Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué

Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny fampisehoana  noho ny fitafian'i Madonna sy ny lohahevitra ataony mirona amin'ny fanintonan'ny nofo

Miatrika fanoherana avy amin'ny antokon'olona mpandala ny nentin-drazana any amin'ny fiaraha-monina hatrany ny mpihira any amin'ny firenena silamo; foana moa ny fampisehoana tokony ataon'i Lady Gaga ao Indonezia noho ny fanerena nataon'ireo mpitahiry ny nentin-drazana sy ny mpitana ny fihenjanana. Tsy nety ihany koa ny fotoana satria taorian'ilay Famonoana tao Houla tany Syria no saika hanaovana azy. Voatsikeran'ireo mpisera Twitter noho ny antony maro i Madonna.

Lalàna eo amin'ny fomba fiakanjo ao Emirà Arabo Mitambatra

Namintina ireo toe-javatra tao amin’ny siokany (tweet) ilay  mpiangaly lamaody Hala Zadeh

@halaZadeh: Mandray an’I Madonna any Abu Dhabi, mamantatra azy, avy eo mitsikera sy manivaiva azy eny rehetra eny!

Tsy misy lalàna momba ny fomba fiakanjo any Emirà  kanefa misy ny ezaka hametrahana lalàna momba ny fiakanjo

Nilaza I Savannah NOT Banana hoe:

@EasyAsPieMmmPie: Fantatrao ve ny olona tsy mba miraharaha momba ny #UAEDressCode (lalàn’ny fomba fiakanjo any UAE)? Madonna, tany Abu Dhabi, na taiza aiza tokoa

Fampiratina miharihary ny marika Kristiana

Noho ny saikanosy arabo toerana nahaterahan’ny finoana silamo, no indraindray hiheverana fa manimbazimba ny fampisehoana ankarihary ny marika ahafantarana ny fivavahana hafa. Nampiasa vokovoko amin’ny refiny samihafa moa I Madonna ho toy fifindrana ny dingana manaraka,  ary natomboka tamin’ny alalan’ny famelomana lakolosy ny fotoana, sy tamin'ny hira sy fomban'ny moanina. Khaled Hammadi nisioka:

@kwhammadi: ‏: صليب كبير في جزيرة العرب من أجل راقصة خبيثة ،، يا أبناء زايد : أليس فيكم رجل رشيد !! #مادونا_تراقص_جراحنا
@kwhammadi:  Vokovoko lehibe ao amin’ny saikanosy Arabo ho an'ilay mpandihy adala… ianareo zanak’I Zayed, tsy mba misy  olon-kendry ve ao aminareo!!!

Nisioka ny Saodiana Mansor Al-Harethi :

@mr_mns: #مادونا_تراقص_جراحنا‬ دكتورإماراتي يخفف علينا ويقول مادوناكانت محتشمة ولم يرالسيدالجو الكنائسي الذي افتتحت به حفلتها بدلامن ان نقنت لاخوتنا
@mr_mns:  profesora Emirati miezaka ny hampitony anay ka milaza ny fitafin'i Madonna ho tsotra ary tsy mahita fombam-piangonana nentin’ity farany nanombohana ny fampisehoana  raha tokony vavaka ho an’ireo rahalahintsika  [any Syria] no natao.

Ahiahy fifandraisana amin'ny “Illuminati”

Mampiseho kisarisarim-pivavahana ny fampisehoan’ny Madonna. Nisioka ny heverina ho fifandraisan'i Madonna amin’ny Illuminati I Hamad Al-Shirawi:

@Hamad_AlShirawi: Aza asiana fampisehoana illuminati be manadala intsony azafady. #Madonna

Fananahana

Nanoratra ny Bilaogera ivelan'ny tanindrazana Pam fa:

Tsy miseho ho hendry aho, fa nihoatra ny fetra izy. Mino aho fa tsy faly taminy na ireo olona sasantsasany izay nanatrika na koa ireo mpitantana sasany eto amin’ny firenena izay naheno resabe tamin’izany. Tsy misy mivantana ho an'ny islamo hitako tamin’ny fampisehoana, kanefa mino aho fa tsy mandeha ilalana ankoatra ny zavatra hafa ilay izy nanoroka vehivavy sy ny fiakanjo manao vokovoko an'ireo mpandihy.

Faniratsiràna 

Tamin’ny fiandohan’ny fampisehoana, niteny tamin’ny mpanatrika i Madonna miantso azy ireo ho “nateraky ny mpamosavy”. Hoy ity namana  mpisera  Saudi Sheikh Khaled Al-Sagaby:

@KhaledAlSaqaby: #مادونا_تراقص_جراحنا‬‏ الإعلام القذر هو الذي أسهم في تقبل خمسة وعشرين ألف للقب(أبناء العاهرة )فقد أسهم خلال سنوات طويلة إلى إماتة الغيرة

@KhaledAlSaqaby:  Ny Haino aman-jery maloto no iray tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fampanekena vahoaka 25000 ilay mari-pamantarana (nateraky ny mpamosavy) noho izy ireo nandray anjara nandritra ny taona maro ny hamonoana ny fireharehana.

Thomas O’Hara bilaogera Amerikana nisintaka ny tanindrazana, nampiseho  hoe:

Reko  fa ny hira voalohany dia ao amin’ny HEBREO ary tsy nitsahatra ny namoaka  faniratsirana izy mandritra ny seho manontolo. Raha olo-tsotra dia efa nalefa tany am-ponja an-taona maro noho ny fihetsika imasom-bahoaka toy izany.

Fotoana Tsy Nety

Nitranga taoriana kely ilay famonoan’olona tany Syria ny fampisehoana. Nilaza ity mpiserasera Emirati fa tsy fotoana hifaliana sy hanaovana fety izao. Nanao fanentanana an-tserasera tamin'ny fampiasana ny tenifototra #مادونا_تراقص_جراحنا ry zareo . (#mandihy amin’ny fahoriantsika I Madonna).

Bilaogera Mohamed Alfraj naneho [ar] hoe

مادونا المغنية الأمريكية المعتزلة من عشر سنين تحيي ليلة واحدة من عمرها الثمين بعشرة ملايين دولار فقط لا غير، ومعها جوقة صلبانها ورهبانها وطقوسها الكنسية، لم تفلح اعتراضات غيورين كثر عزّ عليهم أن تطغى صرخات العاهرة على صراخ من تبقى من أطفال سوريا، وأنين الموجوعات المفجوعات بأزواجهن وأولادهن وعفافهن في منعها، والمفاجأة المحزنة حين تقاتل الناس على التذاكر التي بلغت قيمتها أكثر من ألف درهم، وتحديدا ثلاث مائة دولار للواحدة، وتقاطروا من كل صوب، فقدر الجمهور باثنين وعشرين ألف رجل وامرأة..
 Madonna, ilay mpihira Amerikàna misotro ronono izay efa niala sasatra 10 taona izay,no nanao fampisehoana indray alina sarobidy amin'ny fiainany noho ny vola 10 tapitrisa dolara tsy mihoatra monja. Niaraka taminy ny tarikampandihy miakanjo tanambokovoko sy ny andiam-pihira moanina mbamin'ny fombam-piangonana. Tsy nahomby ny fanoheran'ny olona marobe, izay tsy nanaiky ny feo mihikiakan’ny mpamosavy izay mandifotra ny hiakan’ny zanak'i Syria ary ny fialan’ain’ireo reny maotona namoy ny vady aman-janany. Ary ny ratsy tsy nampoizina ny nahitana ny olona niady hahazo karatra mihoatra ny 1000 dirhams ny iray, izany hoe 300 dollars izay nirohotra avy tamin'ny vazantany efatra. Novinaina teo amin’ny 22000 ny lahy sy vavy teo ho eo ny isan’ny nanatrika.

Naneho ny fahadisoam-panantenany I Ibrahim Bilaogera Emirati tamin’ny tsy fahombiazan’ilay tenifototra tamin’ny Twitter:

@IbrahimAlharam: في المملكة استجاب التجار لنداءات الشباب السعودي وتم ‎‫#إلغاء_اللقاء_العار‬‏ ! مع الروس ولكن في وطني تركت ‎‫#مادونا_تراقص_جراحنا‬‏ !
@IbrahimAlharam: Ao amin’ny fanjakana [Arabia Saodita] namaly ny antson’ny tanora Saodiana ireo mpandraharaha ara-barotra momba ny fanafoanana ilay fihaonana mahamenatra miaraka amin’ny Rosiana, nefa eto amin’ny fireneko navelan'izy ireo #Madonna_mandihy_amin’ny_fahoriantsika

Na izany aza, Ahmed Ali-Gargaoui Bilaogera Emirati nanoratra fa mampiady hevitra amin'ny ankapobeny ny zavatra fanaon'i Madonna

Fantatsika rehetra ny paik’adin-tseraseran’I Madonna, kanefa raha tsy jerena ny korotandrotana nateraky ny fahatongavan’ny Madonna ao Abu Dahbi… mino aho fa nahombiazana ny nataony, fantatsika rehetra ny marika Madonna mpiteraka adihevitra ka raha tsy tianao ny hiditra ao halanao dia aza mankao fotsiny tahaka ny sarimihetsika ho an’ny mihoatra ny 18 taona, aza mijery raha toa ka manafintohina anao.[…] mihevitra aho fa tantanan’olona hendry ny firenena, ary tsy navelan'izy ireo hanao fampisehoana eto izy raha tena mampifanolana loatra sy manevateva ny nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.