14 Jolay 2012

Tantara tamin'ny 14 Jolay 2012

Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué

Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny fampisehoana  noho ny fitafian'i Madonna sy ny lohahevitra ataony mirona amin'ny fanintonan'ny nofo Miatrika fanoherana avy amin'ny antokon'olona mpandala ny...

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka

  14 Jolay 2012

Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny "Cour pénale internationale (CPI)" dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Tahaka ny maivana ihany ilay sazy raha ny hevitr'ireo mpiondana aterineto marobe.

Etiopia: Aiza i Meles Zenawi?

  14 Jolay 2012

Nibahana be ny habaky ny media sosialy nandritra ny herinandro maro ny momba ny fahasalaman'ny Praiminisitra Etiopiana Meles Zenawi ary niteraka fanontaniana mikasika ny hoavin'i Etiopia rehefa tsy eo izy. Nizara ny fahitan-dry zareo izay fahasalamany sy tsy fahitana azy izay any anaty Twitter sy Facebook ireo mpiondana aterineto. Manontany tena ireo mpampiasa ny media sosialy ny amin'ny antony tsy hiresahan'ireo fampahalalam-baovao mahazatra ity tantaran'ny fahasalamany sy izay misy azy ity