Thailandy: Maty Tany Am-ponja Ilay Lahiantitra Voampanga Ho Naniratsira Fanjakàna

Ny fahafatesan'i  Ampon Tangnopponkul, fantatry ny mpiray tanàna aminy amin'ny anarana hoe “Akong”, dia noraisin'ny mponina amin'ny aterineto Thailandey ho henatra ho an'i Thailandy. Nogadraina nandritry ny 20 taona  i Akong  nohon'ny niampangana azy tsy nisy porofo ho naniratsira ny fanjakana. Noeritreretina ho matin'ny aretina homamiadan'ny ativava ilay lahiantitra 61 taona raha efa niady mafy tamin'izany nandritry ny fotoana ela.

Nolavina hatrany ny ezaka rehetra hamoahana azy tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra nohon'ny antony ara-pahasalamany. Tsy nanova na inona na inona ny hetsik'ireo olona mafana fo miaraka amin'ireo mpianatra tao Thailandy sy ny avy any ivelany hamoaka azy, na dia notohanan'ny vahoaka maro aza izy ireo. Io tranga io no anisan'ny “fiampangana mavesatra indrindra nataon'ny fanjakana hatrizay.”

Akong with his family. Photo from FACT – Freedom Against Censorship Thailand

Sarin'i Akong miaraka amin'ny fianakaviany. Sary nalaina tao amin'ny FACT (Freedom Against Censorship Thailand)– Fahalalahana miady amin'ny Sivana ao Thailandy.

Nanomboka tamin'ny volana Aogositra taona 2010 io tantara hafahafa sy mampalaelo io rehefa nosamborina tany an-tranony sy notazonina tany am-ponja nandritry ny roa volana, tsy nisy fiampangana azy, i Akong. Tamin'ny volana Janoary 2011, ny niafarany dia nohelohina izy nohon'ny fandefasana  SMS miisa efatra nanarabiraby ny fanjakana sy ny sekretera manokan'i praiminisitra Abhisit Vejjajiva ary ny mpikambana sasany ao amin'ny kabinetra. Nolavin'i Akong izany fiampangana azy izany.

Nandritry ny fitsarana dia nilaza i Ampon fa tsy mahay mandefa  SMS izany ary tsy fantany akory aza ny laharan'ireo naharay  ny hafatra. Nitomany izy nandritra ny fanadihadiana azy ary tsy nitsahatra ny namerina ny fitiavany ny mpanjaka izy.

Nanazava didim-pitsarana ilay mpitsara Chanatip Mueanpawong:

Tsy afaka nitondra vavolombelona akory ny fampanoavana hahafahana hanamarina fa io voampanga io tokoa no tena nandefa hafatra tany amin'ny findain'ilay mpitory. Sarotra ny hanaporofo izany satria tsy maintsy hanafina ny zavatra nataony ilay voampanga ho nanao izany mba tsy hahatratraran'ny olona azy. Noho izany dia mila porofo mazava tsara milaza ny tena fikasan'ilay voampanga.

Voaheloka hanefa 20 taona tany an-tranomaizina i Akong, 5 taona isaky ny SMS iray nalefany.

Nambaran'ny manampahefana fa nisy teny ratsy nanala-baraka ny mpanjaka vavy sy naniratsira ny voninahitry ny fanjakana tao anatin'ireo hafatra tamin'ny finday. Raha ny hevitr'i  iLaw, dia naka ny andinindinin'ny antso  nivoaka sy niditra tany amin'ny mpanome tolotra finday ary nijoro ho vavolombelona hanameloka an'i  Akong ny polisy.

Niaiky ny Birao Nasionalin'ny Fampielezam-baovao sy ny Komitin'ny serasera fa tranga voafaritra anatin'ny fotoana iray izy io ary nampitandrina ireo mpampiasa finday mba ho mailo tsara amin'ny fampiasana ny findain-dry zareo.

Nandritra ny fotoana nitazonana azy, dia nandà hatrany ny famotsorana an'i Ampon amin'ny alalan'ny fandoavana onitra ny Fitsarana Ambony. Nanazava ny maha zava-dehibe an'io tranga io ho toy ny fanankorontana ny fandriam-pahalemana ary mety hatrany amin'ny zotram-piaramanidiny.

Niteraka fomba fijery roa lehibe nifanipaka teo amin'ny vondrom-piarahamonina anaty aterineto ny fahafatesan'i “Uncle SMS” – maro ireo tezitra mafy, raha faly kosa  ny sasany.  Nanoratra tao amin'ny Facebook i Poltahan Manoke Klang Prapan :

Ny iriako dia ny mba hisian'ny rariny sy ny fahalalahana eto amin'ny firenena, saingy toa faniriana ihany ny ahy. Maniry mafy aho mba hahita famirapiratan-tsaina ireo tsy manam-pahaizana, fa toa nofy fotsiny izany. Tokony hiatrika ny zava-misy aho. Tsy azo ialana rahateo koa ny fahafatesana.

Namorona tononkalo i Piangkam Pradabkwan tao amin'ny takelaka facebook-ny, toy izao ny andininy farany:

Maty i Akong . Iza no namono io lahiantitra io? Tara loatra vao nipoitra ny marina – heloka bevava izany. Mitobaka sy tsy misy vidiny ny ain'ny olombelona.  Mifoka sy miaina ny fahafatesana izy ireo isan'andro.

Ny olona sasany dia tsy dia tohina tamin'ny fahalasanan'i Akong:

“Miangavy anareo mba hidera an'io lahiantitra io. Amin'izao fotoana izao, mety efa any amin'ny afobe izy ary mety efa voadoron'ny afo ny vavany,” hoy i major181226 tao amin'ny  lahatsary Youtube  mikasika an'i Akong. “Mendrika ho azy ny ho faty. Tokony hakarina amin'izay ny tanintsika. Ary rehefa tapitra izany fijaliana amin'ny endriny maro izany, dia mety handroso ami'izay ny firenena. Sa tsy mitovy hevitra amiko ianareo?” hoy i  Purno5.

Nizara ny alahelony i @supinya tao amin'ny Twitter:

Mandria am-piadanana ianao ry Uncle SMS, ianao ilay tsy mba be teny hatrizay. Alahelo amin'ny lafiny roa; ny maha olona & ny zon'olombelona. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany & ny namany rehetra.

Nametra-panontaniana i Bangkok Pundit hoe nahoana no lazain'ny fanjakana ho loza ho an'ny fandriam-pahaleman'ny firenena ny lahiantitra iray izay tratry  nyaretina homamiadana:

Sarotra ny mahafantatra hoe mety nahazo fikarakarana tsaratsara kokoa ve izy raha niaina tany ivelan'ny fonja satria tsy azontsika antoka tsara ny anton'ny fahafatesany, fa ny fihinana sakafo any amin'ny fonjan'i Thailandey sy ny fitsaboan-tena any amin'ny hopitalin'ny fonja, indrindra raha voan'ny homamiadana, dia tsy hanampy anao ho lava andro iainana velively. Tsy mazava ary tsy ho fantatra mihitsy ny valin'izany fanontaniana izany. Na izany aza, tokony handinika ny tsirairay hoe ahoana no filaza fa loza ho an'ny fandriam-pahaleman'ny firenena ny lahiantitra 60 taona ka mila ampidirina am-ponja?

Ho an'ny vahoaka maro, dia maneho ny tsy rariny sy ny fampijaliana ny voafonja io zavatra nihatra tamin'i Akong io. Tsapan'izy ireo fa tsy nahavita nanakana ny tsy fitovizan'ny fomba fijery ara-politika i Thailand rehefa manoloana fanitsakitsahana tafahoatra ny zon'olombelona toy izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.