Arabia Saodita : Hiteraka any am-pigadrana ve i Arwa Baghadi ?

Gadra vavy Saodiana iray antsoina hoe Arwa Baghadi no efa akaiky ho teraka ao amin'ny fonja. Tamin'ny volana may 2011, ny Saudi Civil and Political Rights Association (ACPRA – Fikambanana momba ny zo sivily sy politika), fikambanana tsy miankina miaro ny zon'olombelona, namoaka taratasy ofisialy [ar] tamin'ny anaran'ny renin'i Arwa, Huda al-Ahdl, ho an'ny birao misahana ny Fanadihadihana sy ny Fanenjehana noho ny Heloka natao.

Maty nandritra ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny taona 2011 ny anadahin'i Arwa. Taorian'ny nahafatesany, dia nosamborina sy nampidirina am-ponja tsy nisy dikany i Arwa sy ny vadiny, ny reniny, ny rainy, ny zaobaviny, ankizy kely anankitelo ao amin'ny fianakaviana, sy mpiasany anankiray. Arwa Baghadi, niaraka tamin'ny zanany kely vao herintaona monja sady efa bevohoka koa. Niaraka tamin'ny fianakaviany rehetra dia nentin'i Arwa tany am-ponja koa ny zanany kely vao herintaona.

Tamin'ny volana martsa, nitatitra ny ACPRA [ar] fa na dia ho bevohoka aza i Arwa dia nitokona tsy nihinan-kanina ho fanoherany ny fitazonana azy ireo tsy amin'antony (tafiditra ao anatin'izay ny herisetra ara-nofo [ar]) sy ny ezaka ho amin'ny fivoahana ny fonja.

Ilay mpanao gazety Saodiana Ebtihal Mubarak nisioka [ar]:

@EbtihalMubarak: اروى بغدادي متوقع ان تلد خلال غد او بعده في السجن وادارته ترفض الافراج عنها مؤقتا وتصر ع ‎‫#اعتقال‬‏ ارجاعها للزنزانه ف ذات اليوم بعد الولادة.
@EbtihalMubarak: Tokony ho teraka rahampitso na rahafakampitso i Arwa. Tsy mamela azy hivoaka kely hiteraka anefa ny mpandraharaha ny fonja fa vao mainka aza manidy azy ao na dia amin'ny andro hiterahany aza.

Ary satria manana zom-pirenena roa samihafa i Baghadi, da manohy ny fangatahany any amin'ny ambasady amerikana any Riyad i Mubarak:

@EbtihalMubarak: Arwa al-Baghadi gadra Saodiana/Amerikana voatazona ao am-ponja mbola tsy nisy fitsarana @ Ambasady Amerikana tsy maintsy mangataka amin'ny fanjakana Saodiana ny hamoahana azy hiteraka any amin'ny hôpitaly.

Raha namaly ny fangatahana ny ambasady, dia niserasera tamin'ny tweet i Mubarak[ar]:

@EbtihalMubarak: امس السفارة الأمريكية سألت السجن عن ‎‫#ولادة_أروى_البغدادي‬‏ ردوا انهم سيحجزوا سرير لها بالمتحدون لكنهم ارسلوا للداخلية بهذا الشأن ولم يتم الرد.
@EbtihalMubarak: Omaly, nangataka tamin'ny fonja momba an'i Arwa ny ambasady Amerikana. Ny valinteny azo tany dia hoe efa namandrika fandriana ho azy izy ireo ao amin'ny hôpitaly tsy miankina United [Doctors ], kanefa mbola miandry ny fanomezan-dalana avy amin'ny ministeran'ny atitany ry zareo.

Mohammad Al-Qahtani, ACPRA mpiara-manorina ny fikambanana manoratra [ar]:

@MFQahtani: نحمل وزارة الداخلية المسئولية كاملة حيال المضاعفات الصحية المحتملة ‎‫#ولادة_أروى_البغدادي‬‏ في السجن وحرمانها من الإنتقال للمستشفى. ‎‫#حسم‬‏ ‎‫#اعتقال‬‏
@MFQahtani: tompon'andraikitra feno amin'izay mety ho fahasarotana eo am-piterahana hahazo an'i Awa any am-pigadrana ny ministeran'ny atitany satria tsy mety mamindra azy mankany amin'ny hôpitaly.

Mpiserasera tweeter Saodiana, Khaled Aba al-Khiyl, nanoratra [ar]:

@aynKHALED‎:
#ولادة_اروى_البغدادي‬ في السجن وهي مواطنة بينما نعالج المجرم علي عبدالله صالح في أفضل المستشفيات ، اللعنة على الاستبداد
@aynKHALED: Teratany Saodiana i Arwa al-Baghadi ary hiteraka ny zanany any am-ponja, kanefa ny mpamono olona toa an-dry Ali Abdallah Saleh (filoha Yemenita) omentsika ny hôpitaly tena tsara indrindra. Fanao tsy mendrika izany.

Mpitondra fivavahana Saodiana iray, Salman al-Odah, nanoratra [ar]:

@salman_alodah: #ولادة_اروى_البغدادي‬‏ سجينة ربت طفلها بعمر سنة داخل السجن وستلد الثاني داخله.. أين القلوب؟
@salman_alodah: Gadra i Arwa ary voatery nitondra ny zanany herintaona monja any am-ponja, ary hiteraka ny zanany faharoa koa izy izao any am-ponja ihany. Manana fo mitempo ve ianareo?

Mpanao lalàna Saodiana iray Abdulaziz al-Hussan naneho hevitra [ar]:

@AHussan: ‎‫#ولادة_اروى_البغدادي‬ ؛ حكومة تبحث عن ثورة!
@AHussan: ny fahaterahan'i Baghadi any am-ponja : mitady fikomiana ny fanjakana!

Nivoaka ny vaovao farany fa nanaiky ny hitondrana an'i Arwa any amin'ny hôpitaly ny minisiteran'ny atitany [ar]:

@EbtihalMubarak: عاجل: هاتفت أروى والدتها قبل قليل وأخبرتها أن سجن ذهبان وقعها وبصمها ع ان يتم ‎‫#ولادة_اروى_البغدادي‬‏ في مستشفى المتحدون. ‎‫#اعتقال‬‏ ‎‫#السعودية‬‏
@EbtihalMubarak: niantso an-tariby ny reniny i Arwa nilaza fa nasaina nanasonia taratsay izy dia alefa any amin'ny hôpitaly United Doctors.

Notsindriany tsara fa [ar]:

@EbtihalMubarak: ينبغي الابقاء ع هاشتاغ ‎‫#ولادة_أروى_البغدادي‬‏ فاعلاً الى ان نتأكد من ولادتها ف المستشفى وايضا السماح لها بوقت كاف لاسترداد عافيتها خارج السجن
@EbtihalMubarak: tokony tsy hitsahatra ny hifandray amin'ny tweeter isika ary hampiasa hatrany ny rohy… mandrapahafantantsika fa tena any amin'ny hôpitaly tokoa izy no miteraka ary hijanona any mandrapahazony aina tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.