masha Gessen  tao amin'ny blaogy New York Times’ Latitude, “Ankoatra ny loza noho ireo olona namoy ny ainy tany Krymsk, eo koa ny loza noho ny tsy fisian'ny fanantenana hahafantatra izay tena nahazo azy ireo.”

Tondradrano tany Krymsk, faritr'i Krasnodar, Rosia. Sary avy amin'i Vladimir Kotelnikov (Anarana  Flickr : Kotelnikov). Nahazoana alalana ny fampiasàna azy.

Maromaro ireo mpitoraka blaogy no nandinika ny toe-javatra, nanoratsoratra tamin'ny sary, saritany, vaovao an-tsary ary ireo rakitra hafa teo an-tànana.

Eugenyshultz, mpampiasa LJ, dia  nanome ity fanazavàna [ru] ity tao anaty lahatsoratra lava izay nitarika fanehoan-kevitra maherin'ny 2500 :

[…] Ny tondradrano tany Krymsk dia vokatry ny oram-baratra nikija tany an-tendrombohitra, izay niteraka tondradrano be avy tany amin'ireo tendrombohitra, ka noho ireo, ny ranon-trambo avy any an-tendrombohitra REHETRA hatramin'ireo renirano Bogago, Neberdzhay ary Bakanka, dia nitambatra ho ranobe mampidi-doza izay niaraka tamin'ny renirano Adagum, izay mikoriana any afovoan'i Krymsk. Ary mety ho nitobaka koa ny siniben-drano, nefa raha ny ranon'ny sinibe IRERY dia tsy ho nahavita loza be toa izao. […]

Abondarcev, mpampiasa LJ sady injeniora amin'ny fanamboarana tetezana, dia namintina [ru] fa tsy mety ny fanarian-dranon'ny siniben'i Neberdzhayevskoye sady tsy ho afaka nisoroka tondradrano ateraky ny oram-be nikija:

[…] Izy io [ilay sinibe] dia tsy tena “baignoire” akory, fa toeram-pilomanosana 50×50 metatra manana fanarian-drano mitovy habe amin'ny an'ny “baignoire”. […] Amin'ny fomba ahoana no ahafahanao manangana tanàna nefa tsy mampandre ireo vahoaka monina ao akory? Dia monina ao izy ireo hatramin'ny oram-be voalohany avy any an-tendrombohitra. Tokony manangana siniben-drano manara-penitra, misy fanarian-drano ara-dalàna, ary tokony handavaka tatatra mihodidina ny tanàna raha sanatria misy tondradrano […].

[…] Tompon'andraikitra ireo manampahefàna ny amin'ny toerana misy ny tanàna sy ny amin'ny ain'ireo olona mipetraka amina toerana tsy tsara onenana tahaka io – vao avy ny orana dia lasan'ny rano ny tanàna… […]

Suren Gazaryan, mafana fo mpiaro ny tontolo iainana any an-toerana (anarana LJ : gazaryan-suren), dia nanoratra ity [ru]:

[…] Nandeha fiara nanaraka ireo renirano Bakanka sy Neberdzhay aho, araka izay lavitra tratrako. Farany dia azoko antoka fa tsy ny famoahana ny rano avy tao amin'ny siniben'i Neberdzhayevskoye no anton'ny tondradrano, na dia nino izany hevitra izany aza ny eny an-toerana. Niakatra avokoa ny haavon'ny rano tamin'ny làlana rehetra misy ny renirano Adagum, fa tsy tany amin'ny reniranon'i Neberdzhay irery akory, izay nametrahana ilay siniben-drano.

Moshkow, mpampiasa LJ dia nanao kajikajy madinika [ru], ary nahita fa eo amin'ny 3-10 tapitrisa metatra toratelo eo ny rano tsy maintsy niditra an'i Krymsk tamin'ny hafainganam-pandeha 1 000-3 000 metatra toratelo isan-tsegondra (raha ohatra ka 10-30 metatra toratelo isan-tsegondra kosa ny hafainganam-pandehan'ny renirano Adagum mandalo any Krymsk no tokony ho izy), ary niadana loatra ny nivoahany an'i Krymsk, 150-500 metatra kioba isan-tsegondra monja, noho ny fahateren'ny “hantsana fivoahana” ivelan'i Krymsk:

Nanitikitika ahy ny anton'ny tondradrano tany Krymsk. Manjary lasa fifangaroana lainga [fanahy iniana], resaka tsy misy dikany ary zava-marina  ny zavatra soratan'ireo “mpanohitra ny fitondràna” sy ny “mpiaro ny fitondràna”.

Ka andeha isaina fotsiny […].

[…]

Lesona #1. Miaraka amin'ny rano mandeha 3000 metatra toratelo isan-tsegondra sy mivoaka 500 metatra kioba isan-tsegondra – efa voaozona hilentika i Krymsk.

Lesona #2. Tsy nisy onja na “tsunami”. Fa nisy tondradrano nalaky be  nanodidina ny 5-7 metatra ny haavony – tahaka ny anaty ‘baignoire’ izay im-polo lavitra ny hakelin'ny fivoahan-dranony raha miohatra amin'ny fidiran'ny rano.

Lesona #3. Nandray anjara tamin'ny tondradrano ny siniben-dranon'i Neberdzhayskoye [65 metatra toratelo isan-tsegondra amin'ny fivoahan-dranony]. […]

Lesona #4. Neberdzhay dia nanome antsika 65 metatra toratelo isan-tsegondra, nefa nahazo maherin'ny 1 000 metatra toratelo isan-tsegondra i Krymsk. Ny ambin'izay dia avy amin'ireo ranon-trambo  tsy voatohana sy ny renirano […], izay nitondra ny rano rehetra […] hankany amin'ny tany lemaka […] ary ho ao amin'ny renirano Adagum.

Lesona  #5. Ny rafitra fanairana amin'ny tondradrano dia tokony ho hafa noho izay misy ankehitriny any amin'ny morontsiraky ny Ranomasina Mainty sy ny any Kaokazy (ary hay saika tsy nisy fampandrenesana mihitsy).

Lesona #6. Raha monina amina toerana mampiditra rano betsaka noho ny avoakany ianao – tokony hihainohaino matetika ianao ary hahafantatra ny habetsaky ny rotsak'orana avy amin'ny tendrombohitra any amboninao any.

Roustem Adagamov (anarana LJ: drugoi, @adagamov) dia nibitsika hoe:

Mieritreritra aho fa tena toa tsy nahavita nampandre ireo mponina tao #krymsk tsotra izao ry zareo, nandray izany ho tsy dia [misy dikany loatra]. Izany no nahamaro ireo maty tao an-tranony.

Raha miezaka ny mitady ny anton'ny loza tany  Krymsk ireo mpampiasa RuNet sasany, ny hafa kosa, na an-dàlana ho any amin'ny faritra voa, na efa any, amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo na mpanao gazety azy. Maro amin'ireo adihevitra amin'ny aterineto koa amin'izao no mifantoka amin'ny ezaka fanavotana.

Ao amin'ny Twitter, ampiasaina ny tenifototra #крымск (“Krymsk”) sy #поможем (“ndeha hanampy”), ary anisan'ireo mibitsika avy any Krymsk sy ireo faritra manodidina i Miriam Elder (@MiriamElder – en, ru), Konstantin Dikhtyar (@konstantinmsk – ru), Suren Gazaryan (@Suren_Gazaryan – ru), Roman Pereverzev (@RomanPomych – ru), Danila Lindele (@dlindele – ru), Alyona Popova (@alyonapopova – ru), Ilya Ponomarev (@iponomarev – ru), Anastasia Karimova (@aakarimova – ru), @Cockroach_brain (mpandrindra ireo mpirotsaka an-tsitrapo; hita ato  ireo sariny tamin'ny 8 Jolay tany Krymsk – ru), Dmitry Maletin (@eMaletin – ru).

Sergey Karpov, mpaka sarin'ny ITAR-TASS dia namoaka ity tatitra fohy [ru] ty tao amin'ny pejiny Facebook tamin'ny alina:

Miverina ny fiainana ao Krymsk: niverina nandeha tsikelikely ny herinaratra sy ny “gaz”. Maro ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy any [Kuban] iray manontolo. Tsy mitsahatra mitondra sakafo, akanjo, rano fisotro izy ireo. Nefa na mitondra maromaro kokoa aza tsy ho ampy. Nafindra tany amin'ny toeram-pitaizana zazakely ireo zokiolona, misy tobinà tranolay ho an'ireo tra-boina sy ireo tsy manan-kialofana. […]

Indreto ny sasany amin'ireo fitaovana, sehatra ary tetikasa fampielezam-baovaon'olon-tsotra [ru], izay mandrindra ny ezaka fanavotana: ny sarintany fanampiana Kuban/Krymsk anny Ushahidi  (novokarin'i Gregory Asmolov, RuNet Echo); ny Sampana tondradrano ao amin'ny Rynda.com (Fanairana virtoaly; ito ny lahatsoratry ny GV momba io tetikasa io); krymskhelp ary ity lahatsoratra ity Krasnodar Live! ao amin'ny LiveJournal; vondrona Facebook “Fanampiana ho an'i Kuban” (mpikambana 1 333) ary “Vonjy ho an'ireo traboinan'ny Tondradrano tany Kuban” (mpikambana 606); fiaraha-monina VKontakte – ato (mpikambana 583) ary ato (mpikambana 4 637); ity famelan-kafatra ity ao amin'ny Kuban.ru.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.