Iran: Zazavavy Kely 13 Taona Ve No Atahoran'ny Fitondràna?

Fomba tranainy efa fanaon'ny fitondrana Iraniana ny fandraràna ny olona tsy hivoaka any ivelany mba hampiakarana ny tsindry amin'ireo mfàna fo ara-politika sy ny avy amin'ny fiarahamonina sivily. Na izany aza, tsy ela akory izay dia niteraka fisavoritahan-tsaina ny fitsaràna iray momba ny filaminana tamin'ny nanakànany ny fivahinianana any ivelany ho an'ny zanaka vaviny 13 taona, Mehraveh Khandan sy ny vadin'i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava mpiaro zon'olombelona mbola any amponja. Nasrin Stoudeh dia voaheloka hifonja 11 taona an-tranomaizina.

Ensiloos manoratra hoe [fa]:

Milaza ny rain'i Mehraveh ao amin'ny Facebook fa raha hoe nanao heloka bevava ny zanany vavy, Mehraveh, dia tokony ho nampanantsoina ho eny amin'ny fitsaràna ny zaza tsy ampy taona, fa tsy any amin'ny Evin [fonja].

Haghemoslamema miteny hoe  [fa]:

Tokony hametraka fanentanana iray isika ho an'ireo ankizy “tsy manan-tsiny” mba hahafantaran'izao tontolo izao mikasika ny fitondrana Islamika [Fitondràna Iraniana]. Miharo eso ny fangatahan'ilay bilaogera he inona no helok'i Mehraveh : ny maha-zanak'i Nasrin Stoudeh azy, ny maha-zaza 13 taona azy, ny fitiavany ny nahitany masoandro, ny fikarakarany ny anadahy keliny… ny marina dia i Ali Khamenei irery ihany no mahalala izay heloka bevava nataon'ity zazavavy ity… tokony tsy ho kivy isika amin'ny tranga mahazo an'i Mehraveh, raha tsy izany, dia ho alefan-dry zareo any amin'ny fonjan'i Evin daholo ireo gadra politika rehetra.

Namoaka ihany koa ilay bilaogera sary iray misy an'i Mehraveh sy ny anadahiny:

Mehraveh Khandan and her brother. Image from haghmosalamma.blogspot.ca.

Mehraveh Khandan sy ny anadahiny. Sary:  haghmosalamma.blogspot.ca.

GreenCity nanoratra [fa] tamin'ny 8 Jolay 2012, fa ny Filoha Mpitarika ny Filankevitra Ambony Iraniana momba ny Zon'Olombelona, Javad Larijani, dia nanohitra imasom-bahoaka ny fisian'ny gadra politika voafonja ao Iran. Androany, Alatsinainy 16 Jolay, miseho masoandro ny zava-mahazo an'i Mehraveh.

Jomhouriat manoratra [fa] hoe, “reharehan'ny fireneko ity ankizivavy kely tsy manan-tsiny izay ny fandraràna azy tsy hahazo hisidina ho any ivelany dia mampiseho fa mirodana ny Repoblika Islamika [Iraniana]”

Tsy vao voalohany izao ny zanak'i Nasrin no nanasongadina ny hirifirin'ny fianakavian'ireo gadra politika. Iray volana lasa eo ho eo izao, ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Iraniana dia nifampizara ny lahatsary ahitàna an'i Nasrin Sotoudeh miezaka milalao miaraka amin'ny zanany lahy efatra taona tazana avy any ambadiky n y varavarankelin'ny efitrano famangiana mpifonja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.