17 Jolay 2012

Tantara tamin'ny 17 Jolay 2012

Sodàna: Bilaogera Mitantara Ny Famotorana Natao Azy Nandritra Ny Telo Andro

  17 Jolay 2012

 Nosoritan’ ilay bilaogera Sodaney Maha Elsanosi  mazava tsara ny famotorana natao azy izay naharitra telo andro tao amin'ny Sampan-draharaha nasionaly misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS), taorian'ny fisamborana azy tao Sodàna. Tao amin'ny lahatsoratra izay tokony hovakiana, Maha, izay tsy iza fa mpanoratra Sodàna ato amin'ny Global Voices ihany, nitantara toy izao: Nandritra...

Yemen: Ela Ny Ela, ao Sanaa ny TEDx !

Misy fientanentanana be ao Yemen sy eny anivon'ireo mpiondana aterineto fa tonga ao Sanaa ihany ny TEDx nony farany rehefa azo ny fahazoan-dàlana hanao ilay hetsika ny 13 Jolay 2012. Marobe ireo Yemenis hanam-bintana hizara n y nofinofin-dry zareo, n y traikefany ary ny heviny, izy samy izy sy amin'izao tontolo izao amin'ny Desambra 2012.

Ekoatera: Manao Veloma An’i George ilay Sokatra Manirery

  17 Jolay 2012

George ilay manirery avy ao amin’ny  nosy Galápagos  ao Ekoatera no sokatra  niangana farany tamin’ny karazany. Hita tamin’ny Asabotsy maraina 24 Jiona 2012 teo ny fatiny, tao amin’ny tokontany nonenany misy ny foibe fiompiana sokatra  Galápagos aoPoerto Ayora, Nosin’i Santa Cruz. George no sokatra farany amin’ny karazana Chelonoidis abingdonii, teo amin’ny faha-150 taonany...

Ejipta: Naka ny Pop Corn-ny Ny Farao Lehibe

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa. Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no filoha. Mizara ny heviny ny mpiserasera