Kiobà: Mampiantrano Fetibenà Tambajotra Sosialy i Havana

Notanterahana tany Havana, Kiobà ilay Festival Clic na “Fetiben'ny ‘Click'”, nokarakarain'ireo mpitoraka bilaogy tany amin'io Nosy io, ny tena misongadina tamin'izany dia i Yoani Sánchez, tompon'ilay bilaogy Generación Y [es] sady mpamorona ilay Akademian'ny Mpitoraka Bilaogy Kiobana.

Notohanan'ilay hetsikanà vohikala sosialy Espaniola EBE [es] sy ny fikambanana Kiobana tsy miankina Estado de SATS [es] io hetsika io, izay miala ny fifehezan'ny governemanta, mikarakara adihevitra, tafatafa sy fampirantiana momba ny hoavin'i Kiobà sy ny tetezamitany mankany amin'ny demokrasia.

Anatinà lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginy [es], manolotra ireo tanjon'io hetsika io i Yoani Sánchez, izay raisiny ho tsy miandany amin'ny politika; nefa kosa, mifantoka indrindra amin'ny vondrom-piarahamonina miblaogy:

Notarihanà fikambanana, vondrona ary olon-tsotra avy ao amin'ny fiarahamonina sivily samihafa ity hetsika ity, nefa tsy mitongilana any amin'ny tombontsoa manokan'izy rehetra. Manana endrika teknolojika izy, fa tsy firehan-kevitra.

Fangon'ny Fetibe “Festival Clic”

Miaraka amin'ity hetsika ity, nanantena ireo mpikarakara ny hanohitra ireo hetsika hafa manodidina ny media sosialy izay nokarakarain'ny fitondrana Kiobana sy ireo mpanao gazety ary mpitoraka bilaogy mpomba ny fitondrana. Nanoratra i Sánchez:

Tsy hampiasa endrikanà fanasaraham-bazana ara-politika izahay, ary tsy hampiasa fantina ara-piheran-kevitra hifantenana ireo mpandray anjara — ary azo antoka fa izahay tsy handray anjara anatin'ireo tetika fanilikilihana izay nihatra tamin'ireo Kiobana hafa mpitoraka bilaogy sy mpitoraka bitsika.

Raha tsy nanonona manokana izany izy, nampitaha io hetsika io tamin'ny fifanarahan'i Blogazo x Cuba i Sánchez: Primer Encuentro de Blogueros en Revolución, izay nankalazaina tany Matanzas ary nokarakarain'ilay bilaogy ifandrimbonana “La Joven Cuba” mpomba ny fitondrana.

Ny fanambarana famaranana an'ilay hetsika dia nanazava tsara ny loko politikan'ireo mpkarakara, amin'ny fanehoana hevitra tsy miandany amin'ireo mpitoraka bilaogy izay mitsikera ny fitondrana, ireo mpanohitra izay nopetahan'ilay fianakaviamben'ireo mpomba ny fitondrana anaram-bosotra hoe “mpikarama an'ady”. Niteraka adihevitra mafonja teo amin'ireo samy mpitoraka bilaogy noleferin'ny fitondrana ihany koa io hetsika io.

Notanterahana ny 21 ka hatramin'ny 23 Jona ilay Fetiben'ny “Clic” ary nahitàna fotoana nifantohana tamin'ny Twitter, ny zon'ireo mpampiasa aterineto, ary ny tranga misy ankehitriny amin'ireo famoahana dizitaly any Kiobà. Hisy ihany koa atrikasa atokana tanteraka ho an'ny teknolojia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.