Zambia: Lasa Lavitra Loatra Ny Hatsikan'ny Filoha?

Noheverina ho kivazivazy maivana eo amin'ny Filoha Michael Sata sy ny filoha Amerikana teo aloha George W. Bush, na izany no nampinoana ny Zambiana tao amin'ny fanambarana navoakan'ny tao amin'ny Lapam-Panjakana raha nampahatsiaro tamin'ny vahiny ny talohan’ [ilay firenena vahiny nampihatra] ny fanjanahantany sy ny fanandevozana ny mpampiantrano. Maro amin'ny Zambiana an-tserasera no manameloka ny fomba fijery tsy diplaomatikan'i Etazonia amin'i Zambia.

Nandritra ny fihaonana ankalamanjana tamin'i George W. Bush no nilazan'ny filoha Sata hoe:

Ny zavatra tena mahaliana, nisy firenena efatra goavana teo aloha: Etazonian’ i Amerika, Fanjakana Mitambatra (Angletera), Rosia ary Frantsa. Ary lasa daholo ianareo; nilaozanareo i Afrika rehefa nalainareo ny akoranay rehetra, ny akora fitaovanay ka nananganana ny tanànanareo. Ny tiako lazaina, eo aminareo tsy misy i Afrika. Ary rehefa mahita firenena nanjanaka teo aloha tahaka anareo miverina izahay ary mamerina aminay izay nalainareo dia mankasitraka izahay.

Namaly i Bush:

Atoa Filoha, tsy te-handresy lahatra aho fa tsy firenena nanjanaka hatrizay nisiany i Amerika. Nitady fahafahana tahaka ny nitadiavanareo fahafahana tamin'izay mitady hanjanaka antsika izahay. Mety ho firenena efa nanjanaka i Frantsa, mety ho firenena efa nanjanaka i Britaina, fa tsy izany kosa i Etazonian'i Amerika.

Koa satria moa voamarika any amin'ny ankamaroan'ny sehatr'asa idiran'ny olo-manakaja vahiny ny gafy nataon'ny filoha Zambiana tsy nanana fihetsika sy fomba diplaomatika hany ka nanao fialantsiny mivantana tamin'ny anaran'ny Zambiana ny filoha teo aloha Rupiah Banda.

Nanaraka ny fialantsiny navantana tamin'ny filoha Bush,  namaly toy izao ny Lapam-panjakan:

President Sata welcoming former American President George Bush to State House in Lusaka

Ny filoha Sata nandray ny filoha Amerikana teo aloha George Bush tao amin'ny Lapam-panjakana tao Lusaka. Sary vohikalan'ny Lapam-panjakana.

…Tsy tokony araraotin'Atoa Banda ho fakana isa mora ara-politika ny resaka tsotra ifanaovako amin'ny filoha Bush. Aoka hazava fa tsy voalohany akory aho no nandray ny filoha teo aloha sy ramatoa Bush. Ankasitrahako indrindra raha indroa nitsidika antsika ry zareo tao anatin'ny enim-bolana, izay manambara mazava ny fifandraisana misy eo amin'ny firenena roa tonta sy ny fandraisana an-tanana manokana ataon'ny filoha Bush ho an'ny tanindrazantsika.

Ao amin'ny lahatsoratra iray hita ao amin'ny vohikalam-panaraha-maso [ny zon'olombelona] Zambiana iray, “Sata Warns RB” [mampitandrina an'i Rupiah Banda i Sata], dia nanoratra toy izao ny mpamaky iray milaza ny tenany ho Unza Dizzy:

Voamarina. Mananihany fotsiny izy. Heverina ho mampilalao ao Lusaka ny “Son excellence” CNP [Chimbwi No Plan na Chimbwi tsy mana-drafitra na Hyena tsy marani-tsaina, famantarana tamin'ny filoha napetaka tamin'ny filoha rehefa nilaza azy toy izany ny mpitarika ny mpanohitra iray] fa tsy ato amin'ny firenena. Amin'ny maha-filoham-panjakana azy, ahoana moa no hamazivaziany ato anivon'ny fahantrana miely manerana ny firenena ity?

Manoratra toy izao ny mpamaky iray, Ulemu Niwabwino:

Tompo ô vonjeo izahay! Ahoana moa no ahafahan'i Sata miteny an'i RB mba ho matotra raha mahadikidiky ny ankamaroantsika ny fihetsiny? Tsy amin'ny fotoanany sady an'ny tsy tsara taiza ilay fihetsika natao tamin'i Bush. Hatsikana tsy alehany tsy mendrika ny filoha iny. Endrika ratsin'ny hatsikana iny ka azafady twapapata [miangavy izahay]. Mianara manivana ny vazivazinao. Farany, diso toerana ny fandrahonana an'i RB ho anay izay diso fanantenana haneho ny feonay amin'ny alalan'ny fifidianana amin'ny 2016.

Ao amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'ny rohin'ny gazety britanika Daily Telegraph nalefa tao amin'ny takelaka facebook-n'ny Zambian Voice no anoratan'i Comrade Daaram Simakungwe:

Mieritreritra aho fa tokony hisy olona hampahatsiaro ny filohantsika fa tsy tokony havadibadika im-pito ny lela mialoha ny itenenana amin'io asany vaovao maha-kateka [filoham-panjakana] azy io..Tokony ampahatsiahivina azy fa any ivelan'ny resaka manoloana ny fakantsary no fanaovana “Vazivazy” fa tsy imasom-bahoaka…Misy fahadisoana ataon'ny Hajaina Sata hatrany isa-kerinandro. Tsy izy no filoha voalohany ary tsy izy no filoha faran'i Zambia. Tsy maintsy mitondra tena tahaka ny diplaomaty izy.

George Bush mandoko toera-pitsaboana iray ampiasaina hijerena sy hitsaboana ny homamiadana ao  Kabwe, Zambia. Sary nalaina noho tsy fahatsara-pon'i zambianwatchdog.com

Amin'ny hevitra hafa ao amin'io rojon-kevitra io ihany no manoratra i Comrade Daaram Simakungwe:

Ahoana no hamazivazianao fa mamerina amin'i Afrika i Etazonia amin'ny alalan'ity toera-pitsaboana bitika ao Kabwe ity? Andrarezin'ny tetikasa maro dia maro sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana eto Zambia ny USAID. Tsy hoe manome vola antsika i Shina dia tsinontsinoavina ny mpanome hafa. Na dia ny ampahany betsaka amin'ny tetibolam-pirenena aza mbola avy amin'ny fanampian'ny vahiny.

Tsy very ny sioka iray milaza ao anatin'ny efitra iray ny gafy roa nataon'ny mpitarika roa Michael Sata sy George Bush:

@NicoleJohnston: Bush sy Sata amin'ny toerana iray amin'ny fotoana iray? Tena mametraka amin'ny tsy antony ny planeta hidiran-doza noho ny fahadalana be loatra? @snkowani http://www.zambianwatchdog.com/2012/07/05/sat …

Mpisioka iray manoratra:

‏@steadydivine: I really Hope our President doesn’t Land us In trouble with His Mouth, he makes Personal statements, But they… http://fb.me/20DDLmSSe

Manantena indrindra aho fa tsy hitondra antsika any amin'ny korontana noho ny vavany ny filoha, manao fanambaran'ny tenany manokana izy, saingy ry zareo anie…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.